Ny HAZOFIJALIANA (Fizarana 2@6)

Ny HAZOFIJALIANA (Fizarana 2@6)
  1. Fomba fanantonana na fanomboana tamin’ny hazo fijaliana

Ny fomba fanao tamin’ny vanimpotoanan’ny fanjakambe (empire) Romana no raisina sy haroso eto. Amin’ny ankapobeny dia teny amin’ny toerana talaky maso, toy ny sisin-dàlana sy sampanan-dàlana ary tampo-kavoana etc…, no nanomboana olona tamin’ny hazofijaliana. Ny anton’izany dia ny mba hahitan’ny mpandalo ny fomba mahatsiravina manjo izay miana-kendry mikomy na manao ratsy amin’ny fitondrana Romana. Saropiaro fatratra tamin’izay noheveriny ho “fandriampahalemana Romana” (Pax Romana) mantsy ny amperoran’i Roma tamin’izany fotoana izany.

Maro samihafa ny fomba nahatsiravina nampiasain’ny Romana ho fanomboana olona tamin’ny hazofijaliana tamin’ny fotoan’androny. Ireto lazaina manaraka ireto ny santionany tamin’izany:

Matetika dia natsatoka nialoha teo amin’ny toerana hanomboana ny hazofijaliana. Rehefa vita ny fitsarana namoahana ny didy famonoana dia nokapohina mafy ilay voaheloka, avy teo nentina am-patorana hohomboana. Tamin’ny alalan’ny tohatra no nampiakarana azy teo amin’ny hazofijaliany.

Indraindray anefa dia ny tsatòka (poteau) lehibe sy lavan’ny hazofijaliana ihany no natsatoka nialoha teo amin’ny toerana nofidina hanomboana. Ny tsivalany (traverse) kosa nasaina nolanjain’ilay voaheloka ho faty nankeny amin’io toerana io. Ny olona nahavita heloka faratampony no nampiharana an’io fomba io. Sarotra tokoa izany satria lehibe sady navesatra ny tsivalan-kazon’ny hazofijaliana, ilay olo-meloka anefa nokapohina mafy mandram-pahalemileminy taorian’ny nitsarana azy. Rehefa tonga teo amin’ny tsatòka (poteau) efa voatsangana dia nakarina tamin’ny tohatra ny tsivalan-kazo (traverse) sy ilay olo-kovonoina ka nofantsihana ny tongony aman-tànany.

Araka ny voalazan’ny mpandinika dia io fomba faharoa io no nampiharin’ny Romana tamin’i Jesosy, izay nampangain’ny Jiosy tamin’ny heloka faratampony ho nikotrika fikomiana tamin’ny Kaisara. Araka ny fitantaran’ny Filazantsara synoptika dia tsy ny tsatòka (traverse) fa ny hazofijaliany mihitsy no nasaina nolanjain’i Jesosy nankeny amin’ny toerana (Gologota/Kalvary) hanomboana Azy. Noho ny kapoka nandrivorivo nampalemilemy an’i Jesosy taorian’ny fitsarana Azy anefa dia tsy lasa lavitra akory Izy nilanja an’io hazofijaliany io ka i Simona Kyreniana (avy tany Kyrena, Afrika avaratra) no noterena nitondra azy (Mat 27: 32; Mar 15: 2; Lio 23: 26). Araka ny Filazantsara fahefatra kosa dia soritin’i Jaona fa Jesosy tenany no nitondra ny hazofijaliany mandra-pahatonga teo an-tampon’i Kalvary/Gologota (Jao 19: 17).

Marihina fa tsy mitovy be ihany ny hevitry ny mpandinika mikasika an’io “hazofijaliana” nampitondraina an’i Simona Kyreniana io (araka ny synoptika), na koa nolanjain’i Jesosy tenany (araka ny Jaona).

– Misy mihevitra fa ny hazofijaliana manontolo (ny hazo lava [poteau] sy ny tsivalany [traverse]) izany. Izay no voalazan’ny Filazantsara efatra, hoy izy ireo, ka tokony ekena tsy iadian-kevitra.

– Ny sasany kosa milaza fa ny tsivalana (traverse) ihany, araka ny fanao teo amin’ny Romana, satria samy lehibe daholo na ilay hazolava natao tsatòka  (poteau) na io tsivalany io. Noho izany, hoy izy ireo, dia tsy azo eritreretina ny hahazakan’i Simona Kyreniana azy roa mitambatra; indrindra moa fa i Jesosy, izay zara fa nahajoro noho ny fampijaliana mahatsiravina efa niaretany sy ny rà betsaka efa very taminy.      

Araka ny efa nambara dia fomba roa no nampiasain’ny Romana tamin’ny fanomboana olo-meloka tamin’ny hazofijaliana, dia ny famatorana na koa ny famantsihana ny tongony aman-tànany. Toy izao avy ny fisehon’izany:

Raha maivamaivana, toy ny halatra sy famonoan’olona tsotra etc…, no niapangana an’ilay voaheloka dia nafatotra mafy fotsiny ny tongony aman-tànany. Navela nihantona teo izy mba ho faty tsikelikely vokatry ny hetaheta sy ny hanoanana ary koa ny danik’andro sy ny hatsiaka nifandimby taminy, izay nihanjaka tsy nitafy. Naharitra tokoa ny fialan’ainan’ny olona noho izany ka matetika dia nila ho lanin’ny voromahery sy ny goaika ny vatany ambony vao tapitra ny ainy.  Io anefa no fomba tsotra nampiharin’ny Romana tamin’ny olona noheverina ho tsy dia navesa-keloka loatra.

Raha lehibe sy navesatra kosa ny heloka niapangana ilay hohomboana, indrindra raha heloka ara-pirenena sy fikomiana tamin’ny amperora Romana, -araka ny efa voalaza- dia nofantsihana tamin’ny fantsika rezatra lava ny tongotra aman-tànany. Ny nokerndrena tamin’izany dia ny mba handrenesany fangirifiriana mafy indrindra mandram-pialany aina.

Mahatsiravina tokoa io fomba io satria hain’dry zareo Romana tsara ny nikendry ny faritra hofantsihana mba hampaharitra ny fialan’aina sy hampitombo ny fanaintainana vokatry ny fifandroritan’ny hozatra milanja ny vatana eo amin’ny fantsika. Raha mbola misy hery kely mantsy ilay nohomboana dia ny tongony roa izay voafantsika eo ambony fitehenana kely no mitondra azy; rehefa reraka kosa izy dia miha-malemy ny tongony ka ny tànany mihantona amin’ny fantsika sisa no milanja ny tenany manontolo.

Ity fomba ity no nampiharina tamin’i Jesosy noho Izy nendrikendrehin’ny Jiosy tamin’i Pilato ho nitarika ny vahoaka hikomy tamin’ny Kaisara ka notsaraina ho nanao heloka fara-tampony. Nofantsihana tahaka an’i Jesosy ihany koa ireo jiolahy roalahy niara-voaheloka taminy, izay heverin’ny mpandinika fa Zelota mpikomy rahateo.

(HITOHY)

 

*** Ho hitantsika manaraka @ Fizarana 3@6 ny  « Ny tanambokovoko (hazofijaliana) teo amin’ny finoan’ny firenena jentilisa sasany fahagola » 

*** Tsindrio eto raha te hamerina hamaky ny Fizarana 1@6 ianao

Share

Filoha Synodam-Paritany Antananarivo (SPAnta)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *