Ny PASIONAN’I JESOSY sy ny FITSANGANANY, ARAKA NY JAONA 18 – 20 (Fizarana 3)

Ny PASIONAN’I JESOSY sy ny FITSANGANANY, ARAKA NY JAONA 18 – 20 (Fizarana 3)
  1. 2 Ny nitsaran’i Pilato an’i Jesosy (Jao 18: 28 – 19: 16)

2. 2. 1 Fanazavana

Marcus Pontius Pilatus no tena anaran’ity Pilato ity. Raha ny voalazan’i Matio (27: 2) no jerena dia governora Romana izy; i.e, mpifehy faritany (Province). Araka izany dia izy no nitondra ny faritanin’ny Jodia, izay saika nahafaoka ny faritry Palestina manontolo.

Tamin’ny 1961 anefa dia nisy takelaa-bato tranainy hitan’ny arkeologa Italiana tany Kaisaria, izay mitondra ny anaran’i Pilato. Toy izao no voasoratra amin’io takela-bato io: “Marcus Pontius Pilatus Prafectus Judeae”, izay midika hoe: “Marka Pontio Pilato ‘Prêfet’-n’ny Jodia”. Voatahiry any amin’ny tranom-bakoka (musée) any Jesroasalema io takela-bato io.

Araka io soratra (inscription) io dia voalaza fa tsy governora (chef de province) velively i Pilato fa “prêfet”, izay mitovy amin’ny lehiben’ny faritra (chef de region) eto amintsika ankehitriny. Izy izany no lehiben’ny faritry Jerosalema (26-36 AD) saingy nipetraka tany Kaisaria fa isaky ny fotoan-dehibe ihany vao tonga tany Jerosalema. Noho ny naha-renivohitra “stratégique” an’i Jerosalema, izay nanana “statut” manokana anefa dia nomena fahefana mitovy tamin’ny an’ny governora i Pilato. Ireto avy izany:

– “Droit de glaive” (Jus Gladii): Fahefana anamelohana ho faty sy hanatanterahana izany amin’ny miaramila sy ny olom-pirenena Romana ary ny olon-janatany manohintohina ny fandriam-pahalemana Romana (pax Romana).

Fikomandiana faratampony (Commandement suprême): Izy no filoha sy komandy faratampon’ny tafika teo amin’ny faritra (region) niadidiany. Nahazo nanafatra tafika avy tany Roma na avy tamin’ny faritany (province) hafa toa an’i Syria sy Egypte etc… ihany koa anefa i Pilato raha toa ka nisy antony maika sy nazava tsara nilany izany.

Marihina fa ny tafika Romana tany Jodia tamin’izany fotoana izany dia “cavalerie” sy “infantérie” nahitana holafy 5 (5 cohortes). Ny “holafy” (cohorte) tamin’izany dia tsy hafa fa antoko-tafika fototra (unité de base/tactique) ka ny “cohorte” 1 dia nisy miaramila 600. Natao hoe “Tribun” (tribunus clerum) ny mpifehy holafy tamin’izany, izay mitovitovy amin’ny “Commandant de la garnison” na koa “Chef d’escadron” ankehitriny. Araka izany dia nisy miaramila Romana tsy latsaka ny 3000 lahy tany Jerosalema tamin’izao fotoana nitsarana an’i Jesosy izao. Ny mpifehy ny fitambaran’ny tafiky ny faritry Jodia kosa dia mitovy amin’ny Komandin’ny faritany miaramila (Commandant de la region militaire) aty amintsika amin’izao fotoana izao.

Momba ny naha-izy azy an’i Pilato dia marihina fa nanana toetra roa nifanohitra izay nampiavaka azy izy. Ankilany dia lehilahy foizina sy sarotiny tamin’ny fampiharana ny didy aman-dalàna Romana izy ka nampiseho fahasiahana sy habibiana mihitsy aza indrindray. Andaniny kosa anefa dia olona tsy dia nanana hazon-damosina loatra izy ka mazàna tsy nahajoro tamin’izay foto-keviny marina fa mora nahodinkodina. Vokatra izany dia matetika nivaona tamin’izay tena niheverany azy ny fanapaha-kevitra navoakany sy nampihariny. Anisan’izany ny tsy naha-joroany tamin’ny fotokeviny marina mikasika ny tsy nahitany fahamelohana teo amin’i Jesosy kanefa dia nasainy nohomboana ihany. Naharatsy fiafara an’i Pilato izany toetrany nifandrirotra izany satria taona vitsivitsy taorian’ny nanomboany an’i Jesosy tamin’ny hazofijaliana dia nesorin’ny amperora Tibera tamin’ny andraikiny izy. Nantsoina nody tany Roma izy tamin’ny taona 36 AD mba hotsaraina noho ny fiapangana azy ho nanao habibiana nandripaka Galiliana, izay nolazainy fa mpikomy. Ireo ilay voalaza ao amin’ny Lioka 13: 1 hoe: “Galaliana naharoharon’i Pilato tamin’ny rany ny fanatiny”. Ankoatra ireo dia nampangain’ny Governoran’i Syria ho nandringana Samaritana marobe ihany koa izy. Tsy tanteraka anefa ilay fitsarana niantsoana an’i Pilato satria raha vao tonga kely tany Roma izy dia namono tena. Na izany aza no niafaran’i Marka Pontio Pilato dia tonga nalaza ihany izy. Taty aoriana mantsy dia natsangan’ny fiangonana Kopta Etopiana ho maritiora izy satria hono nijoro vavolombelon’ny tsy fananan’i Jesosy heloka tokony hahafaty Azy. Tsy afa-nanoatra anefa izy, hoy ireo Kopta ireo, fa voaterin’ny Jiosy ka dia nanaiky tsy fidiny nampanombo ny Tompo tamin’ny hazofijaliana.

  1. 2. 2 Ny fomba nitsaran’i Pilato an’i Jesosy

Rehefa nanomboka ny fitsarana an’i Jesosy i Pilato dia marihin’i Jaona fa tsy nety niditra tao amin’ny rovany (pretoire) ny Jiosy fa nijanona teny ivelany. Ny antony dia satria Zoma atoandro fiomanana hihinanana ny zanak’ondrin’ny Paska, izay hatao ampitso Sabotsy Sabata, tamin’io ka tsy te-hovoaloto izy ireo. Araka ny lalàna Jiosy mantsy dia mampahaloto ara-pivavahana ny fifampikasohana mivantana amin’ny jentilisa ka anisan’izany ny fidirana an-tranony. Fihatsarambelatsihy ratsy tokoa anefa izany satria ny niseho nitandro fatratra ny fahadiovany ara-pivavahana izy ireo, hatramin’ny razany, kanefa ny fanendrikendrehana sy famonoan’olona tsy mana-tsiny toa an’i Jesosy sy ny mpaminany talohany tsy mba noheveriny ho nampahaloto azy ireo teo anatrehan’Andriamanitra. Izany no antony nilazan’i Jesosy tamin’ireo Jiosy ireo hoe: “Tantavaninareo ny moka nefa atelinareo ny rameva” (Mat 23: 24)!

Marihin’i Jaona fa tsy ny fiampangan’ny Jiosy an’i Jesosy, araka ny voalazan’ny Synoptika, no nanombohan’ny fitsarana tao an’drovan’i Pilato fa i Pilato tenany no nivoaka nanontany azy ireo ny amin’izay ipangan’izy ireo an’i Jesosy. Tian’i Jaona aseho amin’izany fa tsy natokisan’ny Jiosy ho nitombona teo anatrehan’i Pilato ny fiapangana sy ny fanamelohan’ny Synedriona an’i Jesosy ho faty, satria ara-pivavahana loatra. Noho izany dia naleon’izy ireo tsy nitratrevatreva aloha sao tsy hanaiky ny hampamonoana an’i Jesosy ity manam-pahefana sady mpitsara Romana ity.

Valinteny tsy nisy famarita-keloka no nomen’ny Jiosy an’i Pilato hoe: “Raha tsy mpanao ratsy Izy dia tsy mba natolotray anao” (Jao 18: 30). Valinteny boraingona sy ankapobeny kanefa koa nifono hafetsena izany mba ho fialana tsy hilazana mivantana ny fototry ny fiampangan’izy ireo an’i Jesosy. Re manako ambadik’io valinteny io ny hoe: “Ahoanao inona izay hiampangainay Azy fa meloka ho faty araka ny lalànay Izy ka entinay eto aminao hanatanterahanao izany amin’ny maha-mpitsara faratampony anao”.

Toa takatry ny Pilato izany fikendrena ambadika izany ka hoy izy hoe: “Entinareo Izy ka tsarao araka ny lalànareo”. Azo lazaina ho sady fanesoana izany no fialana andraikitra ihany koa satria azon’i Pilato an-tsaina tsara fa olana ara-pivavahana no fototr’ity fiapangan’ny Jiosy an’iJesosy ity.

Mazava sady marina anefa ny navalin’ny Jiosy an’i Pilato, hoe: “Tsy manana fahefana hahafaty olona izahay”. Misy teny fanampiny avy amin’i Jaona manaraka izany, hoe: “Mba hahatanteraka ny tenin’i Jesosy ny amin’ny fomban’ny fahafatesana izay hiaretany” (Jao 18: 32). Tsy hafa io tenin’i Jesosy io fa ilay efa nambarany ao amin’ny Jaona 3:14, hoe: “Tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana [koa] ny zanak’olona mba hanana fiainana ùmandrakizay izay rehetra mino Azy”. Ny hazo fijaliana no tian’i Jesosy tondroina amin’io “fanandratana” Azy io ka izao no azo hanazavana an’ilay hoe “mba hahatanteraka ny tenin’i Jesosy…”:

– Raha ny jiosy no navela hamono an’i Jesosy dia tsy hotanteraka velively io “fanandratana Azy” io satria araka ny lalàna ama-pomban’izy ireo dia tsy maintsy ho tamin’ny alalan’ny fitoraham-bato no nanatanterahany izany.

– Raha amin’ny fomba Romana kosa no hamonoana an’i Jesosy dia tsy maintsy ny fanomboana Azy amin’ny hazo fijaliana no hampiasaina ka dia tanteraka ara-bakiteny tokoa ny “fanandratana” Azy.

Fizotry ny fitsarana

Araka ny Filazantsara synoptika dia ny fifamalian’i Pilato sy ny Jiosy niampanga an’i Jesosy no mibahana amin’ity fitsaran’i Pilato ity. Jesosy kosa toa nangina ka tsy niloa-bava afa-tsy teny tokana sy hentitra hoe: “voalazanao”, ho valin’ny fanontanian’i Pilato ny amin’ny maha-Mpanjaka Azy (Mat 27: 11; Mar 15: 2; Lio 23: 3).

Amin’ny Filazantsara fahefatra kosa anefa dia asongadin’i Jaona fa ny resaka nifanaovan’i Pilato sy Jesosy no mahazo toerana sy manan-danja kokoa. Araka izany dia asehon’i Jaona fa namaly tsara ny fanontanian’i Pilato i Jesosy na dia fantany aza fa tsy takatr’ity mpitsara jentilisa ity izay tiany hambara. Toy izao no fizotr’izany resaka izany:

(1) Ambaran’i Jesosy mazava amin’i Pilato fa mpanjaka Izy. Soritany tsara anefa fa tsy avy amin’izao tontolo izao ny fanjakany. Asehon’i Jesosy ambadik’izany fa Izy no Mesia/Kristy mpanjakan’ny fanjakan’ny lanitra. Ataon’i Pilato ahoana anefa no fahatakarana izany satria na ny Jiosy aza tsy nahatakatra. Fa ny tena tian’i Jesosy hazavaina tamin’i Pilato dia izao: Mpanjaka tsy hitovy na oviana na oviana amin’ny Kaisara Izy satria fanjakana tsy misy ifandraisany ny azy roa tonta. Araka izany fanazavan’i Jesosy izany dia mazava fa tsy mitombina velively ny fiapangan’ny Jiosy Azy ho mpikotrika fikomiana amin’ny Kaisara (cf Lio 23: 5) satria tsy misy antony kely akory handrombahany izay fitondrana ama-pahefan’i kaisara.

(2) Lazain’i Jesosy mazava koa ny antom-piaviany amin’izao tontolo izao, izay tsy hafa fa ny “hanambara ny marina”.  Tsindriany tsara anefa fa izay “avy amin’ny marina” ihany, na koa “izay avy amin’ny Ray” ihany, Izay hany marina, no mahay mihaino ny “marina” ambarany.

“Marina” hafa kely sady vaovao tamin’i Pilato tokoa izany ka tsy fantany. Noho izany dia nanontany izy hoe: “Inona no marina?” Izao no hevitr’io fanontaniany io: Moa ve mbola misy karazam-pahamarinana hafa mihoatra ny voasoritry ny fahendrena sy lalàna Romana, izay mpamaritra ny fahamarinana arahin’izao tontolo izao tamin’izany fotoana izany? Ary iza no olombelona mihambo ho afaka manambara (décréter) izany marina izany sy mampihatra azy mihoatra noho izy Pilato, izay mpitsara ambony Romana?

Araka izany dia marihina fa nampiharihary ny fifandrirotan’ny fiankaniana (scepticisme) ama-pizahozahoana (orgueil) tamin’ny tsy fahombiazana (incompetence) sy ny tsy fandraisan’andraikitra (irresponsabilité) tao amin’i Pilato io fanontaniana io. Ahariharin’io koa ny tsy maha-tandrify na tsy fahampian’ny fahefana Romana (incapacité du pouvoir Romain) hanatanteraka ny fitsarana an’i Jesosy.

Tsy niandry ny valintenin’i Jesosy ny amin’izay tiany hambara momba ny “marina” nolazainy i Pilato satria tohina ny hambom-po Romana diso toerana tao anatiny. Fa inona tokoa moa io “marina” tian’i Jesosy hambara tamin’ny Pilato io? Tsy inona fa “ny fitiavan’Andriamanitra fatratra an’izao tontolo izao ka nanomezany ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay”, araka ny efa nolazainy tamin’i Nikodemosy (Jao 3: 16).

Asehon’i Jaona amin’ny alalan’ny resaky Jesosy tamin’i Pilato fa tsy ny Jiosy velively na koa i Pilato, araka ny filazan’ny synoptika, no nisongadina tamin’ny fitsarana an’i Jesosy fa Izy tenany, izay nanararaotra ny fotoana tsy hiarovan-tena fa kosa nitoriana ny Filazantsara, izay nolavin’ny Jiosy, tamin’ilay mpitsara jentilisa. Rehefa vita ireo resaka ireo vao nivoaka nankeo amin’ny Jiosy i Pilato nitady ny fomba handefasana an’i Jesosy satria tsapany tamin’ny teniny fa tsy misy heloka tokony hahafaty Azy velively. Araka izany dia nanolotra sosokevitra i Pilato ny mba handefasana an’i Jesosy, araka ny fombany mamotsotra gadra Jiosy iray isaky ny Paska, izay azo ampitahao amin’ny “grâce Pésidentielle” mahazatra antsika ankehitriny. Nihevitra izy fa hanaiky izany moramora ny Jiosy satria araka ny lista efa fantatra dia Barabasy (Jesosy Barabasy) no tokony halefa tamin’io Paska io.

Diso fanantenana anefa i Pilato satria nintsoantso ny Jiosy hoe: “Tsy ilehio fa Barabasy” (Jao 18: 40). Ambaran’i Jaona mazava tsara anefa fa “jiolahy” io Barabasy io. Ny hoe “jiolahy” tamin’izany fotoana izany dia tsy hafa fa fiantsoana ireo Zelota nafana ra sy nahery setra na teo amin’ny lafiny ara-pivavahana izany na koa teo amin’ny ara-politika sy ara-piarahamonina.

Ny tian’i Jaona havoitra amin’io antsoantson’ny Jiosy nisafidy an’i Barabasy fa nandà kosa an’i Jesosy io dia izao:

– Ankilany, tsy ho avy amin’izay tolo-kevitry Pilato velively no hahavoasakana an’i Jesosy tsy hiroso amin’ny “fanandratana” Azy ho famonjena izao tontolo izao.

– Andaniny, tsy noho ny fandavan’ny Jiosy an’i Jesosy koa anefa no hahatanteraka izany fa vokatry ny fanolorantenany an-tsitrapo sy amim-pitiavana.

Nampiasa hevitra hafa indray Pilato mba ho famonjena an’i Jesosy. Tsy inona izany fa ny fanolorana Azy hokapohina. Araka ny voalazan’ny tantara dia karavasy voaisy firaka madinika no nikapohina an’i Jesosy. Nanome baiko i Pilato mba ho kapohina mafy (flageller) tokoa Izy ka ny ainy sisa no tsy halana. Marihina fa fanao efa nahazatra ny Jiosy, araka ny lalàna (Deo 25: 1-3), ny fikapohana mafy izay noheverina ho olo-meloka, tahaka ity nataon’i Pilato tamin’i Jesosy ity. Nanatanteraka ny baiko tokoa ny miaramila Romana ka nanampattra ny herin’izy ireo tamin’ny fikapohana ny Tompo. Tamin’izany koa anefa dia nanararaotra nandatsa an’i Jesosy izy ireo tamin’ny fampisatrohana Azy satroka tsilo natao lakoraona sy ny fampitafiana Azy lamba volomparasy, izay fampiasan’ny mpanjaka, ary koa tamin’ny fiarahabana Azy ho Mpanjakan’ny Jiosy.

Araka ny hita amin’ny Filazantsara synoptika dia taorian’ny fivoahan’ny didim-pitsaran’i Pilato manameloka an’i Jesosy ho faty amin’ny hazofijaliana no nanatanterahana io fikapohana Azy mafy io, izay mifanaraka amin’ny lalàna Romana. Ny anton’izany dia mba hahatonga ny voaheloka halemilemy sy hahatsiaro fanaintainana mihatra aman’aina alohan’ny fanomboana azy amin’ny hazofijaliana, izay hahatonga ny fangirifiriana amin’ny fara-tampony mandram-paha-tapitry ny ainy.

Izay ambaran’i Jaona kosa anefa dia fikapohana tao anatin’ny fotoam-pitsarana. Ny nokendren’i Pilato tamin’izany dia ny hanetsehana ny fangorahan’ny Jiosy satria noheveriny fa rehefa mahita an’i Jesosy torotoron’ny karavasy vy izy ireo dia ho afa-po ka hanaiky ny handefasana Azy. Koa rehefa nalemilemy  sy montsana tokoa Jesosy dia nentiny nivoaka nankeo amin’ny Jiosy sady natolony azy ireo hoe: “Indro ny lehilahy (Jao 19: 5)!” Izao no tian’i Pilato nambara tamin’ireo teniny ireo:Hitanareo izao fa efa nanamparako ny fahaizako manafay ny maditra Izy ka moa tsy ampy ve izany ho anatra ho Azy? Dia aoka àry Izy halefa!” Kanjo vao mainka ny Jiosy niantsoantso mafy hoe: “Homboy amin’ny hazo fijaliana Izy! Homboy amin’ny hazo fijaliana Izy (Jao 19: 6)!”

Azon’ny Jiosy an-tsaina fa nitady ny fomba rehetra anafahana an’i Jesosy i Pilato ka dia naposak’izy ireo tamin’izay ny tena antony niampangany Azy, hoe: “Araka ny lalànay dia mendrika ho faty Izy satria nanao ny tenany ho zanak’Andriamanitra” (Jao 19: 7). Efa nohazavain’i Jesosy tamin’ny Jiosy anefa fa tsy mitombina io fampangan’izy ireo Azy io satria araka ny Soratra Masina dia voalaza mazava tsara hoe “Andriamanitra hianareo” (Sal 82: 6). Koa raha olombelona tsotra aza, hoy Jesosy, no ekenareo ampiharana izany teny izany, nahoana Izaho izay nirahin’Andriamanitra sy nohamasininy ho amin’izao tontolo izao no lazainareo fa miteny ratsy noho ny filazako fa zanak’Andriamanitra Aho?

Rehefa nandre io fiampangana hafahafa taminy io i Pilato dia tonga kaodikaody sy mainka koa natahotra izy, hoy i Jaona (19: 8). Noho izany dia niverina namototra an’i Jesosy indray izy, hoe: “Avy aiza moa Ianao?” Tsy ny fiaviana ara-pahaterahana sy ara-ponenan’i Jesosy anefa no nahaliana azy tamin’izany fa ny amin’izay mety ho zava-miafina (mystère) fonosin’io fiaviany io ka mahatonga ny fiapangan’ny Jiosy Azy ho milaza tena ho “Zanak’Andriamanitra”.

Efa nahazatra an’i Pilato ihany ny amin’ny tantaran’ireo andriamanitra jetilisa sasany nanambady olombelona ka niteraka andriamanitra tapany (démi Dieu), izay nantsoina hoe: “zanak’andriamanitra”. Ohatra iray amin’izany ny nanambadian’i Jupiter, lehiben’ny andriamanitry ny Romana, an’ilay vehivavy tsara tarehy natao hoe “Mycènes”, izay niterahany an’i Hércule. Nahaliana an’i Pilato ny hahafantatra raha toa ka mitovy amin’izany tranga (cas) izany ny maha-Zanak’Andriamanitra an’i Jesosy. Nangina tsy namaly azy anefa Jesosy satria mystery tsy ho takatr’olombelona afatsy amin’ny fanazavan’ny Fanahy Masina ihany izany.

Nihetsika noho izany fanginan’i Jesosy izany ny hambom-po sy fireharehan’i Pilato ka nilaza taminy izy hoe: “Tsy fantatrao angaha fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin’ny hazofijaliana koa?” (Jao 19: 10). Tsotra sy mazava anefa ny navalin’i Jesosy, hoe: “Ianao tsy manana fahefana amiko akory raha tsy nomena anao avy any ambony” (Jao 19: 11a). Asehon’i Jesosy amin’izany fa tsy manam-pahefana aminy tokoa ity mpitsara jentilisa ity, tahaka ny tsy ananan’ny andrianan’izao tontolo izao sy ny Jiosy fahefana amiko koa; fa matoa afaka manao izay azony atao aminy i Pilato dia satria izany no sitrapon’Andriamanitra sy fikasany momba Azy.

Ahariharin’i Jesosy amin’izany koa fa tsy noho ny maha-manampahefana Romana an’i Pilato no ahazoany manampatra ny heriny amin’Izy Jesosy fa noho izy fiasana eo am-pelatanan’Andriamanitra, saingy fiasana jamba tsy mahalala na inona na inona. Ny Jiosy kosa nahalala tsara fa diso ny nataony tamin’i Jesosy kanefa ninian’izy ireo natao ihany. Izany no nahatonga an’i Jesosy nilaza tamin’i Pilato hoe: “Izay nanolotra Ahy taminao no mana-keloka bebe kokoa” (Jao 19: 11b). Ny Jiosy ankapobeny, indrindra ireo manampahefany, sy i Jodasy no tondroin’i Jesosy amin’izany.

Noho ny fandrenesany fa Zanak’Andriamanitra Jesosy dia vao mainka nitombo ny fikasan’i Pilato handefa Azy. Nahita hevitra tsy azo ivalozana ho fanerena azy hamono an’i Jesosy anefa ny Jiosy tamin’ny alalan’ny antsoantso vaovao hoe: “Raha alefanao io lehilahy io dia tsy mba sakaizan’ny Kaisara ianao; satria izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manao teny manohitra an’i Kaisara” (Jao 19: 12). Natanjaka loatra tamin’i Pilato sy nahaketraka azy izany teny fandrahonana izany satria raha mikiry amin’ny heviny sy ny fikasany hanafaka an’i Jesosy izy dia hivadika ny rasa ka izy indray no ho voaheloka ho mpikomy ary dia ho tapa-doha noho izany.

Marihina fa tsy asian’i Jaona resaka ny amin’ny nofin’ny vadin’i Pilato sy ny nanasan’i Pilato tànana teo anatrehan’ny Jiosy talohan’ny namoahany ny didy fampamonoana an’i Jesosy tamin’ny hazofijaliana. Ny antony dia satria tsy tiany hifangaro amin’ny hevitra hafahafa manome lanjany ny fidiran’olombelona an-tsehatra toy izany ny firosoan’i Jesosy ho amin’ny hazofijaliana, izay planina efa voakasan’Andriamanitra.

Araka an’i Jaona ihany koa dia tsy nokapohina intsony Jesosy talohan’ny nitondrana Azy homboana tamin’ny hazofijaliana. Ny antony dia satria efa nokapohina mafy teo amin’ny fitsarana Izy ka tsy tian’i Pilato hokapohina intsony, na dia izany aza no fomba, sao dia maty alohan’ny fotoana.

Tsy asian’i Jaona resaka ihany koa ny amin’ilay teny tsy voahevitry ny Jiosy voarakitra ao amin’ny Matio 27: 25 hoe: “Aoka ny rany ho aminay mbamin’ny zanakay”, izay fombam-piteny (formule) efa fampiasa hatrany amin’ny Testamenta Taloha (cf. 1 Sam 1: 16; 3: 29; Jer 51: 35). Ny antony dia satria tsy fantatr’ireo Jiosy ireo ny maha-zava-doza izany lazainy izany ka dia niteniteny foana izy ireo. Ankoatra izany, na dia tsy niantsoantso foana io teny mihaika loza io aza ny Jiosy dia efa nambaran’i Jesosy nialoha fa hanody azy ireo mbamin’ny taranany ny ra marina rehetra nalatsak’izy ireo hatramin’ny razany ka hatramin’izao (Mat 23: 35-36). Koa dia tsy hitan’i Jaona intsony izay antony tokony ho nametrahany io tenim-pahadalana io amin’ny Filazantsara nosoratany satria efa mitatao amin’ireo mpihaika ireo rahateo ny loza.

Rehefa tsy nahaleo ditra ny Jiosy i Pilato, sady natahotra ny ho “very seza” rahateo, dia nanolotra an’i Jesosy homboana amin’ny hazo fijaliana izy.

(HITOHY)

 

*** Sangan’asan’ilay mpanao hosodoko Antonio Ciseri ny sary nandravahana

*** Ireo Fizarana 2 teo aloha :

Fizarana 1 : « Fanazavana ankapobeny sy ny nisamborana an’i Jesosy »

Fizarana 2 : « Ny Fitsarana an’i Jesosy : Ny nitsaran’i Mpisoronabe an’i Jesosy »

*** « Ny nanomboana an’i Jesosy tamin’ny hazofijaliana» no harahintsika @ Fizarana 4

Share

Filoha Synodam-Paritany Antananarivo (SPAnta)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *