Ny Bokin’ny Genesisy na Fiandohana

Ny Bokin'ny Genesisy na Fiandohana

1 Fanazavana ankapobeny

Tamin’ny voalohany dia tsy boky nitokana nahaleotena ny Genesisy fa nirafitra tamin’ilay fitambaram-boky dimy ataon’ny Jiosy hoe « Ny Lalàna » (Torah). Taty aoriana anefa, rehefa nadika tamin’ny teny Grika ny Baiboly (LXX [Septante]), dia nozaraina ho boky 5 io fitambaram-boky io ka nahazoana ny: Genesisy, Eksodosy, Levitikosy, Nomery, Deotoronomia, izay nomena anara-tambatra hoe « Pentatioka » (boky dimy [penta = dimy; tioka = boky]).

“Fiandohana” no dikan’ny hoe “Genesisy”. Sady anaran’ny boky io no fotokeviny ankapobeny koa satria ny fiandohan’ny lanitra sy ny tany ary ny olombelona mbamin’ny niandohan’ny firenen’ny Isiraely no tantaraina ao.

Araka izany dia ireto no zava-dehibe voalaza ao amin’ny Genesisy: Jehovah Andriamanitra fa tsy andriamani-kafa no nahary ny lanitra sy ny tany. Izy koa no fototry ny aina rehetra aty ambonin’ny tany, na ny ain’ny olombelona na ny ain’ny biby na koa ny ain’ny zava-bohary (miaina ny zava-bohary) etc…

Tsara soritina ireo satria io maha-Mpamorona/Mpahary an’Andriamanitra io no anisan’ny mahazo tsikera be indrindra avy amin’ny mpahay siansa sy filozofa sasany. Ho fanoherana ny maha-Mpahary an’Andriamanitra aza dia nanangana teoria samihafa momba ny fiandohana (théorie des origines) ny manam-pahaizana sasany. Santionany amin’izany ireto: Teorian’ny fivoarana (Theorie de l’évolution), “Theorie de Bing Bang”, Teorian’ny fahabangana (theorie de lacune/ Gap theory) . Samy tsy nahafapo anefa ireo sy ny karaza-teoria hafa ka dia mipetraka ho hevitra fotsiny ihany, araka ny maha-teoria azy.

Na toy inona na toy inona àry fivoaran’ny siansa sy teknolojia eto an-tany dia tsy mbola misy olombelona nahita hevitra hafa momba ny niavian’ny aina ankoatra an’Andriamanitra; sady tsy mbola nisy rahateo nahaforona aina hatramin’izao.

Ambaran’ny Genesisy koa ny niandohan’ny ota tamin’izao tontolo izao sy izay nahatonga ny olombelona ho tompon’andraikitra tamin’izany. Ary dia aharihariny mazava ny voka-dratsin’ny fahotana amin’ny fiainantsika olombelona sy ny zava-boahary, indrindra eo amin’ny fifandraisan’ny olombelona amin’Andriamanitra (Gen 3-4). Voalaza ihany koa ny nitomboan’ny taranak’olombelona tanaty faharatsiana izay niafara tamin’ny fandringanan’Andriamanitra azy tamin’ny safodrano ka ry Noa 8 mianaka ihany no namindrany fo (Gen 6 etc…)

Ankoatra izany dia voasoritra ao amin’ny Genesisy ihany koa ny niandohan’ny firenen-tsamy hafa sy ny fiteny samy hafa vokatry ny nampielezan’Andriamanitra ny olombelona nanerana ny tany noho ny nanaovany ny tilikambon’i Babela, izay nokendreny hahatakatra ny lanitra ny hahavony (Gen 11).

Marihina anefa fa ny ampahany betsaka ao amin’ny Genesisy dia voatokana ho fitantarana ny fiandohana sy fivelaran’ny firenen’ny Israely. Noforonin’Andriamanitra sy nofidiany ary nanaovany fanekena tamin’ny alalan’i Abrahama io firenena io (Gen 12 etc…) ka navahany sy nosarahiny tamin’ny hafa rehetra ary natokany ho firenena masina ho Azy. Raha lazaina amin’ny teny fohy sy tsotra ny antony lehibe sy fototra nifidianan’Andriamanitra ny Zanak’Isiraely dia tsy hafa fa ny mba ho mpitahiry ny teny fikasany ho fitahiana sy famonjena ny firenena rehetra.

Araka izany dia mazava tokoa ny maha-“FIANDOHANA” ny bokin’ny Genesisy. Toy izao no votoatin’ny tantara voarakitra ao amin’io boky io raha lazaina amin’ny fehezanteny tokana: Miatomboka amin’ny namoronan’Andriamanitra izao tontolo izao; mandalo amin’ny niantsoana an’i Abrahama ary mifarana amin’ny nahafatesan’i Jakoba sy Josefa zanany tany Egypta.

2 Ny mpanoratra ny Genesisy

Araka ny hevitry ny jiosy sy ny teolojiana kristiana sasany dia Mosesy no nanoratra ny Genesisy manontolo kanefa taty aoriana dia nolavin’ny mpandinika maro izany. Rehefa nataon’ny manam-pahaizana amin’ny TT mantsy ny fikarohana momba ny tantara sy loharano nahazoana ity boky ity dia hitan’izy ireo fa olon-kafa tsy mitonona anarana na koa andian’olona (groupes) samy hafa no nanoratra azy.

Nilaza koa ireo mpikaroka ireo fa tokony ho tamin’ny vanimpotoanan’ny fahababoana tany Babylona (taonjato faha-6 BC [Talohan’i Kristy]) fa tsy tamin’ny andron’i Mosesy velively (taonjato faha-13 BC) no tokony ho naha-voasoratra feno ny bokin’ny Genesisy. Ambaran’izy ireo ihany koa fa tokony ho nandritra ny vanimpotoana lava no naharetan’ny fanoratana sy fanangonana azy io ka tsy ho vita tamin’ny androm-pianan’olona iray.

Araka ny fikarohana nataon’ny manam-pahaizana momba ny TT àry dia antokona mpanoratra 4 na loharano 4 no nahazoana ny bokin’ny Genesisy. Ireto avy izy ireo:

(1) Ny antoko Yahvista: Ity antoko ity no tranainy indrindra tamin’ireo mpanoratra ny Genesisy. Ny litera (Y), araka ny fiandohan’ny anarany, no famantarana azy ireo manokana. Ny fampiasan’izy ireo ny anarana “Yahveh” (YHWH =>Jehovah) ho fiantsoana an’Andriamanitra no ahafantarana ny asa soratr’izy ireo ao amin’ny bokin’ny Genesisy sy antony niantsoana azy ireo hoe “Yahvista”. Marihina fa ny hoe “YHWH”/Yahveh/Jehovah, izay midika hoe “IZAHO IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY” (Eks 3: 14) dia anaran-tsamirerin’Andriamanitra (nom propre/nom générique de Dieu). Araka ny hevitry ny mpandinika sasany dia tokony ho tamin’ny andron’i Davida sy Solomona no nanomboka nanoratra momba ny Genesisy ireto mpanoratra Yahvista ireto.

(2) Ny antoko Elohista: Ity no antoko-na mpanoratra nanarakaraka ny Yahvista. Natao hoe “Elohista” izy ireo satria ny fampiasana ny anarana “Elohim” (pluriel-n’ny “El”) ho fiantsoana an’Andriamanitra no nanavanana azy sy nampiavaka ny asa sorany ao amin’ny Genesisy. Afohezina amin’ny litera (E) ny anaran’ity antoko-na mpanoratra ity, sady io litera io rahateo koa no marika famantarana azy ireo manokana. Ny hoe “Elohim” dia anarana ankapobeny fiantsoana an’Andriamanitra amin’ny Teny Hebreo. Voalazan’ny mpikaroka sasany fa tokony ho tamin’ny fotoana nanjakan’i Solomona ihany koa no nanomboka nanoratra ireo Elohista ireo.

(3) Ny Deoteronomista: Araka izany anarany izany dia ity antoko-na mpanoratra ity no nanoratra ny Deoteronomia, izay anisan’ny bokin-dalàna ao amin’ny TT. Ny litera (D) no fanafohezana ny anaran’ity fikambana-mpanoratra ity sady marika famantarana azy manokana rahateo. Voalazan’ny mpandinika tranainy sasantsasny fa toa nanoratra ampahany kely tamin’ny Genesisy koa ity (D) ity. Araka ny fikarohana nataon’ny mpandinika sasany taty aoriana anefa dia hita fa toa tsy nandray anjara velively tami’izany izy ireo. Raha ny marina dia ny fanoratana tantara no tena nanavanana an’ireo Deoteronomista ireo ka ankoatra ny Deoteronomia dia voalazan’ny mpikaroak fa izy ireo no nanoratra ny Josoa-2 Mpanjaka (tsy ao anatiny ny Rota).

(4) Ny Mpisorona na “Prêtre”: Ity antoko-na mpanoratra ity no zandriny indrindra tamin’ireo nanoratra momba ny Genesisy. Araka io anarana entiny io dia mpisorona izy ireo. Ny litera (P), izay fiandohan’ny teny frantsay hoe “Prêtre” no fanafohezana ny anaran’ity antoko ity sady marika manokana ahafantarana azy. Araka ny hevitry ny manampahaizana momba ny TT dia tany amin’ny fahababoana Babyloniana no tokony ho nanoratan’ireto mpanoratra ireto. Izy ireo koa no voalazan’ny mpandinika sasany fa nanambatra ny asa soratra rehetra vitan’ny mpanoratra talohany ka nahazoana ny Genesisy manontolo. Araka ny hevitry ny maro dia nokendrena ho fitaizam-pinoana sy fanabeazana ara-tSoratra Masina ho an’ny Zanak’Israely babo tany Babylona ny asa soratr’izy ireo, ka anisan’izany indrindra ny Genesisy.

Araka ireo rehetra voalazan’ny mpandinika ireo dia hita tokoa fa antokon’olona samihafa tsy misy ifandraisany tamin’i Mosesy sady velona tamina vanimpotoana samihafa nifanelanelana an-taonany maro na an-jato taona mihitsy no nanoratra ny bokin’ny Genesisy. Tsy nisy nitonona anarana mivantana kosa anefa izy ireo fa namela asa-soratra fotsiny. Noho izany, rehefa nanangona ny asa soratr’izy ireo ny teolojiana Hebreo (Jiosy), ka nanambatra izany ho boky iray, dia i Mosesy no natsangany ho mpanoratra. Ny antony dia satria i Mosesy no nalaza sy lehibe indrindra teo amin’ny Zanak’Isiraely noho izy hany olona tokana nahatazona sy nahatanteraka an-tsakany sy an-davany ny andraikitra telo lehibe  nankinin’Andriamanitra taminy. Izy tokoa mantsy no mpitarika lehibe indrindra sy mpaminany lehibe indrindra ary koa mpanao lalàna lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny Zanak’Isiraely.

3 Tabilao fanehoana ara-potokevitra ny Genesisy

1: 1-25 1: 262: 3

+ 2: 125

3: 1-9 3:11-24 4: 1-15 4:16-22 6 – 10 11 12 – 50
Fiando- han’izao tontolo izao (cf Is. 45:18 sy 2 Pet 3:5-6).

 

=>Andria-manitra irery no mpahary

(Andriana-nahary)

Fiando-han’ny olombelona

 

Noforonin’

Andriama-nitra avy t@ tany ny olombelona dia novelo-miny t@ ainy (fofon’ ainy) fa tsy mba noha-riany avy t@ tsy misy toy ny zavabohary hafa.

Edena: zaridaina na tany lonaka

Adama: tany

Eva: aina

Fiandohan’ny ota.

Antony: Tsy fan-katoavana ny tenin’ Andria-manitra.

=>Eva: nisalasala ka mora tamin’ny menarana (fiasan’ny devoly) ny nandavo azy t@fakam-panahy: naka sy nihinana izy dia nomeny koa ny vadiny.

Sazy noho  ny fahotana sy fiando-han’ny teny fikasana momba ny famonjena.

 

=> 3: 15: Filazana voalohany momba ny fikasa-pamonjena (Filazan-tsara voa-lohany [proto-évangile]).

 

Fiando-han’ny fianaka-viana.

 

Fanatitra:

Fombam-pivavahana nahatonga ny adim-pianaka-viana voa-lohany indrindra (Kaina sy Abela).

Fiando-han’ny fahendrena sy fandro-soan’ny olombelo-na voalo-hany.

 

NB: Kaina mpamono olona no nanorina ny tanàna nalaza voalohany teto an-tany (4.17)

 

4: 25-26 Fahatera-han’i Seta ho solon’i Abela (tsara)

Tantaran’i Noa sy ny safodrano.

 

Fiando-han’ny taranak’

Olombe-lona vaovao avy tamin’

ny taranaky Noa.

Fiando-han’ny fiteny samihafa sy    ny nielezan’ ny olom-belona taoria’ ny nandravan’Andria-manitra ny tilika-mbon’i Babela.

 

Nota:  Ny firaisana tsy araka ny hevitr’ Andriama-nitra dia manjary fisarahana.

Tantaran’ny Patriarka: Abrahama, Isaka, Jakoba. => 300 taona mahery no tantaraina.

 

=>Ny Faneken’ Andriamanitra t@ alalan’i Abrahama.

 

=>Fiandohan’ny firenen’ny Israely.

 

Fanampiny:

tantaran’i Josefa.

======

 

Patriaka: (Patri=Père)

lehilahy tsy refesi-mandidy mitondra ny fianakavimbeny.

Share

Filoha Synodam-Paritany Antananarivo (SPAnta)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *