Ny HAZOFIJALIANA (Fizarana 1@6)

Fitarihanteny

Araka ny efa fantatsika dia ny teny Frantsay croix” no nadika amin’ny teny Malagasy hoe “hazofijaliana” na koa “tanambokovoko”. Avy tamin’ny teny Latina “crux”, izay midika hoe “andry/tsatokazo” (Poteau/gibet), no nahazoana an’io “croix” io. Amin’ny teny Grika kosa dia ny stauros, izay noraisina avy tamin’ny litera “Tau”, no ilazana azy.

Ny matoateny Frantsay “crucifier” avy amin’io voambolana Latina “crux”, voalaza etsy ambony io, no nadika amin’ny teny Malagasy hoe “manombo” amin’ny hazofijaliana. Marihina anefa fa ny matoateny Latina cruciare nakana an’io “crucifier” io dia tsy “manombo” no dikany ara-bakiteny fa “mampijaly” (torturer).

Tsetsatsetsa tsy aritra ihany ireo fa ny tiana hasongadina sy hamafisina amin’izao lahatsoratra tsotra izao dia ny maha-marika (symbole) fototra sy lehibe ny hazofijaliana ho antsika kristiana. Noho izany dia tsara ny ahafantarantsika misimisy kokoa ny mikasika azy, indrindra amin’izao fanomanana ny fankalaza ny fetin’ny Paska izao.

  1. Fanazavana ankapobeny

Teny sy fomba tsy hita ao amin’ny Testamenta Taloha ny hoe “hazofijaliana” sy ny fanomboana olona amin’ny hazo fijaliana. Ny fitoraham-bato ho faty izay tratra nanota, indrindra izay nandika ny lalàn’i Mosesy, no fanaon’ny Zanak’Israely taloha ary koa ny Jiosy taranany taty aoriana. Ho an’ny firenena tranainy sasany kosa, toy ny Egyptiana, Asyriana, Persiana, Fenisiana etc… dia efa fomba nahazatra azy ireo hatramin’ny fahagola ny fanantonana tamin’ny hazo ho fampijaliana sy famonoana izay nahavita heloka be vava tamin’ny firenena.

Tany am-boalohany dia hazo lava lehibe natsatoka tamin’ny tany no nampiasaina nanantonana izay olona voaheloka ho faty. Manamarina izany ilay nataon’i Ahasoerosy, mpanjakan’i Persia sy Media, tamin’i Hamana (Est 7: 10). Taty aoriana kosa rehefa tonga firenen-dehibe sady natanjaka ny Grika sy ny Romana, izay nifandimby nanjanaka firenena maro tany Eoropa sy ny nanodidina, dia nomeny endrika vaovao io hazo lava io ka nasiany tsivalany (traverse).  Vokatra izany dia nanjary tanambokovoko (la croix) ilay hazo famonoan’olo-meloka tamin’ny alalan’ny fanantonana.

Maromaro ihany ny karaza-kazofijaliana mitanambokovoko amin’ny endriny samihafa nampiasain’ny Romana fahiny kanefa ireto telo tanisaina ireto no anisan’ny nalaza satria nampiasaina be indrindra:

Voalazan’ny mpahay tantaran’ny Soratra Masina fa io farany io no nampiasaina tamin’ny nanomboana an’i Jesosy.

Araka ny tantara ihany koa dia ny fanantonana na fanomboana tamin’ny hazofijaliana no fomba fanamelohana sy famonoana faran’izay ratsy sy nahatsiravina indrindra. Ny olona voatsara sy voaheloka noho ny faharatsiana faratampony, toy ny mpikomy sy ny tsy tan-dalàna (hors la loi) no tena nampiasana azy. Noho izany dia noheverina ho voaozona izay nahantona tamin’izany hazofijaliana izany (cf. Deo 21: 23; Gal 3: 13).

(HITOHY)

 

*** Ho hitantsika manaraka @ Fizarana 2@6 ny “Fomba fanantonana na fanomboana tamin’ny hazo fijaliana” (tsindrio ny rohy)

Leave a Comment