“NY FINOANA AN’I JESOSY IRERY NO ANAMARINANA ANTSIKA” (Rom 3: 21-26)

“NY FINOANA AN’I JESOSY IRERY NO ANAMARINANA ANTSIKA” (Rom 3: 21-26)

Ny fanamarinana maimaimpoana amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy no anisan’ny fotokevitra lehibe sy mafonja asongadin’i Paoly ao amin’ny Epistily nosoratany ho an’ny Fiangonana tany Roma.

Noho ny toe-java-nisy tao amin’io Fiangonana io no nahatonga azy nanamafy an’io “fanamarinana amin’ny finoana an’i Jesosy” io.

Raha lazaina ankapobeny dia somary naningana tamin’ny fotoan’androny io Fiangonana Romana io satria nifangaroan’ny kristiana avy tamin’ny Jiosy sy jentilisa (tsy Jiosy) hatrany amin’ny niorenany.

Tsy apostoly no nanorina an’io Fiangonana io fa Jiosy sy proselyta jentilisa namonjy fetin’ny Pentekosta Jiosy tany Jerosalema ary dia nanatri-maso ny nidinan’ny Fanahy Masina sy ny asa lehibe mahagaga nataony tamin’ny alalan’ny apostoly.

Nihaino ny toritenin’i Petera tamin’izany izy ireo ka nibebaka sy nino an’i Jesosy ary dia anisan’ireo 3000 natao Batisa tamin’ny io andro io, izay tonga Pentekosta kristiana ankalazaina hatramin’izao.

Rehefa tafaverina tany Roma ireo kristiana vaovao zanaky ny Pentekosta ireo dia nanorina vondrom-bavaka mba hitehirizany ny finoany tsy hofaty sady hitaomany olona ho an’i Jesosy.

Nitombo sy nandroso io vondrom-bavaka io ka tonga Fiangonana kristiana natanjaka tany Roma.

Tsy nisy Pastora nitondra anefa tamin’ny io Fiangonana Romana io fa ny lohandohany avy tamin’ny ireo Jiosy sy proselyte jentilisa nibebaka tamin’ny Pentekosta tany Jerosalema no nitsangana niara-nitarika azy (fitondrana “collegial” tahaka ny any amin’ny Tobilehibe Ankaramalaza).

Noho ny olana ara-politika tany Roma izay nahavoarohirohy ny Jiosy anefa dia voaroaka niala tany avokoa ny Jiosy rehetra ka anisan’izany ireo Jiosy tao amin’ny Fiangonana Romana.

Vokatra izany dia ny kristiana avy tamin’ny jentilisa (tsy Jiosy) no sisa tavela tamin’ny io Fiangonana io sy nitondra azy.

Tafahaona tamin’ny Paoly apostoly ny sasany tamin’ny ireo Jiosy voaroaka ireo ka nanazava taminy ny amin’ny Fiangonana Romana.

Rehefa maty ilay Amperora (Kaisara) nandroaka ny Jiosy dia nahazo nody tany Roma ny Jiosy voaroaka ka niverina tao amin’ny Fiangonana Romana ireo Jiosy kristiana.

Nitohy toy ny teo aloha ny fiaraha-mitondra ny Fiangonana saingy niteraka elanelana nampangatsiaka ny fifandraisan’ny kristiana avy tamin’ny jentilisa sy avy tamin’ny Jiosy ilay toe-javatra ara-politika nahavoaroaka ny Jiosy nandritra ny fotoana elaela.

Nanjary samy nizahozaho tamin’ny naha-izy avy izy roa tonta ka ny avy tamin’ny jentilisa nihambo ho marina noho ny fananany feon’ny fieritreretana (konsiansy) madio avy tamin’Andriamanitra ary ny avy Jiosy nirehareha ho marina ihany koa noho ny fananany ny Lalàn’Andriamanitra.

Rehefa ren’i Paoly Apostoly izany dia tapa-kevitra hanitsy azy roa tonta ireo izy alohan’ny hahatongavany hamangy ny Fiangonan’i Roma.

Tsy ho azy ireo ihany anefa fa nararaotiny koa izany fanitsiana izany mba ho an’ny jentilisa sy ny Jiosy ankapobeny.

Ao amin’ny Romana 1-3 no anaovan’i Paoly izany fanitsiana izany ka

– ny 1: 18-32 no ananarany ny jentilisa, izay ilazany azy ireo ho tsy manana fahamarinana satria tsy nankatoa ny tena feon’ny fieritreretana avy tamin’ny Andriamanitra izy ireo fa nanaraka ny fitondrantena adalany tamin’ny fahavetavetan’ny filan’ny nofony.

– ny 2: 1-3: 20 kosa no anitsiany ny Jiosy izay ilazany azy ireo ho tsy mana-pahamarinana satria tsy nankatoa ny Lalàn’Andriamanitra ho fitaizana sy fitarihana azy ireo ho amin’ny i Kristy izy ireo fa nampiasa izany ho fitadiavam-pamonjena.

Koa dia ambaran’i Paoly mazava tsara fa mitovy samy tsy marina eo anatrehan’Andriamanitra ny jentilisa sy ny Jiosy ka tsy misy afaka mirehareha na tsy tokony hifampirehareha. “Samy efa nanota izy rehetra, hoy izy eo amin’ny 3: 23, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”

Noho izany dia atoron’i Paoly azy ireo, araka ny teny novakiana teo izay nanganana ny lohatenin’izao toriteny-lahateny izao, fa ny finoana an’i Jesosy irery ihany no fomba tokana hahazoan’ny olona rehetra fahamarinana avy amin’ny Andriamanitra.

Raha jerena ny famaritana ny hoe “finoana” dia ambara ao amin’ny Hebreo 11: 1 hoe “fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita”.

Famaritana ankapobeny sy ara-potokevitra izany fa raha ampiharina amin’ny fiainana maha-kristiana ny finoana dia tsy hafa fa fanekena sy fandraisana ary fatokiana ny fahasoavan’ny famonjen’i Jesosy, izay nanolorany ny ainy ho fitondrana ny fahotantsika sy nandatsahany ny rany ho fisoloana ny helotsika ary koa nitsanganany tamin’ny maty ho fanamarinana antsika maimaimpoana sy hahazoantsika fiainana mandrakizay.

Miaraka amin’ireo tsy misaraka aminy ny firaisana amin’ny Jesosy satria ny mino dia ampiraisin’ny Fanahy Masina amin’ny Jesosy, tahaka ny firaisan’ny sampana  amin’ny voaloboka, araka ny tenin’i Jesosy, ka dia Jesosy no velona ao anatiny ary izy velona ao amin’ny Jesosy koa sady Izy Jesosy no antony ahavelomany. Ny fitambaran’ireo no famonjena maha-marina eo anatrehan’Andriamanitra.

Ary dia tsy misy na inona na inona, na fitandreman-dalàna, na feon’ny fieritreretana madio, na fanaovana asa tsara etc… ahazoana io famonjena maha-marina io afa-tsy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy irery ihany satria Izy, hoy i Petera amin’ny toriteniny ao amin’ny Asan’ny postoly 4: 11-12 no “vato nolavin’ny mpanao trano kanefa tonga fehizoro, ka tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena”.

Koa dia amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ny tany, ary koa haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo (na Mpamonjy) ho voninahitr’Andriamanitra Ray, hoy i Paoly ao amin’ny Filipiana 2: 10-11.

Ny hoe “marina” lazain’i Paoly, araka izany, dia tsy toy ny amin’ny fitsaran’ny tribonaly izay ilazana olona ho tsy meloka satria tsy nangalatra na nisoloky etc… kanefa ilay olona  mitoetra feno amin’ny mpanota azy ihany sady meloka feno koa eo anatrehan’Andriamanitra noho izany.

Tsy toy ny hoe “marina” amin’ny fiainana andavan’andro koa, izay tsy inona fa marimaritra iraisana (convention) mba ahazoana mandamina sy mandrindra ny fiarahamonina.

Tsia, tsy toy izany ny “marina” ambaran’i Paoly ao amin’ny Romana fa filazan’Andriamanitra ny mino ho afa-pahotana sy voadio amin’ny helony rehetra na tsy isainy heloka ary tonga olom-baovao ao amin’ny Kristy Jesosy, noho ny fahasoavan’ny famonjen’i Jesosy.

Koa dia hoy i Paoly ao amin’ny Romana 8: 33-34 hoe: “Iza no hiampanga ny olom-boafidin’Andriamanitra? => Andriamanitra no manamarina azy. 34 Iza no hanameloka? => Kristy Jesosy no efa maty; eny, sady nitsangana tamin’ny maty koa, ka mitoetra eo amin’ny tànana ankavanan’Andriamanitra mifona ho antsika”.

Araka izany dia tsy misy na inona na inona ahazoan’Andriamanitra manamarina ny olombelona afa-tsy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy irery ihany tokoa.

Amafisin’i Paoly izany eo amin’ny 3: 24, izay ilazany fa amarinin’Andriamanitra maimaimpoana amin’ny fahasoavany ny olona, noho ny fanavotana ao amin’i Kristy Jesosy.

Izay ny ankapobeny momba ny “fanamarinana amin’ny finoana an’i Jesosy irery ihany” sy ny amin’ny antony nanamafisan’i Paoly izany ao amin’ny Epistiliny ho an’ny Romana ary dia amafisina amintsika kristiana ankehitriny koa izany.

Hatramin’izao vanimpotoana mampiroborobo ny fivavahana kristiana aty amin’ny taonjato arivo faha-3 izao mantsy dia mbola misy hatrany olona mihevitra fa hohamarinin’Andriamanitra na hovonjeny amin-java-kafa ankoatra ny finoana an’i Jesosy.

Anisan’ny santionany heverin’ny kristiana maro ahazoam-pahamarinana eo anatrehan’Andriamanitra ireto lazaina ireto:

– Ny fahamendrehana ara-piainana sy ara-moraly, ka dia miezaka araka izay azony atao izy tsy hanao fahadisoana amin’ny fiainany andavan’andro mba tsy hana-tsiny amin’nyAndriamanitra.

– Ny fahazotoana aram-pivavahana sy ny fahavitana adidy amin’ny Fiangonana ka dia miezaka mafy amin’izany izy mba ho mpivavaka sy mpanao adidy mahafa-po an’Andriamanitra.

– Ny fiantrana sy fanampiana ny mpiara-belona ka tsy mitsitsy harena sy fananana amin’nyizany izy mba hanana harena voatahiry any an-danitra.

Tsy diso velively akory izany rehetra izany sy ny toy izany satria asa tsara takian’Andriamanitra amintsika kristiana ka anentanana sy amporisihina isika.

Tokony ho tsarovantsika mandrakariva kosa anefa fa asa tsara ho fanehoana ny finoantsika an’i Jesosy sy ny maha-olom-baovao antsika ao aminy ireo voatanisa ireo sy ny hafa mitovy aminy fa tsy natao ho làlana sy fomba hahazoam-pahamarinana/famonjena velively.

Izany hoe, ny olona efa manana ny fahamarinan’Andriamanitra noho ny famonjen’i Jesosy Kristy sy miaina izany ao amin’ny fahasoavany dia manao asa tsara araka ny sitrapon’Andriamanitra fa ny asa tsara velively no ezahina ahazoam-pahamarinana.

Koa dia ambara amintsika fa fanaovana tsinontsinona ny famonjen’i Jesosy antsika ny fikatsaha-pahamarinana ankoatra an’io famonjeny io, sady na hilofo fatratra toy inona amin’ny asa tsara aza isika dia tsy kaontian’Andriamanitra velively izany raha tsy atao noho ny finoana an’i Jesosy sy vokatry ny fahasoavany iainantsika.

Noho izany dia aoka isika tsy hisy ho diso hevitra ka hanantena hahazo fahamarinana amin’Andriamanitra noho ny fiezahantsika, na amin’ny fivavahantsika izany na amin’ny fahazotoantsika manompo Azy, fa samia aloha isika miorina tsara amin’ny finoana an’i Jesosy sy ny firaisana Aminy -amin’ny fanampian’ny Fanahy Masina.

Dia izay isika vao miezaka amin’ny asa tsara rehetra ao amin’ny fahasoavany mba ho fanehoana fa noharian’Andriamanitra ho olom-baovao tokoa ao amin’ny Izy Jesosy isika mba hanao asa tsara, satria miasa Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina ka dia miasa miaraka aminy koa isika kristiana namarininy maimaimpoana noho ny famonjeny.

Koa dia aoka àry hataontsika mazava tsara ao am-po sy ao an-tsaintsika alohan’ny zavatra rehetra ary koa hibaribary tsara amin’ny fiainantsika fa misy na inona na inona ahazoantsika famonjena sy fanamarinana avy amin’nyAndriamanitra afa-tsy ny finoana an’i Jesosy irery ihany.

Tsy misy koa anefa fomba hahazoantsika izany finoana izany afa-tsy amin’ny alalan’ny Filazantsaran’i Jesosy irery, izay iasan’ny Fanahy Masina ao am-pontsika amin’ny fahasoavan’Izy Jesosy ka anomezany antsika ny fanomezampahasoavan’ny finoana.

Aoka àry hofikirintsika mafy sy ho fiainantsika tokoa izany finoana araka ny Filazantsara izany dia ho azo antoka ny famonjena sy fanamarinana antsika ary ho kaontian’Andriamanitra sy ankasitrahany ny asa tsarantsika, izay amporisihina antsika mba ho fampandrosoana ny Fiangonan’ny Tompo.

 

(Notsoahina avy t@ Fampianarana nataon’i Raiamandreny Pastora Dr. Razafindrakoto A. Georges, Filoha SPAnta nandritra ny Zaikakely FBL SPAnta Faha-17 natao teny @ Fileovana Anosibe)

Share

Filoha Synodam-Paritany Antananarivo (SPAnta)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *