05
Oct

Ny 23-31 Oktobra 2017 ho avy izao isika no hankalaza ny Ivon’ny faha-150 taoan’ny Fiangonana Loterana Malagasy sy ny faha-500 taonan’ny Reformasiona nataon’i Dr Martin Luther.
Koa indro averina ny Hira Faneva ho @ izany (A/C : Pastora RAMANANTSOA Haja Wilson):
Ny Tonony:
- Androm-pahasoavana feno hafaliana,
Fa ny Famonjena azo tsy vidina;
Ilay Ray Tsitoha no isaorana eram-po,
Fa nampiposaka MAZAVA soa tokoa.
Isan’andininy: [hiraina in-droa amin’ny famaranana]
Ny fahasoavan’Andriamanitra tsy ho lany
Nomeny hanafaka ny mino izany;
Ka ny marina amin’ny finoana ihany
No ho velona hatrany an-danitra any.
- Ilay Jesosy niaritra ny fahoriana
Voahombo tamin’ny hazo fijaliana;
Lehibe tokoa ny fitiavany;
Ny mino Azy dia nataony ho havany. - Ny Fiangonanay velomin’ny Fanahy,
Dia maharitra na dia alaim-panahy;
Tsy mitsahatra mitory Famonjena;
Mijoro ho mpaminany ho an’ny firenena.
Toa izao raha hiraina (Mpihira: GMF):
Ny Feon-kira sy Tonony miaraka: