MISAOTRA AN’I JESOSY, fa tontosa soa aman-tsara ny Fankalazana ny IVON’NY FAHA-150 TAONAN’NY FLM SY FAHA-500 TAONAN’NY REFORMASIONA natao tany @ FLM Betafo Amboniavaratra – SP Avaratr’i Mania.
Nanana solontena maro tany isika teto @ FLM Ambatovinaky, notarihin’i Raiamandreny Pastora Ratsimbazafy Solohery, Mpitondra Fileovana Ambatovinaky. Isan’ireo tonga tany moa ny mpikambana vitsivitsy tao @ FDL (Fikambanan-dehilahy Loterana) sy ny HAJ (Haino Aman-jery) izay nitondra ireto “ako” vitsivitsy ireto, sady fiaraha-miasa niaraka t@ RTF 91.20Mhz (Radio Teny Fiainana) sy ny tompon’andraikitry ny serasera avy ao @ Foibe FLM (http://www.flm-foibe.org/).
Ny Famaranana ny Fanalazana moa dia hatao ny Talata 22 ka h@ Alahady 27 Mey 2018 eto @ FLM Ambatovinaky – SP Antananarivo. Aoka samy hitondra am-bavaka izany isika!