- Fehiny sy hafatra
Araka ireo fanazavana ireo dia antitranterina etoana fa lova masina ary marika tokana sy sarobidy navelan’i Jesosy ho antsika ny hazofijaliany. Efa nampahafantarina antsika tamin’izao dinidinika tsotra izao ny hevitra ara-panahy fonosiny. Inoana fa ny Fanahy Masina no hanampy amin’izay hahazoantsika izany bebe kokoa mba hahamafy orina sy hampitombo ny finoana amam-pitiavantsika an’i Jesosy Tompo noho izay efa niaretany teo amin’ny hazofijaliana ho famonjena antsika.
Izao àry no hafatra apetraka amintsika:
- Marika famantarana tokoa ny maha-kristiana antsika sady famantarana ny firaisantsika amin’i Jesosy Kristy ny hazofijaliana kanefa aoka hotandremana tsara sao lasa fitaovana majika na sampy (sarin-javatra voasikotra) ivavahantsika izy io ka hanjary fandikana ny Didy voalohany. Misy mantsy kristiana sy Fiangonana manandratra ny hasin’ny hazofijaliana mila ho mihoatra an’i Jesosy ka tsy fantatra intsony izay iankohofany na io hazofijaliana io na Jesosy tenany.
- Ampaherezina sy amporisihina isika kristiana mba samy hitondra ny hazofijaliantsika avy amin’ny fanarahana sy fanompoana an’i Jesosy satria izay tsy mahazaka izany, hoy Jesosy, dia tsy ekeny ho mpianany (Mat 10: 38; 16: 24; Lio 9: 23). Ny olana anefa dia zary lasa lamaody ankehitriny ny fitondrana “la croix” ara-bakiteny eny am-bozona na amin’ny fitafiana sy fitaovana samihafa. Tsara izany raha toa ka fijoroana vavolombelon’ny finoana velona an’i Jesosy sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no anaovana azy. Raha izany tokoa mantsy dia tokony ho fiasan’ny Fanahy Masina hahasakana antsika tsy hanao ratsy na inona na inona ny fitondrantsika amin’ny tenantsika an’io “la Croix” io. Mampieritreritra lalina kosa raha toa ka noho ny lamaody fotsiny tokoa no anaovana izany. Mampahatahotra mihitsy aza raha mitondra an’io “la Croix” io isika kanefa manota sy milalao faharatsiana isan’andro koa. Azo lazaina ho fanaovana tsinontsinona ny fahasoavan’ny famonjen’i Jesosy antsika izany, sady fandatsana sy fitenenan-dratsy ny anarany mihitsy
- Noho izany dia aoka isika rehetra mitondra ny hazofijalian’i Jesosy/“la Croix” amin’ny tenantsika mba samy hitondratena araka ny fahamasinan’Izy Tompontsika mba haharesy lahatra ny jentilisa hino sy handray Azy.
Izay manam-panahy handinika aoka izy handinika lalina tokoa!
(Nosoratan’i Raiamandreny Pastora RAZAFINDRAKOTO A. Georges, Dr., Filohan’ny Synodam-paritany Antananarivo – SPAnta –)
*** Ireo fizarana teo aloha:
- Fizarana 1@6: “Fitarihan-teny » sy “fanazavana @Ankapobeny”
- Fizarana 2@6: “Fomba fanantonana na fanomboana tamin’ny hazo fijaliana”
- Fizarana 3@6: “ Ny tanambokovoko (hazofijaliana) teo amin’ny finoan’ny firenena jentilisa sasany fahagola ”
- Fizarana 4@6: “Ny Hazofijalian’i Jesosy”
- Fizarana 5@6: “Ny Hazofijaliana eo amin’ny fiainana kristiana”