Ny PASIONAN’I JESOSY sy ny FITSANGANANY, ARAKA NY JAONA 18 – 20 (Fizarana 4)

Ny PASIONAN’I JESOSY sy ny FITSANGANANY, ARAKA NY JAONA 18 – 20 (Fizarana 4)
  1. Ny nanomboana an’i Jesosy tamin’ny hazofijaliana (Jao 19: 16-36)

Araka ny Filazantsara synoptika dia lehilahy [Jiosy] Kyreniana (avy tany kyrena [Cyrène], Afrika-avaratra) natao hoe “Simona” no noteren’ny miaramila Romana nilanja ny hazofijalian’i Jesosy rehefa nentina homboana Izy (Mat 27: 32; Mar 15: 21; Lio 23: 26).

Soritin’i Jaona amin’ny Filazantsara fahefatra kosa fa Jesosy ihany no nitondra ny hazofijaliany mandram-pahatonga tany Kalvary/Golgota (Jao 19: 17). Araka ny fomba fanao, rehefa nentina homboana ny voaheloka dia noterena hilanja ny hazofijaliany, fara-faharatsiny ny tsivalan’ny hazo (traverse), izay nataingina teo an-tsorony sy nafatotra tamin’ny sandriny roa. Noho izany dia ny matoanteny hoe “nampilanjaina” na “nampitondraina” ny hazofijaliana no fampiasa sy tandrify kokoa. Jesosy kosa anefa dia lazain’i Jaona mazava tsara fa “nitondra ny hazofijaliany” Izy; i.e, tsy noterena na novozonana fa nilanja izany an-tsitram-po. Maneho ny fahavononan’i Jesosy sy ny fanoloran-tenany hanatanteraka am-pitiavana sy amim-panetrentena ny famonjena antsika mpanota izany.

Tsy asian’i Jaona resaka ny amin’ilay Simona Kyreniana, voalazan’ny synoptika. Ny antony dia satria tsy tian’i Jaona ampidiran’olo-kafa ny fitondrana sy fizakana ny hazofijalian’i Jesosy, izay fototry ny fanantanterahany ny famonjena antsika. Izy irery ihany no voatendry hitondra izany hatramin’ny farany fa ny anjarantsika olombelona dia ny samy hitondra ihany koa ny hazofijaliantsika avy, noho ny finoana sy fanompoana Azy (cf Mat 10: 38; 16: 24; Lio 9: 23).

Fehezanteny iray/andininy iray fotsiny koa no entin’i Jaona milaza ny amin’ireo jiolahy niara-nohomboana tamin’i Jesosy, teo an-kavanany sy an-kaviany. Ny antony, hoy ny mpandinika sasany, dia satria ny hazofijalian’i Jesosy no tian’i Jaona hasongadina ka tsy ankasitrahany loatra ny hanindrahindrana hazofijaliana hafa eo akaikiny.

Tsy raketin’i Jaona amin’ny Filazantsara fahefatra ihany koa ny teny 7 nataon’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana, afa-tsy ny hoe “Mangetaheta Aho” (Jao 19: 28) sy ny “Vita” (Jao 19: 30) ihany. Ny antony dia satria mampiseho loatra ny fitarainan’i Jesosy ireo teny 5 hafa ka manimba ny endrika ama-kerim-pahavononana (image dynamique) tian’i Jaona anehoana Azy eo am-panefana ny fara-tampon’ny asam-pamonjeny.

Izay tantarain’i Jaona ho setrin’izany kosa dia ny nizaran’ny miaramila ny fitafian’i jesosy. Lazainy fa anisan’ny fahatanterahan’ny Soratra Masina ny amin’i Jesosy teo am-pamonoana Azy izany, araka ny voalazan’ny Salamo 22: 18 hoe: “Nozarainy ny fitafiako ary nilokany ny akanjoko”. Ambaran’i Jaona amin’izany fa tena araka izay voatendrin’Andriamanitra tokoa ny nihatra tamin’i Jesosy fa tsy dia vokatry ny fanamelohan’ny Jiosy sy ny Romana Azy fotsiny ihany.

Nozarain’ny miaramila ho efa-toko ny fomba nilokany ny fitafian’i Jesosy, hoy i Jaona (19: 23-24). Midika izany fa 4 ny miaramila niambina an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana. Midika koa anefa izany, hoy ny mpandinika, fa ankoatry ny akanjo lava velany (tunique) dia karazany 4 ihany ny fitafiana teny an-koditry Jesosy, dia ireto izany: hamama/fehiloha (turban), akanjo anatiny (lava ihany koa) niaraka tamin’ny kalisaona, kapa, ary fehikibo, izay karazan-damba ihany. Koa dia samy naka iray avy tamin’ireo izy efa-dahy. Ny akanjon’i Jesosy ivelany kosa dia tsy nisy vitrany ka tsy foin’ireo miaramila ireo nozaraina efatra fa nanaovany filokana mba ho azon’ny anankiray. Io no tena nahatonga ilay fitenenana hoe: “nilokany ny akanjoko”.

Na ny synoptika na ny Filazantsara fahefatra dia samy milaza ny amin’ny soratra nataon’i Pilato teo amin’ny hazofijalian’i Jesosy.  Samy hafa be ihany anefa ny teny voarakitr’izy ireo: “ITY NO JESOSY MPANJAKAN’NY JIOSY” (Matio 27: 37); “MPAJAKAN’NY JIOSY” (Mar 15: 26); “ITY NO MPANJAKAN’NY JIOSY”(Lio 23: 38). Ny voarakitry Jaona kosa dia hoe: “JESOSY AVY ANY NAZARETA MPANJAKAN’NY JIOSY” (Jao 19: 19). Heverin’ny ankamaroan’ny mpandinika fa ity an’i Jaona ity no tandrify sy feno kokoa. Fomban’ny Romana ny maneho an-tsoratra amin’ny hasofijaliana ny heloka niapangana an’ilay nohomboana. Ny an’i Jesosy, araka ny efa nambara dia noho Izy nilaza ny tenany ho “Mpanjakan’ny Jiosy” no nanomboana Azy. Amin’ny ankilany dia ho fanesoana ny Jiosy no antony nametrahan’i Pilato an’ireo soratra ireo; kanefa amin’ny andaniny koa dia somary valifatiny tamin’izy ireo noho ny naneren’dry zareo azy hanameloka olona tsy nanan-tsiny.

Lazain’i Jaona manokana ny nanankinan’i Jesosy an’i Maria reniny tamin’ilay mpianatra tiany indrindra (Jao 19: 26-27). Maneho an’i Jesosy ho manefa ny adidiny ara-pianakaviana hatramin’ny fara-fofon’ainy izany, satria efa nihantona teo amin’ny hazo fijaliana izy tamin’izay. Amin’ny lafiny iray koa anefa dia tsy mahagaga ny nanoloran’i Jesosy an’i Maria ho andraikitr’io mpianatra tiany indrindra io  satria tsy iza izy io fa i Jaona apostoly, izay   zanaky ny mpirahavavy aminy ihany. Araka ny voalazan’ny mpandinika sasany mantsy dia toa zanaky ny mpiray tampo (cousines germaines) i Maria renin’i Jesosy sy i Maria Salome (vadin’i Zebedio) renin’i Jaona. Jaona rahateo no akaiky an’i Jesosy indrindra tamin’ireo apostoly 12 lahy.

Anisany mampiavaka ny Filazantsara fahefatra amin’ny synoptika ihany koa ilay tenin’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana hoe: “mangetaheta aho”. Tsy dia hetaheta ara-bakiteny loatra anefa no tian’i Jesosy hambara tamin’io, hoy i Jaona, fa fanehoana ny fahatanterahan’ny zavatra rehetra araka ny Soratra Masina (19: 28). Ny miaramila kosa nihevitra an’i Jesosy ho nangetaheta ara-bakiteny tokoa ka nanatohoka vinaingitra tamin’ny spaonjy teo amin’ny vavany. Marihina fa ny “vinaingitra” lazaina amin’izany dia karazana toaka ratsy sady mora vidy fisotron’ny vata-miaramila Romana (mitovy amin’ny “galeoka” aty amin’ny faritany Betsileo).

Rehefa atao ny heviteny tsotsotra dia tsy hafa ny tokony ho hevitr’io hetahetan’i Jesosy io fa izao:

– Mangetaheta Izy ny horaisin’ny Ray hody eo an-kavanany satria efa vitany araka ny sittapony ny asa nanirahiny Azy teto amin’izao tontolo izao.

– Mangetaheta izy ny handraisan’izao tontolo izao sy hinoany ny famonjeny vitany ho an’ny mpanota.

– Mangetaheta Izy ny hitondrany mankeo amin’ny Ray, amin’ny adro farany, ny olona rehetra mino sy mandray ny famonjena vitany teo amin’ny hazofijaliana, araka ny efa nambarany hoe: “Ary Izaho raha asandratra hiala amin’ny tany dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy [ho an’ny Ray” (Jao 13: 32).

Aorian’izany rehetra izany no itenenan’i Jesosy hoe: “Vita”; dia afaka ny ainy. Ny filazan’i Jaona azy dia hoe: “nanondrika ny lohany” sy “nanolotra ny fanahiny” Izy. Tsy hafa izany fa fanoloran’i Jesosy ny ainy ho avotra fisoloana antsika mpanota. Ny teny hoe “Vita” kosa dia tatitra (rapport) fanolorana tamin’ny Rainy ny fahavitan’ny asam-paonjena efa nokasainy hatramin’ny Genesisy 3: 15.

Araka izany dia nalaky maty i Jesosy ka dia tsy mba notapahina tahaka ny an’ireo jiolahy 2 ny ranjony, hoy i Jaona. Ambarany fa fahatanterahan’ny Soratra Masina izany satria maneho an’i Jesosy ho mandray ny toeran’ny zanak’ondrin’ny Pasaka, izay tsy nisy kilema sy tsy notapahin-taolana fa natsatsika manontolo (ampitahao Eks 12: 46 sy Sal 34: 20 ary Jao 19: 33). Jesosy tokoa no zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao (Jao 1: 29). Tsy nisy tsiny na kilema Izy hatreo am-pahaterahany ka mandra-pahavitany an-tsakany sy an-davany ny famonjena antsika mpanota. Noho izany, mba hahatonga an’i Jesosy ho tafaverina tsy misy tsiny na kilema eo an-kavanan’dRainy dia tsy notapahina ny ranjony.

Fahatanterahan’ny Soratra Masina toy izany koa, hoy ihany i Jaona, ny nandefonan’ny miaramila iray ny lanivoan’i Jesosy, izay nampivoaka “ra” sy “rano” avy taminy (Jao 34; ampitahao amin’ny Zak 12: 10).  Manamarina izany fa tena maty ara-batana tanteraka tokoa i Jesosy fa tsy nanao sari-maty, araka ny teolojian’ny sekta sasany. Lafiny roa, araka izao lazaina manaraka izao, no azo hanazavana an’ireo “ra” sy “rano” nivoaka tamin’ny lanivoan’i Jesosy ireo.

– Amin’ny lafiny ara-tsiansa dia vokatry ny fitambaran’ny faharerahana sy tebiteby ary fiaretam-pahoriana tafahoatra loatra no nahatonga ireo “ra” sy “rano” ireo nipololotra avy tamin’ny vatan’i Jesosy. Manambara izany fa mafy koa raha mafy ara-batana sy ara-moraly tamin’i Jesosy ny fanatanterahana ny famonjena antsika.

– Amin’ny lafiny ara-panahy kosa dia tandindona (symboles) manambara ny Sakramenta roa ireo “ra” sy “rano” nivoaka tamin’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana ireo. Ny “rano”, izay maneho hevi-panadiovana no manondro ny Batisa. Ny “ra”, izay manambara aina kosa no manandindona ny Fanasan’ny Tompo. Ireo Sakramenta 2 ireo dia samy fiasam-pahasoavan’ny Fanahy Masina napetrak’i Jesosy ho fomba (moyen) andraisantsika amin’ny finoana ny famelan-keloka sy fiainana mandrakizay, izay voka-tsoan’ny famonjena vitany teo amin’ny hazofijaliana.

 

(HITOHY)

 

*** Ireo Fizarana 3 teo aloha :

Fizarana 1 : « Fanazavana ankapobeny sy ny nisamborana an’i Jesosy »

Fizarana 2 : « Ny Fitsarana an’i Jesosy : Ny nitsaran’i Mpisoronabe an’i Jesosy »

Fizarana 3 : « Ny Fitsarana an’i Jesosy : Ny nitsaran’i Pilato an’i Jesosy »

*** « Ny nandevenana an’i Jesosy» no harahintsika @ Fizarana 5

 

 

Share

Filoha Synodam-Paritany Antananarivo (SPAnta)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *