3. Ny tanambokovoko (hazofijaliana) teo amin’ny finoan’ny firenena jentilisa sasany fahagola
Tsy tamin’ny famonoana olo-meloka ihany no nampiasan’ny jentilisa fahagola ny tanambokovoko (“la Croix”) fa teo amin’ny lafiny ara-pivavahana ihany koa satria nanana hevi-dehibe teo amin’ny fiainam-pinoan’izy ireo tokoa izany. Ry zareo Egyptiana, Kaldeana (Babyloniana), Fenisiana, Kretoa (Grika) sy Sinoa, ohatra, dia efa nampiasa ny tanambokovoko (la Croix) hatramin’ny taonjato faha-15 BC (talohan’i Jesosy Kristy), ho fanehoana hevi-pinoana.
Ohatra vitsy amin’izany ireto tanisaina ireto:
– Ny Egyptiana tranainy dia nampiasa ny tanambokovoko miendrika t (toy ilay nanomboana an’i Jesosy), ho tandindon’ny fiainana tsy mety levona.
– Ny Grika tranainy ihany koa dia nino fa ny tanambokovoko dia manambara ny fifanarahana sy fifandraisana tsy mety ravan’ireo kasinga efatra fototry ny famoronana: ny rivotra, ny afo, ny tany ary ny rano. Araka io finoan’dry zareo io dia ireo no foto-javatra miantoka ny faharetan’izao tontolo izao.
Toy izao manaraka izao ihany koa ny santionany amin’ny hevi-pinoana nomen’ny firenena jentilisa tranainy sasany ny tanambokovoko (la Croix) raha fintinina sy lazaina ankapobeny:
– Noraisin’izy ireo ho famantarana (symbole) maneho ny tontolo (univers) ny tanambokovoko noho izy manana rantsana manondro ny lafiny efatra (Atsinanana, Avaratra, Andrefana ary Atsimo). Raha lazaina amin’ny fiteny frantsay dia nataon’dry zareo hoe “base de tous les symboles d’orientation” io tanambokovoko io.
– Ny tanambokovoko koa, hoy izy ireo (indrindra fa ny Sinoa fahagola), dia mariky ny fampiraisana sy fampihavanana noho ilay fihaonan’ny mitsangana (vertical) sy mitsivalana (horizontal) eo afovoany, ka ny rantsany 4 misandrahaka dia maneho ny fifandraisana sy fifanatonan’ny lanitra sy izao rehetra izao (Univers) ho amin’ny foibe na ivo tokana, izay tsy iza fa ny Mpahary.
– Noheverin’ireo firenena jentilisa tranainy sasany ireo ho fanehoana ny lalàm-pifandraisana sy serasera rehetra koa ny tanambokovoko ka matetika dia tamin’ny alalany no namaritana sy nandaminana ary nandrefesana ny toerana masina, toy ny fasana, ny alitara, ny trano, ny tsena ary ny làlana etc., izay samy nokendrena ahitana endrika tanambokovoko (la Croix) avokoa.
– Noheverin’ireo firenena tatsinanana fahagola fa mifono hevi-pisandratana na mihoa-draha (idée de transcendence) ihany koa ny tanambokovoko. Izany hoe, fanehoana fisandratana miala avy amin’ny tany voafetra (fini) misy ny olombelona mankany amin’ny lanitra tsy hita fetra (infini) misy ny Mpahary. Ny sasany amin’ireo firenena ireo aza dia nilaza tsotra tamin’ny finoany fa ny tanambokovoko no tetezana na tohatra iakaran’ny fanahin’ny olombelona mankany amin’ny Paradisan’ny Mpahary.
Santionany ihany amin’ny tantaran’ny tanambokovoko teo amin’ny tontolo sy finoana jentilisa ireo notanisaina ireo. Maneho ireo fa tsy vao tamin’ny vanimpotoana nahaveloman’i Jesosy teto an-tany tsy akory no nampiasana azy io sy nananany hevitra ara-panahy manokana fa efa hatramin’ny fahagola ela, fara-fahakeliny 1500 taona talohan’i Jesosy Kristy, hoy ny mpandinika.
Marihina aza fa tsy tany amin’ny firenena tatsinanana tranainy ihany no nampiasana ny tanambokovoko fa tany amin’ny tandrefana (occident) ihany koa. Ireo Espagnols mpikatsaka tany vaovao (nouveaux mondes), ohatra, dia gaga rehefa tonga voalohany tany Méxique sy Pérou, tamin’ny taon-jato faha-16, raha nahita fa nampiasa betsaka ny tanambokovoko ho famantarana (symboles) ny fivavahany sy ny finoany ny Indiana mena hoditra (peaux rouges) sasany. Tsy mbola nisy fivavahana sy kolotsaina kristiana tafiditra tany anefa tamin’izany fotoana izany.
(HITOHY)
*** Ho hitantsika manaraka @ Fizarana 4@6 ny momba ny “Ny hazofijalian’i Jesosy“
*** Ireo fizarana teo aloha:
- Fizarana 1@6: “Fitarihan-teny” sy “fanazavana @Ankapobeny”
- Fizarana 2@6: “Fomba fanantonana na fanomboana tamin’ny hazo fijaliana”