Boky Eksodosy na Fanafahana

Boky Eksodosy na Fanafahana

“Mitaky fanoavana ny fahafahana”

1 Fanazavana ankapobeny

Tsy hafa ny Eksodosy fa tohin’ny Genesisy ihany. Mielanelana fahabangana ara-tantara tokony ho 400 taona mahery anefa ny zavatra voalaza farany ao amin’ny Genesisy sy izay resahina voalohany amin’ny Eksodosy. Ny antony dia satria tsy voarakitra an-tsoratra ny fiainan’ny Zanak’Israely nandritra ny 400 taona mahery nipetrahany tany Egypta. Koa dia manomboka hatreo amin’ny toe-javatra nanodidina ny nahaterahan’i Mosesy vao mitohy indray ny tantara.

Marihina fa mizara 3 miavaka tsara ny fiainan’io Mosesy io, ka toy izao izany: (1) 40 voalohany tany Egypta, tao an-dapan’ny Farao; (2) 40 faharoa tany Midiana, tao amin’i Jetro (Regoela) mpisorona (jentilisa); (3) 40 taona fahatelo nanafaka ny Zanak’Israely tamin’ny fanandevozan’i Egypta sy nitarika azy ireo tany an’efitra.

Ara-tantara dia ny tradisionan’ny Eksodosy no niaingan’ny fiainam-pirenen’ny Zanak’Israely. Ny fanavotan’i Jehovah azy ireo tany Egypta sy ny fahafahan’izy ireo vokatra izany, izay foto-java-dehibe voarakitra ao amin’ny Eksodosy mantsy, no fototra nanorenan’i Jehovah azy ireo ho fireneny masina sy fanjaka-pisorona ho Azy (Eks 19: 3-6). Ny Genesisy kosa anefa no anombohan’ny Baiboly satria ara-teolojia dia ny fiandohan’ny zavatra rehetra noharian’Andriamanitra no iaingan’ny tantaram-piainana rehetra eto an-tany.

Mizara 4 lehibe amin’ny ankapobeny ny tantara voarakitra ao amin’ny Eksodosy. Toy izao izany:

– Ny fanompoam-panandevozana niaretan’ny Zanak’Israely tany Egypta sy ny fahoriana mangidy nianjady tamin’izy ireo vokatra izany;

– Ny nanavotan’i Jehovah ny Zanak’Israely tami-kery mahagaga tamin’ny alalan’i Mosesy;

– Ny nanamafisan’i Jehovah ny fifidianany sy fanekeny tamin’ny Zanak’Israely tamin’ny alalan’ny nanomezany azy ireo ny Didy Folo sy Lalàna samihafa (aram-pivavahana sy ara-piarahamonina ary ara-pitondrana etc…) tany Synay;

– Ny fiaingan’ny Zanak’Israely hamakivaky ny efitra mankany Kanana, teo ambany fitondran’i Mosesy sy ny fitarihan’i Jehovah tamin’ny andry afo sy andry rahona.

Hatreo amin’ny fiampitana ny Ranomasiana mena dia avotra tamin’ny fahandevozany ny zanak’Israely ka niaina tamim-pahafahana tanteraka teo ambany fahasoavan’i Jehovah Andriamanitra sy ny fitondrany mahagaga. Ny fahafahana ao amin’Andriamanitra anefa dia tsy mba baranahiny/gaboraraka ka anaovana izay danin’ny kibo fa kosa iainana amin’ny fahatahorana Azy sy tarafin’ny fahamasinany amam-boninahiny ka mitaky fankatoavana tsy misy fepetra ny sitrapony ao amin’ny Teniny sy ny Didiny. Noho izany dia Jehovah manafaka ny Israely kanefa koa azy amin’ny Didiny no aseho sy tantaraina ao aminény Eksodosy.

 2 Ny mpanoratra ny Eksodosy

            Tahaka ny Genesisy dia nambaran’ny Raby Jiosy sy teolojiana kristiana sasany fa i Mosesy no nanoratra ny Eksodosy. Marina aloha fa zava-nisy nandritra ny 40 taona fahatelon’ny fiainan’i Mosesy no tantarain’io boky io ka toa rariny tokoa raha izy no heverina ho nanoratra azy. Izy rahateo nahafehy tsara izany soratra izany satria nobeazina sy nianatra feno tao amin’ny sekolin’ny lapan’ny Farao.

Rehefa nanao fikarohana nandritra ny fotoana lava anefa ny mpahay TT maro dia nahita fa tsy i Mosesy no nanoratra ny bokin’ny Eksodosy. Ny antony dia satria voaporofo tamin’ny vanimpotoana samy hafa nifanelanelana an-jatony taona no nahavoasoratra an’io boky io. Araka izany dia mpanoratra samy hafa ihany koa no nanoratra azy.

Voalazan’ny mpikaroka àry fa ny (Y [Yahvista]) no nanoratra ampahany betsaka indrindra tamin’ny Eksodosy. Ary dia efa nambara tamin’ny resaka momba ny Genesisy fa tamin’ny andron’i Davida sy Salomona no tena niasan’io antokona mpanoratra io.

Anisan’ny nanoratra ampahany tamin’ny Eksodosy koa ny (E [Elohista]), izay nifanarakaraka fotoam-piasana tamin’ny (Y). Toy izany koa ny (P [Mpisorona]) sy (D [Deoteronomista]) izay samy niasa tany amin’ny fahababoana Babyloniana.

Raha aravona dia tsy azo lazaina ho tsy nanoratra mihitsy tamin’ny Eksodosy i Mosesy satria izy no olona fototra (personage principal) iompanan’ny tantara ao. Noho izany dia tokony ho nametraka tahirin-tsoratra (documents) ihany izy saingy tsy vita boky. Dia azo heverina fa izany raki-tsoratra izany, niampy tantara tadidy-vava (tradition orale), no nampiasain’ireo mpanoratra isan-tokony sy natambany tamin’ny fikarohana manokana nataony avy ka nahazoana ny bokin’ny Eksodosy. Tombatomba-kevitra (hypothèse) ihany anefa izany fa tsy azo amarinina ara-tantara velively.

 3 Tabilao fanehoana ara-potokevitra ny bokin’ny Eksodosy

Tantara Ny lalàna
Fanandevozana Fanavotana Fampianarana Fanolorantena Fivavahana
1 – 2 3 – 15: 21 15: 22 – 17 19 – 23 24 – 40
Ny fahoriana mafy nihatra tamin’ny Zanak’ Israely tany Egypta.

Mosesy:

– Ny nahaterahany

– Ny nananganan’

ny zanakavavin’ny Farao azy.

– Ny nihemorany tamin’izany.

– Ny nandosirany tany Midiana.

– Ny nanambadiany

 

(ampitahao Heb 11. 23-27)

Nidina Jehovah namonjy    ny

Zanak’Israely.

T@ alalan’ny ràn’ny zanak’ondrin’ny Paska, t@ loza faha-10  no nanavotany azy ireo, rehefa avy

nofaiziny tamin’ireo loza sivy nifanesy ny Egyptiana.

 

Fanokanana ny Paska ho fetim-piravoravoana lehibe sy mqndrakizay ho an’ny Zanak’Israely

 

Tantara:

– Ny niantsoana an’i Mosesy

– Ny nihaonan’i Mosesy tamin’i Farao

– Ny loza folo sy ny nanafahan’i Jehovah ny Zanak’Israely.

 

Fiainan’i Mosesy:

– 40 taona voalohany:  tao an-dapan’ny Farao;

– 40 taona faharoa:  mpiandry ondry tany Midiana;

– 40 taona fahatelo:

Nanafaka sy nitondra ny Israely teo ambany fitarihan’i Jehovah.

Navelan’i Jehovah niharam-pahoriana tany an’efitra ny Zanak’ Israely mba ho fitaizana sy fampianarana azy hino sy hatoky ary hiankina aminy irery.

Fizahan-toetra:

– Rano mangidin’i Mara (15.22-26)

– Papelika sy mana tany Elima (T 16)

– Loharanom-batolampy tany Refedima  (T 17)

– Ny Amalekita (17:  8-15)

Niaretan’ny ZI:

– Efitra (làlan-tsarotra)

– Hanoanana

– Hetaheta

– Hatrotrahana

 

Tantara manokana:

Jetro rafozan’i Mosesy

(T 18)

 

Ny nanomezan’

Andriamanitra ny Didy 10 ho an’ny Zanak’Israely tany Sinay

(Ampitahao

Jer. 31: 31-34)

 

Anatra tsara sy feno ary lalàna maro samihafa nomen’i Jehovah ny Zanak’Israely sy.

Nodidian’i Jehovah hivavaka aminy irery ny Zanak’ Israely, izay navotany tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana sy ny fanompoan-tsampiny.

 

Didy momba ny fombam-pivavahana sy ny Tabernakely ary ny fanaka momba azy.

 

Didy momba ny mpisorona sy ny asany ary ny fitafiany.

 

Ilay ombilahy kely volamena nataon’ny Zanak’Israely.

 

Ny nanavaozan’i Jehovah ny fanekeny tamin’ny Zanak’

Isiraely

Share

Filoha Synodam-Paritany Antananarivo (SPAnta)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *