Fanazavana
Tsy famenon’ny Filazantsara synoptika (Matio, Marka, Lioka), araka ny hevitry ny teolojiana sasany, tsy akory ny Filazantsara araka an’i Jaona fa manana ny maha-izy azy manokana na amin’ny lafiny ara-literatiora izany na koa ara-potokevitra sy ara-pikendrena. Izany no antony nanavahana azy manokana hoe “Filazantsara fahefatra”.
Ny fandinihana ny amin’ny Pasionan’i Jesosy sy ny fitsanganany tamin’ny maty no anisan’ny manasongadina izany maha-izy azy manokana ny Filazantsara fahefatra manoloana ny synoptika izany. Mba hahamora ny fanarahana ny dinidinika haroso amin’ny alalan’ity loha-hevitra ity dia hozaraina 3 ny famelabelarana: (1) Ny fisamborana an’i Jesosy; (2) Ny fitsarana an’i Jesosy; (3) Ny fanomboana an’i Jesosy tamin’ny hazofijaliana; (4) Ny nandevenana an’i Jesosy; (5) Ny nitsanganan’i Jesosy. Ambara dieny eto am-piandohana fa na dia araka izay voalazan’ny Filazantsara fahefatra aza no hanaovana ny fandinihana ny pasionan’i Jesosy dia hisy ihany fampitahana izany amin’izay voarakitry ny Filazantsara Synoptika. Noho izany dia tsara aloha raha aseho an-tabilao tsotsotra ireo tekstan’ny Filazantsara 4 momba ny pasionan’i Jesosy sy ny fitsanganany. Toy izao izany:
|
|
Matio |
Marka |
Lioka |
Jaona |
- Jesosy tao Getsemane |
26: 36-46 |
14: 32-42 |
22: 39-46 |
18: 1 |
|
- Fisamborana an’i Jesosy |
26: 47-56 |
14: 43-52 |
22: 47-53 |
18: 2-12 |
|
Ny oroka famadihan’i Jodasy |
26: 48-49 |
14: 44-45 |
22: 47-48 |
- |
|
Jesosy manolotra ny tenany |
- |
- |
- |
18: 1-8 |
|
Ny mpianatra nandositra |
26: 56 |
14: 50 |
- |
- |
|
Ilay zatovo nitanjaka nandositra |
- |
14: 51-52 |
- |
- |
|
- Jesosy notsarain’ny Mpisoronabe sy ny nandavan’i Petera Azy |
26: 57-75 |
14: 53-72 |
22: 54-71 |
18: 13-27 |
|
- Jesosy nentina teo anatrehan’i Pilato |
27: 1-2 |
15: 1 |
23: 1 |
18: 28 |
|
- Jodasy namono tena |
27: 3-10 |
- |
- |
- |
|
- Jesosy notsarain’i Pilato |
27: 11-26 |
15: 2-15 |
23: 2-25 |
18: 29-19: 16 |
|
Jesosy teo anatrehan’i Heroda |
- |
- |
23: 6-12 |
- |
|
Pilato nilaza an’i Jesosy ho tsy meloka |
- |
- |
23: 13-16 |
- |
|
Jesosy sa Barabasy |
27: 15-23 |
15: 6-15 |
23: 18-25 |
18: 39-40 |
|
Ny nofin’ny vadin’i Pilato |
27: 19 |
- |
- |
- |
|
“Indro ny Lehilahy” |
- |
- |
- |
19: 5 |
|
Pilato nanasa tànana |
27: 24-25 |
- |
- |
- |
|
Pilato nampikapoka an’i Jesosy |
27: 26 |
15: 15 |
- |
19: 1 |
|
Jesosy natolotry Pilato homboana |
27: 24-26 |
15: 15 |
23: 24-25 |
19: 16 |
|
- Ny miaramila Romana nandatsa an’i Jesosy (lamba jaky sy satro-tsilo) |
27: 27-31 |
15: 16-20 |
- |
19: 2-3 |
|
- Jesosy nentina tany Kalvary |
27: 31-32 |
15: 20-21 |
23: 26-32 |
19: 16-17 |
|
Simona Kyreniana nampitondraina ny hazofijalian’i Jesosy |
27: 32 |
15: 21 |
23: 26 |
- |
|
- Jesosy nohomboana tamin’ny hazofijaliana |
27: 33-37 |
15: 22-26 |
23: 33-34 |
19: 18-27 |
|
Fitafian’i Jesosy nozarain’ny miaramila |
27: 35 |
15: 24 |
- |
- |
|
Ny soratra teo amin’ny hazofijalian’i Jesosy |
27: 37 |
15: 26 |
23: 38 |
19: 19-22 |
|
- Jesosy nivavaka ho an’ny mpamono Azy |
- |
- |
23: 34 |
- |
|
- Jesosy nanolotra ny reniny t@ Jaona |
- |
- |
- |
19: 25-27 |
|
- Ny Jiosy niteny ratsy sy nandatsa an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana |
27: 38-42 |
15: 27-32 |
23: 35-38 |
- |
|
- Ilay Jiolahy nandatsa an’i Jesosy |
27: 44 |
15: 32 |
23: 39 |
- |
|
- Ilay jiolahy nangata-pamonjena t@ Jesosy |
- |
- |
23: 40-43 |
- |
|
- Ny nahafatesan’i Jesosy |
27: 45-54 |
15: 33-39 |
23: 44-48 |
19: 28-30 |
|
Aizina mitatao vovonana |
27: 45 |
15: 33 |
23: 44 |
- |
|
Fitarainan’i Jesosy tamin’ny Rainy |
27: 46 |
15: 34 |
- |
- |
|
Rovitra ny lamban’ny Tempoly |
27: 51 |
15: 38 |
23: 45 |
- |
|
Kapiteny nijoro vavolombelona |
27: 54 |
15: 39 |
23: 47 |
||
- Ireo vavolombelon’ny hazofijalian’i Jesosy |
27: 55-56 |
15: 40-41 |
23: 48-49 |
19: 24-27 |
|
- Ra sy rano nivoaka tamin’i Jesosy |
- |
- |
- |
19: 31-37 |
|
- Ny nahafatesan’i Jesosy sy nandevenana Azy |
27: 57-61 |
15: 42-47 |
23: 50-56 |
19: 38-42 |
|
- Ny fasan’i Jesosy nambenana |
27: 62-66 |
- |
- |
- |
|
Ny fitsanganan’i Jesosy: |
|
|
|
|
|
- Ireo vehivavy namangy ny fasan’i Jesosy |
28: 1-8 |
16: 1-8 |
24: 1-12 |
20: 1-13 |
|
- Petera nankany amin’ny fasana |
24: 12 |
20: 3-10 |
|||
- Jesosy niseho tamin’ireo vehivavy |
28: 9-10 |
16: 9-11 |
24: 10-11 |
20: 14-18 |
|
- Ny fitantaran’ireo mpiambina |
28: 11-15 |
- |
- |
- |
|
- Jesosy niseho tany Emaosy |
- |
16: 12-13 |
24: 13-35 |
- |
|
- Jesosy niseho tamin’ny mpianatra |
- |
16: 14 |
24: 36-43 |
20: 19-23 |
|
- Jesosy niseho tamin’i Tomasy |
- |
- |
- |
20: 24-29 |
|
- Jesosy niseho tany an-tendrombohitry Galilia |
28: 16-17 |
- |
- |
- |
|
- Jesosy maniraka ny mpianany |
28: 18-20 |
16: 15-20 |
- |
- |
|
- Tenin’i Jesosy farany sy ny fiakarany |
- |
- |
24: 44-53 |
- |
|
- Fikendren’ny mpanoratra ny Filazantsara |
- |
- |
- |
20: 30-31 |
|
Fanampiny |
|
|
|
|
|
- Jesosy niseho tamin’ny mpianatra 7 sy ilay fanaratovana nahagaga |
21: 1-14 |
||||
- Ny andraikitra pastoralin’i Petera |
21: 15-19 |
||||
- Ilay mpianatra tian’i Jesosy |
21: 20-23 |
||||
- Ny soratry ny mpianatra sy ny asan’i Jesosy |
21: 24-25 |
Toy izao manaraka izao àry ny fizotry ny famelabelarana ny pasionan’i Jesosy araka ny Filazantsara fahefatra. Araka ny efa nambara dia dinidinika tsotra ihany no aroso etoana fa tsy heviteny velively.
- Ny fisamborana an’i Jesosy (Jao 18: 1-11)
Tao Getsemane, izay midika hoe “famihazan’oliva (pressoir d’huile d’olive)” no nisamborana an’i Jesosy. Teo an-tenantenan’ny tendrombohitra oliva, ampita atsinanan’i Jerosalema ary mamaky ny lohasahan-driaka Kidrona, no nisy azy io. Saha/zaridaina io Getsemane io, izay falehan’i Jesosy sy ny mpianany isaky ny tonga tany Jerosalema namonjy andro firavoravoana izy ireo. Marihina anefa fa tsy tononin’i Jaona ao amin’ny Filazantsara fahefatra io anara-toerana io fa ny voambolana “saha” (zaridaina) no ampiasainy.
Araka ny filazana iombonan’ny Filazantsara 4 dia tao no niandohan’ny Pasionan’i Jesosy satria tao no nisamborana Azy ny alin’ny Alakamisy. Noho izany dia atomboka amin’ny fijerena fohy izay toe-javatra niseho tao amin’io sahan’i Getsemane io ny fandinihana ny amin’ity Pasionan’i Jesosy araka ny Filazantsara fahefatra ity.
- 1 Jesosy tao Getsemane
Araka ny filazan’ny Filazantsara synoptika dia taorian’ny nanorenan’i Jesosy ny Fanasan’ny Tompo tamin’ny Alakamisy hariva sy niarahany nihinana izany tamin’ny apostoly no nandehanany niaraka tamin’izy 12 lahy nankao Getsemane (Mat 26: 30; Mar 14: 26; Lio 22: 39). Raha jerena araka ny fanehoan’ny synoptika azy ny zava-nitranga tao amin’io Getsemane io dia voalaza fa tena ory am-panahy tokoa sy nangorohoro fatratra Jesosy ka nitaraina hoe: “Raiko ô, raha azo atao dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny anao” (Mat 26: 38-39; Mar 14: 32-36; Lio 22: 41-44). Lioka aza dia milaza manokana fa noho ny adim-panahy lalina nahafadiranovana loatra an’i Jesosy dia tonga tahaka ny ra ny dininy/hatsembohany, izay nipotrapotraka tamin’ny tany (Lio 22: 44).
Marihina fa talohan’ny nisamborana an’i Jesosy no nisehoan’izany toe-javatra tantarain’ny Synoptika izany. Raha dinihina ireo fanambaran’ny synoptika ireo dia azo lazaina fa talohan’ny nisamborana an’i Jesosy no efa niatombohaka sahady ny Pasionany satria raha mbola tsy tonga akory ny mpisambotra dia toy ny efa niala aina (nanao “agonie”) Izy.
Hafa lavitra noho izany kosa anefa ny fomba anehoan’i Jaona an’i Jesosy tamin’Izy tao amin’io sahan’i Getsemane io. Ambarany fa taorian’ny nanaovany ilay vavaky ny Mpisoronabe (prière sacerdotale) ho fampaherezana ny mpianatra (Jao 17) Izy no niaraka tamin’ireo mpianany ireo nankao Getsemane (Jao 18: 1). Tsy miresaka na inona na inona mikasika ilay adim-panahy lalina nahafadiranovana an’i Jesosy tao amin’io saha io i Jaona. Ny antony dia satria Jesosy mahery (dynamique) sy vonona (ferme), satria mahalala izay efa hihatra aminy (Jao 22: 4a) ka miandry amim-pahatoniana, no endrika (image) tiany hanehoana Azy fa tsy Olona mifararemotra sy mitranga-mihemotra ary reraka alohan’ny fotoana hiseoan’ny tena ady aman’aina.
- 2 Fisehon’ny fisamborana an’i Jesosy
Raha jerena ny Filazantsara 4 dia samy manambara izy ireo fa vahoaka nirongo fiadiana no tonga nirodorodo alina tao Getsemane hisambotra an’i Jesosy. Tsy mitovy kosa anefa ny fahitan’izy ireo an’ireo vahoaka ireo: Matio sy Marka dia milaza ankapobeny fa “vahoaka [betsaka]” izy ireo (Mat 26: 47; Mar 14: 43); Lioka manamarika fa ny “lohan’ny mpisorona (lehiben’ny mpisorona) sy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly ary ny loholona” no anisan’ny nitarika ny fisamborana an’i Jesosy (Lio 22: 52).
Jaona kosa manoritra mazava fa “miaramila iray toko sy mpiandry raharaha avy tamin’ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo” ireo vahoaka ireo (Jao 18: 3). Ny “miaramila iray toko” lazaina amin’izany dia holafy (unité/compagnie) iray, izay tokony ho tanelanelan’ny 400 ka hatramin’ny 600 lahy teo ho eo. Ny “mpiandry raharaha” kosa dia karazana “huissiers” na manam-bononahitra mpahay lalàna niasa tao amin’ny tempoly, izay irahina ho mpanatanterka didim-pitsarana amin’ny fotoam-pisamborana toy izao.
Araka ny synoptika dia i Jodasy no tompo-marika voalohany tamin’ny fisamborana an’i Jesosy satria izy no nitari-dàlana ny mpisambotra ka nanoroka an’i Jesosy mba ho marika hamantarana fa Izy no Ilay samborina. Raha izany no dinihina dia lasa lavitra ny saina satria toa tamin’ny alalan’ny finiavan’ny famadihan’i Jodasy Azy no nahatonga an’i Jesosy tonga tamin’ny fijaliany sy ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana ho famonjena antsika.
Raha jerena kosa ny Filazantsara fahefatra dia toe-javatra mifanohitra tanteraka amin’izany no asehony antsika. Araka ny fitantaran’i Jaona mantsy dia i Jesosy tenany no nitolo-batana tamin’ireo mpisambotra Azy ireo. Tiany havoitra amin’izany fa an-tsitrapon’i Jesosy tanteraka sy tamin’ny fahavonona-pitiavany no nirosoany tamin’ny pasionany ho antsika.
Fampitahana tsotra
Filazantsara synoptika | Filazantsara fahefatra |
– Jodasy no tompo-mariky ny fisamborana.
– Jesosy niandry fotsiny (passif). – Jodasy mitari-dàlana + oroka famantarana. – Mpisambotra miditra an-tsehatra. – Mpianatra niparitaka nandositra. – Petera miditra an-tsehatra.
|
– Jesosy nahafehy tsara ny zava-niseho.
-Jodasy nitazam-potsiny (passif) sady tsy afa-nanoroka an’i Jesosy akory. -Vahoaka sy miaramila tsy nihetsika. – Jesosy miditra an-tsehatra: Jesosy Mpisambotra – Iza no tadiavinareo? – Jesosy – Izaho no Izy Nihemotra sy Lavo (Niverina in-2) –Jesosy manala ny mpianany ho fanatanterahany ny teniny hoe: “Tsy nasiako very izay nomenao Ahy” (afa-tsy Jodasy!) |
Asehon’i Jaona mazava fa:
– Nanolotena ho fatora-potsiny i Jesosy fa tsy nosamborina, araka ny fitantaran’ny synoptika azy.
– Noho izany, tsy nisy dikany akory ny namadihan’i Jodasy Azy ka vointenan’izy namadika ra marina, araka ny tenim-panenenan’izy tenany hoe: “Nanota aho, satria namadika ra marina” (Mat 27: 4).
–Tsy nisy dikany toy izany koa ny nirodorodoan’ny vahoaka sy miaramila nirongo fiadiana hisambotra an’i Jesosy satria na dia “fiantsoana” (convocation) tsotra hiseho synedriona fotsiny aza no nalefa taminy dia azo antoka fa ho tonga Izy!
–Asongadin’i Jaona mazava amin’ny alalan’izao fanolorantenan’i Jesosy sy fahavononany izao fa tsy avy tamin’ny planinan’i Satana sy ny baikony niasa tamin’i Jodasy sy ireo mpisambotra ireo velively no nirosoany tamin’ny fanatanterahana ny famonjena ny mpanota fa noho ny fankatoavana sy fanarahana ny drafitra efa nosoritan’Andriamanitra Rainy, araka ny sitrapom-pahasoavany.
(HITOHY)
*** “Ny fitsarana an’i Jesosy: Ny nitsaran’ny Mpisoronabe an’i Jesosy” no arahintsika @ Fizarana 2.