“NY MARINA AMIN’NY FINOANA NO HO VELONA” (Rom 1: 17)

“NY MARINA AMIN’NY FINOANA NO HO VELONA” (Rom 1: 17)

Araka ny efa iarahantsika mahalala moa dia io tenin’i Paoly @ Romana 1: 17 io no Fanevan’ny faha-150 taonan’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM).

Hatramin’ny nandraisan’i Lotera azy ho fototra nanorenany sy nanombohany ny Reformasiona dia tonga anisan’ny teny malaza tokoa ao amin’ny Baiboly io Romana 1: 17 io.

Araka ny voatondron’ny mpandrindra ny Soratra Masina (Redaktora) dia ny Tenin’i Jehovah nampilazainy ny mpaminany Habakoka voarakitra @ bokiny 2: 4 hoe “Ny marina ho velon’ny finoany” no nampiasain’i Paoly ara-bakiteny saingy namboariny kely hoe “ny marina amin’ny finoana no ho velona”.

Tsy ho fanatsarana fehezanteny fotsiny no nanaovan’i Paoly an’io fanamboarana io fa noho ny antony ara-teolojika momba ny finoana tamin’ny andron’i Habakoka sy izy Paoly.

Ny finoana lazain’i Habakoka tamin’ny androny mantsy, araka ny teny fototra Hebreo nanoratany azy, dia tsy inona fa “fahatokiana” (fidelité); ary raha jerena ny Baiboly amin’ny fiteny Frantsay sy Anglisy dia io “fidelité” (fahatokiana) io no ampiasainy fa ny Baibolintsika Protestanta Malagasy no mandika azy hoe “finoana”.

Ny finoana lazain’i Paoly tamin’ny androny kosa, izay fandikana ny teny frantsay hoe “foi”, dia ny fanekena sy fandraisana ny Famonjen’i Jesosy Kristy.

Raha ny hevitry ny teny no ijerena azy dia azo lazaina ho mitovy ihany ireo “finoana” (fidelité) lazain’i Habakoka sy “finoana” (foi) ambaran’i Paoly ireo satria avy amin’ny “fidelité” ihany no nahazoana ny voambolana “foi”.

Amin’ny lafiny ara-toejavatra (contexte) kosa anefa dia samy hafa ireo, araka izao hanazavana tsotra azy izao:

1- Tamin’ny andron’i Habakoka dia maro ny olona tsy natahotra an’Andriamanitra teo amin’ny Israely ka nanarampo tamin’ny fahotany sy faharatsiany, indrindra tamin’ny fampahoriana ny mahantra. Nihevi-tena hatrany ho olom-boafidin’Andriamanitra anefa izy ireny ka tsy harian’Andriamanitra sy tsy hafoiny na oviana na oviana.

Teo an-danin’izany kosa dia nisy ireo niharan’ny tsindrihazolena sy fanjakazakana ary ny fanilikilihana ka niharitra fahoriana sy nahantra tamin’ny fiainany, saingy nijoro tamin’ny fahatahorana an’Andriamanitra sy ny fankatoavana ny Didiny ka nandala ny fahamarinany sady niandry ny rariny avy taminy.

Ireo no natao hoe “ny marina nijaly”; ary dia ireo koa no natao hoe “mahatoky” (fidèle) teo anatrehan’Andriamanitra.

Nitaraina noho ny fahoriany vokatra izany fahatokiany (“fidelité”-ny) izany izy ireo ka dia novalian’Andriamanitra sy nomeny toky fa “Ny marina ho velon’ny fahatokiany”.

Izany hoe, noho ny fahatokian’ireo “marina nijaly” dia ho velomin’Andriamanitra na hamindrany fo noho izany fahatokiany izany izy ireo.

 

2- Toy izao kosa ny toe-java-nisy tamin’ny andron’i Paoly Apostoly:

Nirehareha fatratra noho ny fananany ny Lalàn’Andriamanitra ny Jiosy ka nanandratena ara-pivavahana sy nanao tsinontsinona ny jentilisa.

Ary zavatra tafahoatra nataon’izy ireo aza dia nindrahindrain’ny Jiosy ho làlana sy fomba hahazoam-pamonjena izany Lalàna izany kanefa tsy izany velively no nanomezan’Andriamanitra azy fa ny hitaiza azy ireo hankatoa ny sitrapon’Izy Andriamanitra sy hiaina araka ny Teniny sy fahamarinany ary koa hitarika azy ireo ho amin’ny finoana ny Mesia/Mpamonjy.

Araka izany dia nanantena hohamarinin’Andriamanitra noho ny fiezahany hitandrina ny Lalàny ny Jiosy.

Izany hoe, navadik’ireo Jiosy ireo ny tenin’i Habakoka hoe “Ny marina mijaly ho velon’ny fahatokiany”, ka novany hoe “Ny mahatoky amin’ny Lalàna hohamainina amin’ny Lalàna”.

Fahadisoan-kevitra tanteraka anefa izany ka dia nanitsy sy nanoro azy ireo ny tena làlam-pamonjena ahazoana ny fanamarinan’Andriamanitra i Paoly, izay tsy inona fa ny finoana an’i Jesosy irery ihany.

Araka ny efa nambara teo dia ny teny nampilazain’Andriamanitra an’i Habakoka no nampiasain’i Paoly ho fanitsiana ny hevi-dison’ny Jiosy, saingy namboariny hoe: “Ny marina amin’ny finoana no ho velona”.

Ny hoe “velona” eto, araka ny hevitry Paoly sy ny fampianaran’i Jesosy rahateo, dia izay manana fiainana ao amin’Andriamanitra na koa manana fiainana mandrakizay.

Tsy misy olona na iza na iza afaka hanana izany anefa afa-tsy izay mino an’i Jesosy ihany, satria Izy no nirahin’Andriamanitra sy nasiany tombokase hanome fiainana ny olombelona amin’ny alalan’ny famonjeny, izay nitondrany ny fahotan’ny olombelona sy nanesorany ny helony teo amin’ny hazofijaliana ary ny fitsanganany tamin’ny maty ho fahazoan’antoka izany famonjeny izany no anamarinan’Andriamanitra maimaimpoana ny mino Azy.

Noho izany, ny làlana sy fomba hafa rehetra itadiava-pahamarinana sy famonjena ankoatra ny finoana an’i Jesosy dia diso sady fitaky ny devoly avokoa.

Hentitra sy mazava àry ny tenin’i Paoly fa na iza na iza te-ho marina mba ho velona na hanana fiainana mandrakizay dia amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy sy ny fatokiana ny famonjeny irery no ahazoana izany.

 

3- Tamin’ny andron’ny Lotera, izay ny Fiangonana Katolika ihany no nisy, dia lasa ambin-javatra ny finoana an’i Jesosy satria ny fiankinana tamin’ny olo-masina sy ny fanajana ny sombin-java-masina (reliques) ary koa ny fahamendrehana tamin’ny asa tsara sy ny fanandratana ny fombam-pivavahana araka ny tradisionan’ny Fiangonana no nanjaka sy nitaizana ny olona hahazoam-pahamarinana ho famonjena.

Ary ny loza dia namidy ny famelan-keloka ka na ny fahotana vao kasaina hatao aza dia efa voavela sahady rehefa voaloha nialoha ny vidin’ny famelan-keloka tandrify izany.

Santionany ihany ireo fa maro ny toe-javatra tsy ara-tSoratra Masina nanimba ny finoan’ny olona nampidirina tao amin’ny Fiangonana tamin’ny andron’i Lotera -sy efa talohan’izany.

Izany no nahatonga azy tapakevitra nijoro irery nanao ny Reformasiona ho fanadiovana sy fanavaozana ny fiainam-pivavahana kristiana hiorina marina amin’ny Soratra Masina sy ny fahasoavan’Andriamanitra ary ny finoana an’i Jesosy, toy ny tamin’ny andron’ny apostoly.

Tsy hafanampo fotsiny no nanaovan’i Lotera izany fa vokatry ny fibebahana sy fahazavana ary fanavaozana nitarihan’ny Fanahy Masina azy tamin’ny Tenin’Andriamanitra, izay nanamafy orina ny finoany an’i Jesosy ka naharesy lahatra azy tanteraka fa tsy misy famonjena maha-marina sy mahavelona eo anatrehan’Andriamanitra afa-tsy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy irery ihany.

Nanomboka niaina tamin’ny finoana marina an’i Jesosy tokoa i Lotera ka ny traikefam-pinoany sy ny vokatsoan’ny fahasoavan’ny famonjen’i Jesosy azony tamin’nyizany no niasan’ny FM nahatanterahany ny Reformasiona na dia mafy sy nangidy tokoa aza no nihatra taminy tamin’nyizany.

Io tenin’i Paoly ao amin’ny Romana 1: 17 hoe “ny marina amin’ny finoana no ho velona” io, izay efa nazavaina teo ny votoati-keviny, no fototra nampiorina sy namelona ary nampahery ny finoany an’i Jesosy, izay niankinany feno sy tanteraka tokoa tamin’ny fiainany manontolo, indrindra tamin’ny fanavaozam-pivavahana (Reformasiona) notarihiny.

Izany no antony nametrahany ny hoe “Finoana irery ihany”, miaraka amin’ny hoe “Soratra Masina irery ihany” sy “Fahasoavana irery ihany”, ho Faneva sy fototra niorenan’io Reformasionany io, ka dia ireo koa no fototra ijoroan’ny Fiangonana Loterana eran-tany hatramin’izao sy hatramin’ny farany.

 

4- Raha jerena ny toe-java-misy eto Madagasikara amin’ny izao androntsika izao dia hita fa somary manjavozavo ihany ny finoana madio an’i Jesosy sy ny fatokiana Azy.

Ny antony talaky maso indrindra aloha dia ny fahasahiranana sy fahantrana mianjady amin’ny amintsika Malagasy ka mahatonga ny kristiana maro miraparapa mitady vaha-olana amin’izay tsy tokony hataony sy tsy tokony halehany.

– ao ny miverina any amin’ny sampy sy mitalaho fitahiana amin’ny razana;

– ao ny mitady vaha-olana amin’ny fanambakana sy fisolokiana ary halatra sy fijangajangana etc…;

– maro koa izao ny kristiana midodododo any amin’ny ireo mpitaiza kalanoro ireny mitady vahaolam-piainana, mangata-pitahiana mba hahazo harena, fahasitranana, zanaka, vady etc…

– ao rahateo koa ny mitady vaha-olana ara-pahagagana any amin’ny sekta samihafa;

– tsy vitsy ihany koa ny miezaka amin’ny fahazoatoa-mivavaka sy fanaovana adidim-piangonana ary ny fanaovan-tsoa amin’ny mpiara-belona, araka izay efa nambara tamin’ny Alakamisy, mba hahazoam-pitahiana sy valim-pitia amin’ny Andriamanitra.

Santionany amin’ny toe-java-misy ankehitriny mampihen-danja sy manamatroka ny finoana an’i Jesosy ireo voatanisa ireo.

Na inona na inona mantsy heverintsika kristiana sy ataontsika itadiavam-pitahiana sy ahazoam-pahamarinana ivelan’ny fahasoavan’i Jesosy irery ihany dia midika izany fa misy kilema sy simba ny finoantsika Azy.

Dia voan’ilay teniny hoe “manao Tompoko, Tompoko Azy ara-pomba isika fa ny fontsika lavitra Azy.”

Ary raha tsy mibebaka miala amin’ny fomba hafahafa, tahaka ireo voatanisa teo ireo, izay itadiavam-pitahiana sy fahamarinana ivelan’ny fahasoavan’i Jesosy isika ary koa tsy miverina amin’ny finoana madio Azy dia hiala maina eo anatrehany any am-parany.

Maro mantsy ny tsy mahatoky amin’ny finoana an’i Jesosy no hiteny aminy amin’ny fitsarany  hoe: “efa nitory ny anaranao izahay; efa namoaka demonia tamin’ny anaranao izahay etc..” kanefa dia hovaliany hoe: “Mialà amiko ry olo-meloka fa tsy fantatro ianareo na avy aiza na avy aiza!”

Mba tsy hahavoa antsika amin’izany àry dia aoka hotandremantsika ho marina sy madio ny finoantsika an’i Jesosy ka tsy havelantsika haloto sy ho simban’ny fitadiavam-pitahiana sy fahamarinana amam-pamonjena ivelan’io finoana Azy irery io.

Marina fa sarotra tokoa ny fiainantsika ankehitriny ka iasan’ny devoly sy akany fanahy ny maro hanao ny tsy fanao.

Koa na inona na inona manahirana antsika, na olana ara-piainana, na tsy fahampiana, na aretina etc… dia aza mety havilin’ny devoly amin’ny làlan-kafa hahavery fa antsoy ny Fanahy Masina hampiorina tsara antsika amin’ny finoana an’i Jesosy ka amin’ny io finoana Azy io no hangatahantsika amin’ny Andriamanitra ny zavatra rehetra.

Mazava tsara ny fanomeza-tokin’i Jesosy momba izany hoe: “Na inona na inona angatahinareo amin’ny finoana dia homen’ny Ray anareo amin’ny anarako izany”.

Mazava koa anefa ny hafatra sy fepetra napetrany hahatanteraka izany, dia ny hoe: “Katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany dia hanampiny ho anareo ny zavatra rehetra”.

Araka ireo fanazavana rehetra ireo àry dia zava-dehibe sy sarobidy ho antsika kristiana tokoa ny finoana an’i Jesosy satria antoka tokana andraisantsika feno ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fitahiany ho an’ny fiainantsika ankehitriny, ary antoka tokana ihany koa ahazoantsika famelan-keloka sy fahamarinana avy amin’Andriamanitra ho famonjena sy fiainantsika mandrakizay.

Koa dia aoka isika tsy hisy hieritreritra zava-kafa na inona na inona hahazoam-pitahiana sy famonjena afa-tsy amin’ny finoana an’i Jesosy irery.

Raha manana finoana an’i Jesosy tokoa isika, na dia ohatra ny voatsinapy aza, ka tsy miahanahana dia hahafindra tendrombohitra, hoy Izy; ka mainka fa ny zava-manahirana rehetra amin’ny fiainantsika -izay mampanaonao foana ny maro-  ve havelany tsy hahazoana vahaolana sy fanampiana noho ny finoana Azy?

Ny amin’ny fivavahana sy fanompoana ny Tompo kosa dia amafisina ny fanentanana sy famporisihina antsika mba hahavitantsika be amin’ny izany ho voninahitr’Andriamanitra sy ho fampandrosoana ny Fiangonan’i Jesosy ary ho fampiroboroboana ny fitoriana ny Filazantsarany.

Aoka mba ho ny finoantsika an’i Jesosy irery ihany sy ny fitiavantsika Azy anefa no hanery antsika amin’ny izany fa tsy ho noho ny antony hafahafa sy pentipentina ankoatra izany.

Matokia an’i Jesosy àry dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.

 

(Notsoahina avy amin’ny Fampianaran’i Raiamandreny Pastora Dr. Razafindrakoto A. Georges, Filohan’ny SPAnta, nandritra ny Zaikakelin’ny FBL SPAnta)

Share

Filoha Synodam-Paritany Antananarivo (SPAnta)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *