Ny HAZOFIJALIANA (Fizarana 4@6)

Ny HAZOFIJALIANA (Fizarana 4@6)
  1. Ny hazofijalian’i Jesosy

Azo lazaina ho mahazendana ihany izany tantaran’ny tanambokovoko/hazofijaliana teo amin’ny fiainan’ny olombelona hatramin’ny fahagola izany. Fa ny tena mahagaga dia ny naneken’Andriamanitra azy io ho fomba sy fitaovana nahatanterahan’i Jesosy Zanany malalany ny fanolorana ny ainy sy nandatsahany ny rany ho avotra fisoloan-keloka antsika mpanota.

Raha tsiahivina fohy ny tantara dia noho ny antony ara-pivavahana no tena niapangan’ny Jiosy an’i Jesosy sy nanamelohany Azy ho faty (Mat 26: 59-66). Noho izany, araka ny fomba Jiosy, dia tokony ho tamin’ny alalan’ny fitoraham-bato no nanatanterahan’izy ireo ny fanamelohana Azy ho faty. Tsy izany anefa no nitranga fa natolotr’izy ireo hotsarain’i Pilato (“préfet” nanjary governora Romana) i Jesosy. Takatr’i Pilato tsara fa olana ara-pivavahana no fototry ny adin’ireo Jiosy ireo tamin’i Jesosy ka tsy te-hiditra lalina tamin’izany izy. Rehefa tsikaritry ny Jiosy anefa fa nikasa hialangalana i Pilato satria nanilika tamin’izy ireo ny famonoana an’i Jesosy (Jao 19: 6) dia navadik’izy ireo tampoka ho fikomiana tamin’ny Kaisara ny fiapangana an’i Jesosy noho Izy nilaza ny tenany ho Mpanjaka (Jao 19: 12). Io fiapangana vaovao io no nahatonga an’i Jesosy nohomboana tamin’ny hazofijaliana fa tsy ilay heloka ara-pivavahana intsony, izay tokony ho nitoraham-bato Azy.

Noho izany dia azo lazaina ho tsy kisendrasendra ny nampiasana ny hazofijaliana namonoana an’i Jesosy fa planina voaoman’Andriamanitra sady efa nambaran’i Jesosy nialoha rahateo (Mat 26: 2; Lio 24: 6-7; ampitahao Jao 18: 32).  Ny anton’izany planina izany dia ny mba hitondran’i Jesosy tamin’ny fahafatesany ny heloka sy ny ozona nihatra tamintsika mpanota satria araka ny efa nambara dia voaozona izay ahantona amin’ny hazo.

Araka ny fanazavana teo aloha dia efa nampiasain’ny jentilisa hatramin’ny fahagola ho famantarana (symbole) ara-panahy mampifandray ny tany sy ny lanitra na koa tohatra hialana amin’ny tany mankany amin’ny paradisan’ny Mpahary ny tanambokovoko. Eritreritra sy nofinofin’olombelona noho ny fananany ilay atao hoe “fanambaran-tenan’Andriamanitra ankapobeny” (revélation générale de Dieu) ao anatiny, izay manosika azy hana-paniriana te-ho afaka amin’ny gejan’ny ratsy eto amin’izao tontolo izao ihany anefa izany. Andriamanitra kosa nanatanteraka izany araka ny sitrapo-pahasoavany tamin’ny alalan’ny nanomboana an’i Jesosy sy nahafatesany tamin’ny hazofijaliana, izay nahafeno tanteraka ny tena hevi-panahy marin’io hazofijaliana io.

Paoly apostoly no namoaka voalohany izany hevi-panahin’ny hazofijalian’i Jesosy izany tamin’ny nilazany azy ho fiasana nahatanterahan’Andriamanitra ny fampihavanana, na ny ety ambonin’ny tany na ny any an-danitra (Kol 1: 20).  Noraisin’ireo Rain’ny Fiangonana -mpandimby ny Ray apostolika- io fampianaran’i Paoly io ka nohamafisin’izy ireo fa ny hazofijalian’i Jesosy Kristy no tetezana mampitohy ny tany sy ny lanitra. Toy izao no fanazavan’izy ireo izany: ilay hazo lava/tsatòka mitsangana (vertical) no mampifandray ny olombelona amin’Andriamanitra Ray; ny tsivalany (horizontal) kosa dia mampifandray ny samy olombelona mino ao amin’i Kristy.

Nitohy sy nivelatra tsikelikely izany fanazavana teolojika momba ny hazofijalian’i Kristy izany ka toy izao no azo amintinana azy:

– Ny rantsana efatry ny hazofijaliana dia manambara ny fiombonan’ny mino eran-tany mihaona sy miray amin’i Kristy eo amin’ny afovoany (point d’intersection).

– Ny tongony mijoro mahitsy (vertical) mitsatoka amin’ny tany dia maneho ny finoana sy fatokian’ny kristiana miorina lali-paka ao amin’Ilay fototra lehibe, dia Jesosy Kristy.

– Ny tsivalana (traverse) manapaka eo antenantenany ambony kosa dia milaza ny fahasoavan’Andriamanitra ao amin’i Jesosy Kristy, izay mandrakotra ny mino sady miantso ny olon-drehetra ho avy handray ny famonjeny ka hialoka amin’ny fahasoavany sy fahamarinany ao amin’ny fiainana mandrakizay ary koa hiaina amin’ny fifankatiavana sy fihavanana.

– Ny tapany ambony amin’ny tsatòka, ambonin’ilay mitsivalana, kosa indray dia manambara ny fanantenana kristiana mitodika mandrakariva amin’Andriamanitra any an-danitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompo, sady maneho koa ny fiandrasana sy ny faharetana amin’ny finoana ao aminy.

Ireo raha lazaina amin’ny ankapobeny ny hevi-panahin’ny hazofijalian’i Jesosy araka ny nanazavan’ny apostoly sy ny teolojiana nifandimby azy. Koa raha mazava amintsika izany dia mazava ao anatintsika koa ny votoatin’ny fiainana sy fanantenana maha-kristiana antsika. Araka izany dia tsy hafa fa marika (symbole) maneho an’i Kristy sy ny famonjeny ny hazofijaliana ka izany no nahatonga azy ho famantarana sarobidy amin’ny fiainana maha-kristiana antsika koa.

Tsara soritina mazava ihany koa fa mariky ny fandresena ny ota sy izao tontolo izao, izay nanehoan’ny devoly ny heriny sy ny haratsiany ny hazofijalian’i Jesosy (Rom 6: 6; Gal 6: 14). Noho izany dia amafisina fa fanehoana ny fiainana sy fahavelomana ao amin’ny Tompo ny hazofijaliana.  Nambaran’ny olo-malazan’ny finoana iray (Bonaventure) aza fa io hazofijalian’i Jesosy io no ilay “Hazon’aina” ka ny Ran’i Jesosy latsaka teo no manome fiainana sy fahasambarana mandrakizay ho an’ny mino.

(HITOHY)

 

*** Ho hitantsika manaraka @ Fizarana 5@6 ny momba ny «  Ny hazofijaliana eo amin’ny fiainana kristiana« 

*** Ireo fizarana teo aloha:

Share

Filoha Synodam-Paritany Antananarivo (SPAnta)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *