Ny Boky Levitikosy na Fisoronana

I.- FAMARITANA :

Noheverina fa boky fahatelo nosoratan’I Mosesy ity Boky ity.

LEVITIKOSY = waii krah (Hebreo) = Ary niantso Izy : λενιtιkor (LXX) – Nalaina tamin’ ny fotokevitra voalohany amin’ ny Boky, izay omen’ ny Baiboly Malagasy (B.M.) anarana ihany koa hoe FISORONANA.

Mifamatotra indrindra amin’ ny fanavotana ny Zanak’Israely tamin’ ny fanandevozana tany Egypta ny Levitikosy, ka hita ao ny fifampitohizan’ ny fanavotana azy ireo, indrindra ny fotoana nilasian’ Israely teo ampototry ny tendrombohitra Sinay (Eks. 19 – Lev. 10).

Araka ny hevitr’ireo Raby Jiosy dia bokin’ny lalàn’ny Mpisorona ity, izany hoe: Boky manohy ny fanomezana ny lalàna tao Sinay, ka izay resahina indrindra dia momba ny fitoeran’ Andriamanitra eo afovoan’ Israely, izay mitaky fiainana vaovao misy fahamasinana satria Masina  Jehovah. Tsy hain’ Israely atao anefa ny mihevitra izay fomba hanamasinany ny tenany sy hanamasinany an’ I  YHWH, koa dia manome toromarika ny amin’ izany Izy amin’ ny alàlan’ ity Boky ity. Aseho ato indrindra ny amin’ ny Fanatitra sy ny Sorona, ho fanatanterahana izany.

II.- NY MAMPIAVAKA AZY:

Ity Boky ity dia azo lazaina fa bokin’ ny fitsipika sy fiainana ara-panahin’ Israely amin’ ny maha Fiangonan’ YHWH azy. Ity Boky ity koa no maneho  ny fototry ny fifandraisan’ YHWH sy ny Israely, mba hahatanteraka ireo Teny Fikasana izay nataony tamin’ i Abrahama, Isaka, Jakoba (Lev.11: 44-45). Isan’ izay zava-dehibe amin’ izany ny fanatrehan’ YHWH amin’ ny alàlan’ ny Tabernakely – Ny fahamasinana, eo amin’ ireo karazam-panatitra sy sorona samy hafa, ary ny fampahatsiarovan’ YHWH mandrakariva fa nanao fanekena tamin’ Israely Izy, ary sarotiny amin’ izany FANEKENA izany, ka tokony hitandrina izany ny Olony.

III.- LOHA-HEVITRA:

1.- Ny programan’ YHWH dia hanomana ny Israely ho amin’ ny FAHAMASINANA sy FAHATANTERAHANA, izany hoe: Satria Masina YHWH Andriamanitr’ Israely dia tokony ho Masina koa ny olony.

2.- Nanendry ny Tabernakely YHWH  ho eo afovoan’ Israely, hanambara fa manatrika azy ireo hatrany  YHWH, koa amin’ izany dia tsy ho fombafombam-panao toy ny an’ ny Jentilisa ny fahamasinan-toetrany, fa tena fiainany izany.

3.- Satria mpaniasia ny Zanak’ Israely, ka ny làlana hitan’ YHWH  ho fitaizana azy ireo dia ny fanomezana FITSIPIKA. Izay kendrena amin’ izany dia ny hisian’ ny fanesoran-keloka sy ho fahamasinan’ ny fiainan’ ny olona eo anatrehan’ YHWH mba hahatanteraka ny fifandraisana Aminy.

IV.- FANAMARIHANA:

Ilain’ ny fiainana kristiana ny sary sy ny foto-kevitry ny Boky, raha toa ka hay ny mamelatra sy manazava azy. Fa raha tsy izany kosa, dia boky manahirana izy, ka isan’ izay tenenin’ I Jesosy matetika, indrindra momba lalàna sy ny fahamasinana.

V.- NY FIZARAN ‘ NY BOKY:

Azo zaraina ho roa lehibe ny Boky, kanefa mbola misy fizarana madinidinika ihany koa.

Toko 1: 1 : Fitarihanteny.

Toko 1:2 – 6:7 : Ny momba ny fanatitra

Toko 6:8 – 7:38 : Baiko omena ny mpisorona momba ny fanatitra

Toko 8:1 – 10:20 : Fanokanana an’ i Arona sy ny Zanany

Toko 11:1 – 16:34 : Lalàna momba ny fahadiovana

Toko 17:1 – 16: Ny fanatitra sy ny rà

Toko 18:1 – 27:34 : Ny fiainana masina ho an’ ny vahoakan’ YHWH.

VI.- NY FIAINANA KRISTIANA SY NY LEVITIKOSY:

Miaina indrindra amin’ ny andron’ ny fahafahana ny andron’ ny Kristianisma. Tsy vitsy ny mandray ambongadiny izay lazain’ny Testamenta vaovao ny amin’ ny fahafahan’ ny mino. Niteraka fiovana lehibe eo amin’ ny tontolom-piainan’izao tontolo izao izany, ka nahatonga ny fanatontoloana, izay tsy mampisy fiavahana intsony, na fahasamihafana, amin’ ny lafiny rehetra, eny fa na ny maha-lahy sy maha-vavy izay nataon’ Andriamanitra ho zava-dehibe teo amin’ ny fahariana izao tontolo izao. Ny toe-javatra nitranga tany Korinto tamin’ ny andron’ i Paoly, dia angamba mbola tsotra kokoa noho ny misy ny kristiana amin’ izao andro izao.

Araka izany, moa tsy fotoana tokony hiverenan’ ny fiangonana hampianatra ny fanamasinan-tena araka ny Levitikosy ve izao? Azo singanina amin’ izany ireto toe-javatra manaraka ireto:

1.- Ny fanatrehan’ I Jehovah:

Raha vao nanota ny olona dia niery an’ Andriamanitra izy. Ny zavatra tsapany voalohany ho vokatry ny fahotana dia: nitanjaka izy (Gen.3:7b), koa dia niery ny tavan’ Andriamanitra. Mariky ny fahotana ny fitanjahana, kanefa toa tsy mahamenatra ny olona intsony ny fitanjahana izao na any am-piangonana aza, indrindra fa ny kristiana. Ny fiangonana dia fanjakam-pisorona hoy Petera (IPet.2: 9), koa dia tokony hanaja ny tenany sy ny fahamasinany, araka ny andidian’ YHWH ny amin’ izany (Lev. 8:6-9).

Eo amin’ ny fanaovana ny fanompoam-pivavahana, dia tsy ho fombafomba, na ambin-javatra eo amin’ ny fiainam-piangonana ny fanatitra. Mila esorina ny fiheverana ny rakitra ho toy ny latsakemboka ataon’ ny kristiana ho fanampiana ny fiangonana na ny Mpitondra fiangonana, fa didin’ YHWH ho fanehoam-pahamasin’ YHWH sy ny olony izany, ary manambara koa ny fanatrehan’ YHWH  azy ireo, koa dia misy ireto karazam-panatitra ireto:

1)- Fanatitra dorana (Lev.1:3-9 ; 10:13 ; 14:17) : Fanehoam-pibebahana efa tanteraka, ka ho madio tsy misy kilema toy ilay biby natao fanatitra.

2)- Fanatitra ho hanina (Lev.2:1-16) : Fanehoam-pankasitrahana an’ YHWH, fa efa nanome mofo ho an’ ny olony izy.

3)- Fanati-pihavanana (Lev.3:1-17) : Fanehoana fiaraha-misakafo amin’ YHWH izany. Lazain’ I Paoly ao amin’ ny Efes.2:13-18, fa Kristy no fihavanantsika, sady tanteraka ao amin’ ny Fanasan’ ny Tompo izany (IKor.11:25 ; Eks.24:8,11 ; Lio.22:15).

4)- Fanatitra noho ny ota (Lev.4 – 5 :13) : Ny dikan’ ny fanatitra eto indray dia vokatry ny ota tsy nahy (Lev.4:1-3, 13, 22-23, 27-28 ; 5:1-2). Atao hoe fanatitra fidiovana ihany koa ity.

5)- Fanati-panonerana (Lev.5:14-…….) : Ity fanatitra ity indray dia fampahatsiarovana fa tsy ho afa-tsiny izay manao tsinontsinona ny Didin’ YHWH , koa dia tsy maintsy manonitra izany izy.

Tsy ny famerenana ny fanatitra no kendrena fa ny fahatsapan’ ny kristiana fa misy tombam- bidiny ny fahotany. Kanefa Jesosy no efa nanefa izany teo amin’ ny hazo fijaliana. Kanefa na izany aza – moa mahatsapa fahamendrehana ho an’ izany fanonerana nataon’ I Jesosy izany ve ny kristiana eo amin’ ny fanaovany fanatitra sy ny fanolorany ny tenany, na dia amin’ ny fomba ety ivelany ihany aza?

2.- Ny fahamasinan’ I Jehovah:

Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho hoy YHWH (Lev.11:44b). Fa nodidian’ YHWH ny olony mba hanamasina ny tenany alohan’ ny hanaovany fanekena Aminy (Eks.19:9-25). Ny mampiavaka ny masina sy ny tsy masina dia ny toe-piainana sy ny toe-po iainana andavan’ andro, dia izay araka an’ Andriamanitra sy tsy araka ny sitrapony. Isan’ izay heverina ho zava-madinika, kanefa dia lehibe eo amin’ ny toem-pahamasinana hain’ ny olona atao dia ireto:

1)- Fahadiovana (Eks.19:10, 14-15) : fandroana, fanasana ny fitafiana, ny vehivavy azon’ ny fadim-bolana, tsy firaisan’ ny mpivady….

2)- Manavaka ny madio sy ny tsy madio (Lev.10:10) : Na dia ny zavatra tsotra aza rehefa natokan’ Andriamanitra ho Azy dia masina; ohatra: Ny Fanaka Masina, ny Alitara (Nom.16:35-38), ny fanamiana, ary indrindra ny tena.

3)- Ny Toe-piainana tsy masina (Lev.18 – 19) : Mandrara ny Israely YHWH tsy hanao ny fomban’ ny Egyptiana izay nialany na ny fomban’ ny Kananita izay ho vantaniny. Izay voatsindry mafy indrindra dia ny fifandraisana ara-panambadiana, na eo amin’ ny lahy sy  ny vavy na eo amin’ ireo mitovy fananahana.

4)- Ny fanatonana mpanandro sy mpahita…… (Lev.20) : Manana ny Mpaminaniny YHWH, koa mankahala ny fihainoana ny feo hafa tsy avy Aminy. Eto indrindra no miseho ny anjara-toeran’ ny Mpisorona sy ny fisoronana ataony, manambara ny fanatrehan’ YHWH  ny olony izany koa dia tokony hatoky izany ny olona.

Raha eo amin’ ny fiainana kristiana indray dia saiky ilaina avokoa ireo zavatra takin’ ny fahamasinan-tena levitika ireo, indrindra eo amin’ ny fitondran-tena. Hita fa tsy misy fiavahana amin’ ny fomban’ ny Jentilisa ny kristiana eo amin’ ny fitafy na fihaingo.

Ireo rehetra ireo dia mitarika ny fiangonana handinika sy hianatra indray ny Bokin’ ny Levitikosy.

Ho voninahitr’Andriamanitra Irery.

 

***Aza adino koa ny mamaky: