Ny HAZOFIJALIANA (Fizarana 5@6)

Ny HAZOFIJALIANA (Fizarana 5@6)
  1. Ny hazofijaliana eo amin’ny fiainana kristiana:

Raha lazaina amin’ny ankapobeny dia tsy hafa fa tondro-zotra ho an’ny fianantsika kristiana ny hazofijalian’i Jesosy. Io, miaraka amin’ny fahazavan’ny Tenin’Andriamanittra izay fiasam-pahasoavan’ny Fanahy Masina, no mitarika antsika amin’ny làlana sy fahamarinana ary fiainana mankamin’ny Ray.

Araka ny filazan’ny mpitoriteny malaza sasany aza dia amin’ny alalan’ny hazofijaliana no itarihan’ny Tompo ny mpanaradia Azy amin’ny famakivakiana izao fiaina-tsarotra sy be fandrika izao. Izany, hoy izy ireo, dia toy ny nitarihan’i Jehovah ny fiainan’ny Zanak’Israely tany an’efitra tamin’ny andry afo sy andry rahona. Noho izany, ny kristiana manaraka amin’ny finoana sy fatokiana ny làlan’ny hazofijalian’i Jesosy, izay tsy hafa fa ny làlan’ny fitiavana sy ny fanoavana ary ny fanetrentena sy fandavantena, dia sady tsy ho azon-doza no tsy ho very an-dàlana satria tsy ho azon’i Satana havilivily. Satana mantsy, na miseho mahay ny zavatra rehetra -hatramin’ny fakana tahaka ny endriky Jesosy- aza, dia tsy mahay mampiasa velively ny hazofijaliana hamitahana antsika fa kosa mandositra azy. Andosiran’i Satana toy izany koa, sady tsy hainy alaina tahaka rahateo, ny holatry ny diam-pantsika aman-defon’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana.

Araka ny tantaran’ny Fiangonana dia tokony ho tany amin’ny voalohandohan’ny taon-jato faha-4 no naharaikitra ny hazofijaliana ho famantarana manokana (symbole exclusif) ho an’ny kristiana. Constantin Lehibe, amperora Romana, no tompon-kevitra tamin’izany, tamin’ny taona 312.

Toy izao izany raha lazaina ankapobeny. Rehefa niandany tamin’ny kristiana io amperora io (satria kristiana i Helène reniny) dia nahita fahitana “hazofijaliana” teny amin’ny rahona, niaraka tamin’ny soratra Latina hoe: “In hoc signo vinces”, izay midika hoe: “Mandrese amin’ny alalan’io famantarana io”. Ankoatra izany dia voalaza fa niseho tamin’i Constantin Lehibe koa Jesosy ka nibaiko azy mba hasiana soratra “XP” avokoa ny apingan’ny miaramilany rehetra. Tsy hafa ireo fa ny litera roa voalohan’ny anaran’i Kristy amin’ny teny Grika (X= K ary P= R [=> KR…]).

Marihina fa mbola nanjaka ny fanenjehana ny kristiana tamin’izany ary i Constantin Lehibe sahirana tamin’ny ady fampiraisana ny fanjakambe (Empire) Romana, izay nizarazara sy niady an-trano. Nino i Constantin fa Jesosy marina no niseho taminy ka nampanao hazofijaliana lehibe nitovy endrika tamin’ny hazofijalian’i Jesosy tokoa izy, ary dia io no nataony fanevan’ny tafiky ny fanjakany.  Notanterahiny an-tsakany sy an-davany ihany koa ilay baiko momba ny fanoratana ny XP tamin’ny apingan’ny miaramilany mba ho famantarana itovizan’izy rehetra.

Ireo faneva sy marika vaovao ireo no nentin’i Constantin niatrika ny adiny ka nahagaga fa nandresy moramora tokoa izy satria toy ny nisy hery lehibe nitarika azy. Vokatra izany dia tonga amperora Romana tokana izy. Fa ny tena zava-dehibe dia namoaka didy avy hatrany izy ho fanafoanana ny fanenjehana ny kristiana. Nandidy koa izy fa izay kristiana nanam-pahaizana dia horaisina ho mpiasam-panjakana ka maro no tonga tompon’andraikitra ambony.

Nanomboka tamin’izany fotoana nandresen’ny fivavahana kristiana izany dia namoaka didy ihany koa i Constantin Lehibe fa foanana tsy azo ampiasaina intsony ao amin’ny fanjakambe Romana ny famonoana olona amin’ny alalan’ny hazofijaliana. Ho setrin’izany kosa dia noraisina sy naraikitra ho faneva sy marika famantarana manokana ho an’ny fivavahana kristiana io hazofijaliana io. Marihina fa efa marika nahafantarana ny maha-kristiana hatramin’ny andro apostolika ny hazofijaliana saingy tamin’izao andron’i Constantin Lehibe izao vao tena natao ofisialy sy oniversaly izany. Natao marika ofisialy ho famantarana an’i Kristy eo anivon’ny samy kristiana eran-tany koa ny “XP”, ka ny “P” atao lava tongotra ary ny “X” kosa araikitra eo amin’ny tongony ambany.

Toy izao izany, araka izay efa fantantsika sy mahazatra antsika ankehitriny:

=> “Chrisme” no anarana teknika fiantsoana an’io mariky ny hazofijaliana mitondra ny “initials”-n’i Kristy io. Nanarakaraka an’io dia niseho tsikelikely ny marika maro samihafa momba ny hazofijaliana ka anisan’ny iray malaza sy be mpampiasa amin’izany ilay ahitana ny Alfa sy Omega teo amin’ny ankavia sy ankavanan’ny tongotry ny P:

Marihina fa eo amin’ny fiainana kristiana dia midika ho fiaretana fizahatoetra sy fitondrana fahoriana noho ny fanarahana sy fanompoana an’i Jesosy Kristy ny hazofijaliana (Mat  10: 38; 16: 24; Mar 8: 34; 10: 21). Marihina ihany koa fa maro sy mivelatra tsara ny fampianarana mikasika ny hazofijalian’i Kristy ao amin’ny Epistily ka i Paoly apostoly no anisan’ny manandratra azy indrindra. Ambarany mihitsy aza fa ny amin’ny hazofijaliana no forotry ny Fialzantsara notoriany sy nampianariny sady anton’ny nahavelomany sy nahafatesany. Araka izany dia i Paoly no manana ny teny malaza indrindra mikasika ny hazofijalian’i Jesosy Kristy, araka ireto santionany vitsivitsy ireto:

– “Fa ny teny ny amin’ny hazofijaliana dia fahadalana amin’izay ho very, fa herin’Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena” (1 Kor 1: 18).

– “Fa izaho, ry rahalahy, raha mbola mitory ny famorana ihany, nahoana aho no mbola enjehina? Dia afaka tokoa ny fahatafintohinana noho ny hazofijaliana” (Gal 5: 11).

– “Na iza na iza te-hiseho ho tsara amin’ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho izao ihany: fandrao henjehina noho ny hazofijalian’i Kristy izy” (Gal 6: 12).

– “Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afatsy ny hazofijalian’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay naha-voahombo izao tontolo izao tamin’ny hazofijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin’izao tontolo izao” (Gal 6: 14).

– “ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin’Andriamanitra noho ny hazofijaliana, izay namonoany ny fandrafiana” (Efes 2: 16).

– “Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin’ny fitomaniana koa ankehitriny, fa fahavalon’ny hazofijalian’i Kristy ireny” (Filp 3 18).

Manampy ireo dia misy teny iray malaza mikasika ny hazofijalian’i Jesosy Kristy koa ao amin’ny Epistily ho an’ny Hebreo 12: 2, izay manao hoe: “Mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazofijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy”.

Araka ny tantara dia nisy ny apostoly maty martiora nohomboana tamin’ny hazofijaliana. Nisy ihany koa kristiana maro natao toy izany tamin’ny vanimpotoanan’ny Fiangonana voalohany izay nanjakan’ny fanenjehana tao amin’ny fanjakambe Romana. Koa dia nisy karazana hazofijaliana samihafa nampiasaina nanatanterahana izany. Santionany amin’izany ireto vitsivitsy tanisaina ireto:

  • Hazofijaliana mitsingoloka:

Nanomboana an’i Petera noho ny fangatahany mba tsy hitovy fahafaty amin’ny Tompony satria tsy mendrika ahy izany, hoy izy.

  • Hazofijaliana miendrika X (crux decussata):

Nanomboana an’i Andrea noho ny antony nitovy tamin’io an’i Petera voalaza io.

  • Hazofijaliana tsotra I (crux simplex):

Nampiasaina tamin’ny andron’i Amperora Néron nanantonana/nanohizana ny kristiana, izay nofonosina gony/lamba matevina norarahana menaka (résine) ka nampirehetina ho fanazavana ny zaridainan’io Kaisara lian-dra io.

  • Hazofijaliaja miendrika T renisoratra (crux commissa):

Nanomboana an’i (St) Antoine, izay monka (moine) kristiana voalohany niasa tany Alexandrie (Egypta). Voantso niara-niasa tamin’i Athanase hanohitra ny fampianaran-dison’ny Arianisma izy io.

  • Hazofijaliana miendrika zanatsoratra na “poignard” t (hazofijaliana Latina [crux immissa]):

Mitovy amin’ny hazofijalian’i Jesosy; nampiasaina nanomboana kristiana maro talohan’ny nanafoanan’i Contantin Lehibe ny fanenjehana sy ny famonoana olona tamin’ny hazofijaliana.

(HITOHY)

 

*** Ho hitantsika manaraka @ Fizarana 6@6 farany ny «  Fehiny sy Hafatra » 

*** Ireo fizarana teo aloha:

Share

Filoha Synodam-Paritany Antananarivo (SPAnta)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *