Ny PASIONAN’I JESOSY sy ny FITSANGANANY, ARAKA NY JAONA 18 – 20 (Fizarana 2)

Ny PASIONAN’I JESOSY sy ny FITSANGANANY, ARAKA NY JAONA 18 – 20 (Fizarana 2)
  1. Ny fitsarana an’i Jesosy

Araka ny efa fantatsika dia nandalo ambaratonga roa ny fitsarana an’i Jesosy: (1) Ny nitsaran’ny Mpisoronabe Azy, izay notanterahina ny alin’ny Alakamisy; (2) Ny nitsaran’i Pilato Azy, izay natao ny Zoma maraina hatramin’ny atoandro. Toy izao avy ny fizotran’ireo ambaratongam-pitsarana ireo raha hazavaina tsotra sy ankapobeny.

  1. 1. Ny nitsaran’ny Mpisoronabe an’i Jesosy (Jao 18: 12-27)

Araka ny hita ao amin’ny Filazantsara 4 dia toa nisy 2 ny Mpisoronabe tany Jerosalema tamin’ity nisamborana sy nitsarana an’i Jesosy ity. Tsy iza izy ireo fa i Anasy sy Kaiafa, izay samy nandray andraikitra nitsara an’i Jesosy avokoa.

  1. 1. 1 Fitsaran’i Anasy (Jao 18: 12-23)
  2. 1. 1. 1 Fanazavana

Marihina fa ao amin’ny Filzantsara fahefatra ihany no ahitana ny fitantarana ny amin’ity nitsaran’i Anasy an’i Jesosy ity. Araka ny voalaza ao amin’ny Lioka 3: 2 dia Mpisoronabe niaraka tamin’i Kaiafa, izay vinantony (Jao 18: 13) sady Mpisoronabe am-perin’asa tamin’izany fotoana izany (Jao 11: 51) io Anasy io. Miteraka olana anefa izany satria araka ny lalàna sy rafitra dia tsy maintsy tokana ihany ny Mpisoronabe tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Noho izany dia sarotra ny mihevitra an’ireo olona roa ireo ho samy mpisoronabe nitovy fahefana sy andraikitra.

Koa dia izao no azo anazavana azy tsotsotra: Anasy no Mpisoronabe tamin’ny 6-15 AD saingy naongan’i Valerius Gratus, governora Romana, tamin’ny andraikiny izy. Kaiafa vinantony no notendreny nandimby azy nanomboka tamin’io taona 15 AD io ka hatramin’izao nitsarana an’i Jesosy izao. Najain’ny Jiosy fatratra noho ny fahendreny sy ny traikefany anefa i Anasy ka na dia tsy teo amin’ny toerany intsony aza izy dia tsy nesorina taminy ny titra naha-Mpisoronabe azy fa natao karazana Mpisoronabem-boninahitra (grand prêtre d’honneur). Izany no antony nampandalovana ny raharaha lehibe toy ny fitsarana an’i Jesosy teo anatrehany aloha vao nalefa tany amin’ny Kaiafa Mpisoronabe am-perin’asa.

Tamin’ny lafiny hafa koa anefa dia mifono hevitra somary fetsifetsy avy tamin’ny Kaiafa ihany ny fandefasana an’i Jesosy hotsarain’i Anasy aloha. Tsy inona izany fa filana sitraka tamin’ny rafozany satria tokony ho ny zanaka lahin’i Anasy no ho Mpisoronabe nadimby azy fa tsy izy vinanto velively. Ankoatra izany dia nihevitra i Kaiafa fa noho ny traikefan’i Anasy sy ny fahaizany mamandrika olona amin’ny fakana am-bavany dia mety hahita tetika azo antoka kokoa hahazoana manameloka an’i Jesosy ho faty izy.

  1. 1. 1. 2 Ny endri-pitsaran’i Anasy an’i Jesosy

Tsy nisy afatsy ny fanontaniana Azy mikasika ny fampianarany sy ny mpianany no famotorana nataon’i Anasy sy ny namany tamin’i Jesosy (Jao 18: 19). Tsy fanontaniana noho ny fahalianana ta-hahalala zavatra fotsiny anefa izany fa mifono fandrika mety ahazoana manameloka ho faty an’i Jesosy.

Toy izao izany fandrika izany:

– Ny valintenin’i Jesosy momba ny mpianany no hahalalan’ny Anasy raha toa ka Raby tsotra, tahaka ny Raby Jiosy rehetra Izy, izay tsy mikendry afa-tsy fanangonana mpianatra hanaraka sy hampiely ny foto-kevi-pampianarany fotsiny ihany.

– Ny valin-tenin’i Jesosy momba ny fampianaran’Izy tenany kosa no hahafantaran’i Anasy raha toa ka hilaza tena ho Mesia na Kristy zanak’Andriamanitra Izy.

Raha hita fa raby tsotra Jesosy dia tsy misy antony hamonoana azy fa rahonana sy faizina fotsiny Izy dia alefa handeha. Raha toa ka milaza-tena ho Mesia Zanak’ Andriamanitra kosa Izy dia mendrika ho faty satria manao “blasfemia”.

Takatry Jesosy anefa izany fandriky ny fanontanian’i Anasy izany ka dia valinteny fandrika ihany koa no nasetriny azy hoe: “Izaho nampianatra niharihary sy mandrakariva tamin’ny synagoga sy teo an-kianjan’ny tempoly…ireo nihaino/nandre no anontanio izay nolazaiko taminy; fa ireo no mahalala izay nolazaiko” (Jao 18: 20-21).

Izao no maha-fandrika izany:

– Tokony ho anisan’ny nandre niaraka tamin’ny vahoaka Jiosy ny fampianaran’i Jesosy i Anasy sy ny mpitsara namany ka na ny vahoaka no hamaly ny fanontanian’izy ireo na izy ireo tenany ihany.

– Noho izy ireo anisan’ny nandre ny fampianaran’i Jesosy dia vavolombelona tsy ho afa-miala ny amin’izany izy ireo.

– Mahagaga ny fanontanian’dry Anasy sy ny namany ny amin’ny fampianaran’i Jesosy satria ny ankamaroan’ny vahoaka tsotra nandre dia nahazo azy tsara sy nankalaza an’ Andriamanitra ka nahoana izy ireo, izay mpampianatra lehibe indray mody tsy mahazo?

Vokatry ny valin-tenin’i Jesosy dia tsy mba fandinihanten’i Anasy sy ireo mpanampy azy no azony fa teha-maina avy tamin’ny mpiandry raharaha (greffier?) iray. Midika anefa izany fa nahatsiaro ho voatsindrona tamin’ny feon’ny fieritreretany ihany izy ireo.

Amin’ny lafiny iray koa dia noheverin’ilay namely teha-maina sy ny namany ho naniratsira ny fahefan’ny Mpisoronabe Jesosy. Fomban’izay rehetra notsarain’ny Mpisoronabe tamin’izany fotoana izany mantsy ny mipitrapitra sy manetry tena lalina mba hahazoana fangorahana sy famindrampo. Tsy mba nahitana ireo fihetsika ireo anefa tamin’i Jesosy ka izany no nahatezitra an’ilay mpiandry raharaha, izay zatra nahita ny voapanga nangorohoro teo anatrehan’ny Mpisoronabe.

Rehefa tsy nahazo fahafaham-po tamin’ny fakany am-bavany an’i Jesosy i Anasy dia nasainy nalefa hotsarain’i Kaiafa sy ny Synedriona Izy.  Voalaza fa tamim-patorana no nitondrana an’i Jesosy teo anatrehan’i Anasy sy ny Synedrionan’i Jerosalema.

  1. 1. 2 Jesosy notsarain’ny Kaiafa sy ny Synedriona (Jao 18: 24-27)
  2. 1. 2. 1 Fanazavana

Josefa no tena anaran’ity Mpisoronabe ity fa ny hoe “Kaiafa” dia karazan’anaram-bositra (surnom), izay midika hoe: “Andry tsara”/“tohana tsara” (bon soutien). Amin’ny naha-Mpisoronabe am-perin’asa azy dia izy no lohan’ny Synedriona. Araka ny tantara dia olona tena fetsy tokoa io Kaiafa io ka ny lafiny ara-politika no nanavanana azy kokoa noho ny fitondram-piangonana. Ny synedriona no anaran’ny tribonalin’ny Jiosy tamin’izany fotoana izany.

Ny dikan’ny hoe “Synedriona” ara-bakiteny dia “Fivoriam-be” (concile) na koa “filan-kevitra faratampony” (conseil suprême). Araka ny voalazan’i Ezra (7: 25-26) dia ny fitondrana Persiana no nanome alalana azy hanorina io karazana tribonaly io ho an’ny Jiosy tafaverina avy tamin’ny fahababoana. Ny nokendrena taminy dia ny mba hahazoan’ny Jiosy mitsara araka ny lalàny ny raharaha rehetra teo amin’ny fiaraha-moniny sy ny fivavahany ka azony natao ny manafay ny voapanga, araka ny fatran’ny heloka vitany. Azon’ny Synedriona natao koa ny namoaka didim-pitsarana ho fanamelohana ho faty saingy tsy azony natao kosa ny nampihatra ny famonoana fa andraikitry ny fahefan’ny mpanjanaka ihany izany, dia ny tribonaly Persiana, tany aloha, sy ny fitsarana Romana, taty aoriana.

Amin’ny ankapobeny dia voafetra ho 70 miampy ny mpisoronabe, izay Filohan’ny fitsarana, ny mambra nandrafitra ny Synedriona (anisan’ireo ry Nikodemosy sy Josefa avy tany Arimatia). Nizara ho sokajy 3 ireo mambra ireo: (1) ny mpisoronabe, izay saika avy tamin’ny antokon’ny Sadoseo; (2) ny loholona; (3) ny mpampiana-dalàna, izay saika avy tamin’ny antokon’ny Fariseo. Tao amin’ny tempoly no nisy ny foibe (siège) fanatanterahan’ny Synedriona ny fitsarany; kanefa koa azo natao tany amin’ny tranon’ny mpisoronabe ny raharaha raha nisy antony manokana nilana izany.

Tamin’izao vanimpotoana nitsarana an’i Jesosy izao dia toa nisy karazana Synedriona roa tany Jerosalema. Ny iray teo ambany fitantanan’i Anasy ary ny faharoa kosa notarihin’i Kaiafa. Araka ny fanazavan’ny mpandinika dia ilay teo ambany fitondran’i Kaiafa, izay Mpisoronabe amperin’asa, no tena Synedriona nahefa sy tompon’ny fanapaha-kevitra farany tamin’ny raharaham-pitsarana rehetra. Ilay notarihin’i Anasy kosa dia natao hoe “Synedriona kely”, izay tsy dia nana-pahefana hitsara loatra fa karazana fakana am-bavany mialoha ny tena fitsarana mahefa no nataony. Izany dia azo ampitahaina amin’ny fanaon’ny “Juge d’instruction” ankehitriny mialoha ny handraisan’ny tribonaly mahefa an-tànana ny tena raharaham-pitsarana.

Marihina fa taorian’ny faharavan’i Jerosalema (70 AD), izay naharava ihany koa ny Tempoly, dia rava ny Synedriona ka tsy tafatsangana intsony. Karaza-pitsarana tsotra notanterahina tany amin’ny synagoga tsirairay sisa no azon’ny Jiosy natao.

  1. 1. 2. 2 Ny fitsaran’ny Kaiafa sy ny synedriona an’i Jesosy

Tsy asian’i Jaona resaka na kely aza ny amin’izay fomba nitsaran’i Kaiafa sy ny Synedriona an’i Jesosy. Ny antony, araka ny hevitry ny mpandinika, dia satria efa karazan’ny vita nialoha tamin’ny alalan’ny fitsikilovana sy fakana am-bavany an-kolaka sy nivantana an’i Jesosy nandritra ny fotoana niasany (toriteny, fampianarana, famantarana) ny fitsarana Azy. Noho izany dia famoahana didim-pitsarana fotsiny sisa no nilana ity fitsarana ofisialy ity.

Tsy nilain’i Jaona noraketina an-tsoratra ny amin’izany didim-pitsarana izany satria efa fantatra rahateo fa fanamelohana ho faty an’i Jesosy no tsy maintsy havoakan’i Kaiafa.  Araka ny filazan’i Jaona mantsy dia izy no efa nanome saina nialoha ny Jiosy (sy ny Synedriona) ka nilaza fa “mahatsara raha ny anankiray no ho faty ho famonjena ny firenena” (Jao 18: 14). Tsy ny famonjena ny mpanota araka izay nanirahan’Andriamanitra an’i Jesosy anefa no tian’i Kaiafa hambara fa ny famonjena ny firenena Jiosy amin’izay mety ho famaizana sy fandravana hataon’ny Romana. Ny antony dia satria noheveriny ho tsy maintsy hahihian’izy ireo Jesosy ho mpitarika vahoaka hikomy amin’ny fahefana ama-pitondran’ny Kaisara. Marihina mantsy fa saika avy tamin’ny faritry Galilia niavian’i Jesosy sy ny mpianany avokoa no nipoiran’ireo Zelota mahery fihetsika, izay nikomy matetika tamin’ny Romana. Ny mpianatry Jesosy iray aza, izay natao hoe “Simona” (tsy Simona Petera) dia Zelota talohan’ny naha-apostoly azy.

  1. 1. 3 Ny fandavan’i Petera an’i Jesosy (Jao 18: 15-18 sy 25-27)

Ambaran’i Jaona amin’ny Filazantsara fahefatra fa nandritra ny nitsaran’i Anasy sy Kaiafa an’i Jesosy no niseho ny fandavan’i Petera Azy in-telo ka ny voalohany tao amin’i Anasy ary ny faharoa sy fahatelo tao amin’i Kaiafa. Ny Filazantsara synoptika kosa anefa dia milaza fa nandritra ny nitsaran’i Kaiafa an’i Jesosy ihany no nitrangan’io fandavan’i Petera Azy io (Mat 26: 69-75; Mar 14: 66-72; Lio 22: 54-62).

Mahagaga tokoa ny nahatonga an’i Petera ho kanosa tampoka ka nandavany mafy an’i Jesosy toy izany. Tao amin’ny sahan’ny Getsemane anefa izy dia naneho herim-po tapi-trohatra ka sahy nampiasa sabatra teo anatrehan’ny andia-miaramila sy vahoaka nirongo fiadiana. Eto kosa dia zazavavy kely tao amin’ny Anasy sy mpanompo vitsivitsy niara-namindra taminy tao an-tokontanin’i Kaiafa no natrehany sy nanontany azy tsotra na mpianatry Jesosy izy na tsia ka novaliny boraingona hoe: “Tsy fantatro izany lehilahy izany”.

Rehefa aravona ny hevitry ny mpandinika maro dia ireto antony vitsivitsy ireto no azo anazavana tsotra izany fandavan’i Petera an’i Jesosy izany:

(1) Antony psykôlôjika na koa “psycho-physiologique”: Araka ny ahafantarana azy ao amin’ny Filazantsara dia olona nanana toetra (tempérament) nafana fo sy somary nafana rà i Petera, sady nalady ofana ihany koa saingy mora nitroatroatra sy nivadibadi-kevitra mandrakariva. Ary dia io toetrany mora nivadibadika io no azo lazaina fa nibaiko ny fihetseham-pony sy fihetsiny ary ny teniny ka anisan’ny nahatonga izao fandavany an’i Jesosy izao.

(2) Antony aram-piankinana: Nandritra ny fotoana rehetra niarahan’ny mpianatra tamin’ny Jesosy dia niankina feno sy tanteraka taminy izy ireo. Araka izany dia Izy no hery sy tanjaka ary antoka ho azy ireo tamin’ny zavatra rehetra. Tsy fiankinana ara-pinoana nadiodio anefa izany fa mbola nifangaroharo lafiny ara-tombotsoa sy ara-pikendrena samihafa.  Noho izany, raha mbola teo anatrehan’izy ireo Jesosy dia tsy nanahy sy tsy natahotra na inona na inona ireo mpianatra ireo, indrindra fa i Petera. Rehefa voasambotra kosa Jesosy ka tafasaraka tamin’ny mpianatra dia resin’ny tahotra sy fahalemena avy hatrany izy ireo satria folak’andry niankinana sy toro vato nandiavana. Izany tahotra sy fahalemana vokatry ny fahalavoan’ny andrarezina niankinana izany no nahavoa an’i Petera. Ary ny tena olana taminy dia izy irery voahodidina fahavalo maro maimbo ra no hany niatrika ilay toe-javatra sarotra nitsarana an’i Jesosy. Koa tsy mahagaga raha ny fandavana an’i Jesosy no vahaolana tsotra sy akaiky ary ankamehana mba hitany tao anaty fisavoritaha-tsainy.

(3) Antony ara-pinoana sy ny fanantenana: Azo lazaina ho tsy mbola lali-paka sy tafaorina tsara tao amin’i Petera sy ireo mpianatra namany ihany koa ny finoana sy fahalalana ary ny fatokiana an’i Jesosy. Ny antony dia satria ny finoana sy fanantenana Mesia hanjaka ara-nofo amin’ny Israely no mbola nibahana tao am-pony sy tamin’ny Jiosy ankapobeny rahateo. Izany aza no nahatonga azy ireo nanontany an’i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty hoe: “Tompoko, amin’izao va no ampodianao ny fanjakana ho amin’ny Israely?” (Asa 1: 6). Vokatra izany tsy mbola fahamasahan’ny finoan’ny mpianatra ankapobeny izany dia nirarakompana sy very tampoka ny fanantenan’i Petera rehefa nitolo-batana hosamborin’ny Jiosy Jesosy, izay tsy maintsy ho faty noho izany. Diso fanantenana izy ka tsy hitany loatra intsony izay tena antony mazava sy marina tokony mbola hifikirany amin’i Jesosy manoloana izao loza mety haningotra ny ain’izy tenany izao. Noho izany dia lasa ho azy nivoaka ny vavany ny fandavana an’i Jesosy.

(4) Antony fanavotan’aina: Fihetsika (reflexe/instinct de conservation) voajanahary tonga ho azy ao amin’ny olona rehetra manoloana ny loza mananontanona io, indrindra raha tsy fantatra mazava tsara izay antony tokony hiatrehana ilay loza sy hiaretana izay mety ho vokany. Io no mahatonga ny fitenintsika Malagasy hoe: “Raha ho faty aho matesa rahavana…” Jesosy ihany no tsy mba tratran’io fihetsika fanavotan’aina io raha niatrika ny fahoriana sy fahafatesana tamin’ny hazofijaliana ho famonjena antsika mpanota Izy. Io fihetsika tonga ho azy ho fiarova-tena sy fanavotan’aina io no nirongatra tao amin’i Petera satria nandondona azy akaiky loatra ny loaza nihatra amin’i Jesosy. Noho ny fanadinoany ny tenin’i Jesosy anefa dia tonga tsy fantany nazava intsony izay tena antony sy kendrena tamin’io loza io, izay nirosoan’i Jesosy an-tsitrapo. Vokatra izany dia tsy nahagaga raha ny fandavana an’i Jesosy no nibosesika avy hatrany teo imolotry Petera raha nanontaniana ny amin’izay fifandraisany tamin’i Jesosy izy.

Soa ihany fa naneno ny akoho, izay nanaitra an’i Petera sy azo lazaina ho namonjy azy tamin’izany fahalemena nandrendrika azy izany. Araka izay hita amin’ny Filazantsara 4 dia efa nambaran’i Jesosy nialoha ny amin’io akoho maneno hamoha an’i Petera io (Mat 26: 37, 75; Mar 14: 30, 72; Lio 22: 34, 61; Jao 13: 38). Lafi-kevitra telo samihafa no azo anazavana tsotra sy ankapobeny ny amin’ity “akoho naneno” ity:

(1) Nampahatsiaro an’i Petera ny fahantanterahan’ny tenin’i Jesosy taminy hoe: “Raha mbola tsy maneno in-3 ny akoho dia handà ahy in-3 ianao”.

(2) Nanafaka an’i Petera tamin’ny adim-panahy noho izy tafalatsaka irery tanelanelan’ny loza nitatao sy ny tokony hijoroana vavolombelon’i Jesosy.

(3) Nampandinintena azy. Araka ny Filazantsara synoptika dia “nitomany” i Petera raha vao nandre ny akoho naneno (Mat 26: 75; Mar 14: 72; Lio 22: 62). Maneho ny fandinihantenan’i Petera izany fitomaniany [fatratra/mafy] izany.

Mifanohitra amin’izany kosa dia mangina i Jaona fa tsy milaza na inona na inona ny amin’izay nitranga tamin’i Petera taorian’ny nandrenesany ny akoho naneno. Azo heverina sy tarafina ao ambadiky ny fanamarihana tsotra ataon’i Jaona momba ny akoho naneno anefa fa tsy maintsy nitomany sy nibebaka i Petera ka nivoady am-po tsy handà ny Tompony intsony mandrakizay.

 Fanamarihana: Rehefa tombanana ankapobeny ny fitrangan-javatra tamin’ny nisamborana an’i Jesosy dia heverin’ny mpandinika fa nitovy ihany i Petera sy Jodasy satria samy namadika an’i Jesosy. Misy lafiny maha-marina izany kanefa misy koa ny tsy maha-marina azy.

Raha dinihina ivelany sy maimaika aloha dia mitovy tokoa ny famadihan’i Jodasy sy Petera an’i Jesosy notanterahan’i Jodasy sy ny fandavana Azy naloaky ny vavan’i Petera. Rehefa fakafakaina kosa anefa dia tsy mitovy velively ny antony fototra nahatonga azy roa lahy namadika sy nandà ny Tompo, araka izao fanazavana tsotra izao:

Petera: Efa nazavaina teo fa fihetsika vokatry ny tsy fahampiam-pahamatorana ara-pinoana sy fiarovan-tena noho ny tahotra ny loza nananontanona no nahatonga azy nandà an’i Jesosy. Noho izany dia tsy nomaniny nialoha ilay valinteny fandavana fa azo lazaina ho fihetsika tsy fidiny (réaction involontaire) nirongatra ho azy noho ireo antony ireo. Araka izany, azo heverina fa na iza na iza tamin’ireo mpianatra namany no teo amin’ny toerany dia nety ho voa toa azy koa.

Jodasy: Famadihana efa mati-paika sy vita tetika nialoha  tamin’ny alalan’ny kajy ara-tombotsoa (calcul d’intêret), izay niadiana varotra sy nifanarahana (negocier) tamin’ireo fahavalon’i Jesosy no notanterahiny. Noho izany dia tsy kisendrasendra sy tsy azo heverina ho tsy fidiny ny famadihan’i Jodasy an’i Jesosy fa hetsika voaomana (acte prémédité), izay azo kilasiana amin’ny fitenim-pitsarana ho heloka be vava (acte criminel).

Araka izany dia tsy mitovy koa ny niafaran’ny izy roalahy, araka izao fitantaran’ny Filazantsara azy izao:

 Petera: Voan’ny krizy ara-pinoana sy ara-psykolojika nandalo vetivety ihany ka raha vao nahatsiaro tena izy dia nanenina sy nibebaka ary dia voavonjy. Araka izany dia tanteraka taminy  ny tanin’i Jesosy hoe: “Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary. Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao (Lio 22: 31-32).

Jodasy: Mba nanenina ihany saingy tsy nibebaka fa namono tena ka dia very.  Noho izany, tanteraka taminy ilay tenin’i Jesosy nilaza azy hoe: “…notandremako izy, ka tsy misy very, afatsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany…” (Jao 17: 12). Tsy avy tamin’i Jesosy anefa no nahatonga ny fiafaran’i Jodasy ho toy izany fa noho ny tsy finoany sy tsy fibebahany.

Izay ny amin’ny nitsaran’ny Jiosy an’i Jesosy tamin’ny alalan’ny Mpisoronabe sy ny Synedriona. Ahoana kosa indray ny fomba nitsaran’i Pilato Azy?

(HITOHY)

 

*** “Fanazavana ankapobeny sy ny nisamborana an’i Jesosy” no Fizarana 1

*** “Ny fitsarana an’i Jesosy: Ny nitsaran’i Pilato an’i Jesosy” no harahintsika @ Fizarana 3

Share

Filoha Synodam-Paritany Antananarivo (SPAnta)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *