Ny PASIONAN’I JESOSY sy ny FITSANGANANY, ARAKA NY JAONA 18 – 20 (Fizarana 5)

Ny PASIONAN’I JESOSY sy ny FITSANGANANY, ARAKA NY JAONA 18 – 20 (Fizarana 5)
  1. Ny nandevenana an’i Jesosy (Jaona19:38-42)

Araka ny fomban’ny Romana dia matetika tsy olo-tokana fa vitsivitsy na koa maro -indraindray aza mahatratra an-jatony- no miara homboana amin’ny hazo fijaliana. Ary dia saika amin’ny toerana talaky maso (amoron-dàlana) mandrakariva, izay fandalovam-bahoaka no nanatsatohana ny hazofijaliana mba ho hitan’ny rehetra sy andraisan’ny tsirairay lesona, raha nisy nikasa hanohintoina ny fahefana Romana. Rehefa maty ny voaombo dia azon’ny havany na olo-pantany nangatahina mba halevina. Matetika anefa dia tsy misy sahy mitonona ho havan’ilay voaheloka ho faty noho ny tahotra sao ho voarohiroy amin’ny zavatra tsy ampoizina ka hanaraka koa ny aina.

Noho izany dia navelan’ny Romana hohanin’ny voromanidina teny ny nofon’ireo voahombo tsy nisy mpaka. Rehefa afaka andro vitsivitsy na maromaro vao nesorin-dry zareo ary dia nalevina tamin’ny lavaka lehibe iray (fosse commune) tany amin’ny toerana lavitry ny tanàna. Tokony ho izay no nihatra tamin’ny fatin’i Jesosy satria ny mpianany efa niparitaka noho ny tahotra ny Romana. Ny fianakaviany koa (rahalahiny sy anabaviny) sady tsy mbola nino Azy tanteraka no natahotra tahaka ny olon-drehetra ka tsy ho sahy hidi-bingo. Jaona (apostoly) sy Maria reniny no mba hany niandry teo am-pototry ny hazofijalian’i Jesosy hatramin’ny farany kanefa inona moa no azon’izy ireo natao?

Izay ilay efa voalaza amin’ny Isaia 53: 9 hoe: “Nokasainy hatao tao amin’ny olo-mahantra ny fasany (fosse commune) nefa teo amin’ny mpanankarena (manampahefana Jiosy sy Romana) Izy rehefa novonoina”. Soa ihany fa nisy an’i Josefa avy tany Arimatia, izay sahy nangataka ny fatin’i Jesosy tamin’i Pilato mba halevina. Teo koa i Nikodemosy, izay nitondra ny miora sy hazo manitra voaharoharo hanosorana ny fatin’i Jesosy, arak any fomba Jiosy, mialoha ny handevenana Azy.

Araka ny Filazantsara synoptoka dia i Josefa irery no tonga tao amin’ny Pilato sy nikarakara manontolo ny fatin’i Jesosy, hatreo amin’ny fanosorana sy famonosana lamba ka hatramin’ny fandevenana Azy. Jaona kosa anefa eto dia milaza mazava tsara fa i Josefa sy Nikodemosy, izay samy mpianatry Jesosy tao amin’ny mangingina, no niara-nandray andraikitra farany taminy.

Josefa

Arimatia no tanindrazany. Tanàna iray tany amin’ny faritra avon’ny Efraima izy io ary tokony ho 35 km tany avaratra andrefan’i Jerosalema. Heverin’ny mpandinika fa tokony ho io Armatia io no Rama na Ramataima tanànan’i Samoela mpaminany (1 Sam 1: 1). Araka ny voalazan’ny Synoptika dia anisan’ny mambran’ny Synedriona (tribonaly Jiosy) i Josefa. Tsy ambaran’i Jaona anefa izany fa ny maha-mpianatry Jesosy azy tamin’ny mangingina kosa no tsindriany. Izany hoe, nanaiky ny fampianaran’i Jesosy i Josefa sady nino Azy ho Kristy zanak’Andriamanitra sy Mpamonjy saingy tsy niseho am-pahabehimaso tahaka ny apostoly fa niafinafina noho ny tahotra ny Jiosy. Voalazan’ny tantara ihany koa fa nanankarena i Josefa sady olon-kendry ka naha-menamaso ny Jiosy sy nohajainy. Ary dia izany koa aza no tsy nampisy olana ny fangatahiny tamin’i Pilato ny fatin’i Jesosy.

Araka ny voalazan’i Matio (irery) dia an’i Josefa tenany ilay saha sy ilay fasana vaovao nandevenany an’i Jesosy. Jaona kosa anefa dia mionona ihany amin’ny fanambarana ankapobeny fa nisy fasana sy saha tsy mbola nandevenana teo akaikin’ilay toerana nanomboana an’i Jesosy ka teo Izy no nalevin’i Josefa. Somary niteraka olana kely tamin’ny mpandinika izany filazan’i Jaona izany satria nampametra-panontaniana manahirana hoe: “Raha tsy an’i Josefa ny saha sy ny fasana, nahoana no naleviny tao ny fatin’i Jesosy?” Marihina mantsy fa sarotiny fatratra tamin’ny fasany, tahaka antsika Malagasy, ny jiosy ka heloka be vava izany mampiasa fasan’olona tsy an-kiera izany.

Izao no azo aroso ho vahaolana momba izany: mety ho fantatry Jaona ihany ny maha an’i Josefa an’ilay saha sy fasana saingy tsy azony antoka ny fahamarinany ka naleony nanao filazana ankapobeny fotsiny. Mpanankarena mantsy i Josefa ka na dia mpiavy aza izy dia tsy olana taminy ny nividy saha sy nanao fasana ho azy tany Jerosalema. Voalazan’i Jaona fa andro fiomanan’ny Jiosy tamin’ny fihinanana ny Paska io nahafatesan’i Jesosy io. Raha ny marina aza dia efa an-tomotra tokoa izany satria araka ny lalàna dia nanomboka tamin’ny 6 ora tamin’io Zoma io no fikarakarana sy fihinanana ny pasaka Jiosy. Jesosy anefa fotoana fohy dia fohy talohan’io ora io no maty sy nesorina tamin’ny hazofijaliana. Araka ny lalàna ihany koa dia tsy mahazo manao asa na na inona na inona intsony ny jiosy manomboka amin’io 6 oran’ny Zoma io.

Noho izany fahamehana izany dia natao faran’izay haingana ny fikarakarana ny fatin’i Jesosy, dia nampidirina avy hatrany tamin’izay fasana akaiky teo satria tsy misy fotoana nitondrana azy tamin’ny toera-kafa intsony. Mazava ho azy fa tsy nisy rahateo koa ny fotoana nahazoana nanao fasana manokana ho Azy. Araka izany dia ambaran’ny mpandinika fa azo heverina ho vonjimaika ihany ny nametrahan’i Josefa ny fatin’i Jesosy tao amin’ilay fasana ka rehefa vita ny Paska Jiosy dia nety ho nikasa hanao fasana manokana hamindrany ny fatin’i Jesosy izy. Kanjo ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty no nialoha ny fikasan’i Josefa.

Nikodemosy

Voalazan’i Jaona fa mpianatry Jesosy tamin’ny mangingina koa -indrindra tamin’ny alina- ity Nikodemosy ity (Jaona 3). Ara-tantara dia Fariseo izy ary lehilahy nanankarena sy to-teny teo amin’ny jiosy ihany koa. Tahaka an’i Josefa dia mambran’ny Synedriona koa i Nikodemosy ka azo hevernina fa nifankahalala tsara izy roalahy. Noho izany dia tsy kisendrasendra no nahatongavany teo amin’ny toerana nanomboana an’i Jesosy fa efa fotoana nifanomezan’izy roa lahy izany. Mety ho efa nifampizaran’izy ireo koa aza ny andraikitra ka i Josefa hangataka ny fatin’i Jesosy tamin’i Pilato sy hiantoka ny fasana handevenana Azy fa i Nikodemosy kosa hiantoka ny zava-manitra hanosorana ny fatin’ny Tompo sy ny lamba hamonosana Azy. Voalazan’i Jaona fa miora sy hazo manitra (aloes = vahona) nafangaro tokony ho 100 livatra (livres) no nentin’i Nikodemosy. Sarobidy tokoa io karazana zava-manitra io, izay voatokana ho fanosorana ny faty lena. Raha atao ny kajy tsotsotra dia tokony ho 30kg mahery teo ho eo ny lanjan’io zava-manitra natokan’i Nikodemosy ho an’ny fatin’i Jesosy io, satria ny 1 livatra dia sahabo ho 327,5 grama. Ny tsara marihina dia lanja-java-manitra tandrify ny fatin’ny mpanjaka io 30 kg mahery io ka dia midika izany fa neken’i Nekodemosy sy ninoany tokoa ny naha-Mpanjaka na naha-Kristy an’i Jesosy. Nilaina tokoa ny zava-manitra tamin’izany fotoana izany satria sady fanajana ilay maty no fiarovana ihany koa ny faty tsy halaky simba. Marihina anefa fa samy hafa tanteraka amin’ny fomba fanaovana ny “mommie” Egyptiana io fomba Jiosy io.

Marihina ihany koa fa toa tsy dia nieritreritra loatra ny hitsaanganan’i Jesosy amin’ny maty i Nekodemosy matoa nisahirana fatratra toy izany tamin’ny fikarakarana ny fatiny mba ho ela vao ho lò. Tsy mahagaga izany satria voalazan’ny Filazantsara fa na ireo apostoly aza dia tsy nisy nahatsiaro ny tenin’i Jesosy momba ny hitsanganany amin’ny maty amin’ny andro fahatelon’ny ahafatesany.

Ny amin’ity andro fahatelo ity, izay ametrahan’ny antokom-pivavahana sasany olana sy ilan’izy ireo vaniny, dia tsotra ihany ny fanazavana azy: tsy andro 3 kaontiana amin’ny 24 ora isany no nolazain’i Jesosy fa andro 3 araka ny filaharany hoe Zoma sy Sabotsy ary Alahady, izay andro voalohany amin’ny herinandro. Araka izany dia maty sy nalevina ny andro Zoma Jesosy; dia tao am-pasana ny Sabotsy; ary nitsangana tamin’ny maty ny Alahady maraina be. Ka inona no tsy maha-andro faha-telo ny Alahady amin’izany?

Ny famonosana ny fatin’i Jesosy

Azo antoka fa lamba sarobidy sy ampy tsara tamin’ny refiny no nentin’i Nikodemosy namonosana ny fatin’i Jesosy. Araka ny fanao dia nosorany ilay menaka manitra aloha ny faty vao nofonosiny. Toy izao ny fomba famonosana faty teo amin’ny Jiosy: tsy nofonosina ankapobeny toy ny fanaontsika fa nodidiana lavalava (bandelettes) ny lamba ka nahodidina ny faty natao nifanindry sy natevina tsara. Nandany fotoana anefa izany ka noho ny fahamehana dia mety tsy nahavita io famonosana ara-pomba Jiosy io tamin’ny fatin’i Jesosy i Josefa sy Nikodemosy. Noho izany dia tokony ho nofonosiny tsotra ihany araka ny filazan’i Jaona azy.

Marihina fa tsy asian’i Jaona teny ny amin’ny vatobe voaisy tombokasen’i Pilato, izay nanidiana ny fasan’i Jesosy. Tsy resahiny koa ny momba ny miaramila Romana napetraka hiambina teo. Ny azo heverina ho antony dia satria ny faharatsiam-panahin’ny Jiosy tamin’i Jesosy sy ny mpianany no nahatonga an’i Pilato nanaiky nanao izany ka tsy tian’i Jaona hasian-teny.

Na dia efa nambara aza fa hatreo amin’ny nandevenana Azy ihany no fitantarana ny Pasionan’i Jesosy dia tsara ihany raha hasia-teny fohifoy ny amin’ny nitsanganany tamin’ny maty. Toy izao izany raha resahina ankapobeny.

 

(HITOHY)

 

*** Sangan’asan’ilay mpanao hosodoko Antonio Ciseri ny sary nandravahana

*** Ireo Fizarana teo aloha :

Fizarana 1 : « Fanazavana ankapobeny sy ny nisamborana an’i Jesosy »

Fizarana 2 : « Ny Fitsarana an’i Jesosy : Ny nitsaran’i Mpisoronabe an’i Jesosy »

Fizarana 3 : « Ny Fitsarana an’i Jesosy : Ny nitsaran’i Pilato an’i Jesosy »

Fizarana 4 : « Ny nanomboana an’i Jesosy tamin’ny hazofijaliana »

*** « Ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty» no harahintsika @ Fizarana 6

 

 

Share

Filoha Synodam-Paritany Antananarivo (SPAnta)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *