Ny PASIONAN’I JESOSY sy ny FITSANGANANY, ARAKA NY JAONA 18 – 20 (Fizarana 7)

  1. Ny nisehoan’i Jesosy tamin’ny mpianatra (Jaona 20: 19-23)

Ny zava-dehibe asongadin’i Jaona eto dia ny fahatongavan’i Jesosy namangy voalohany ny mpianatra tamin’ny harivan’ny andro nitsanganany tamin’ny maty. Tsahivina fa andro voalohany amin’ny herinandro Jiosy io ary mifanandrify amin’ny Alahady amintsika. Voarindrina sy voahidy noho ny fahatahoran’izy ireo ny Jiosy ny varavarana niangonany, hoy i Jaona, kanefa dia indro Jesosy nitsangana teo afovoan’izy rehetra. Ny dikan’izany dia vatatena efa nohavaozina hifanaraka amin’ny lalàn’ny fiainan-danitra no nentin’i Jesosy nitsangana fa tsy ilay vatatenany teo aloha, izay nofehezin’ny lalàn’ny fotoana sy ny toerana tamin’izao tontolo izao intsony.

Fanamarihana: Vatatenan’i Jesosy ihany io saingy nohavaozina ny toetra amam-pombany fa tsy hoe nosoloina tsy akory. Ka ny mahagaga amin’io vatatenan’i Jesosy avy nitsangana io dia izy mbola nitazona ny naha-nofo amam-taolana (matiera) azy ihany (satria azo notsapaina) kanefa tsy voasakan’ny matiera fa lasa tahaka ny tsy misy eo anatrehany ny matiera.

Ary dia io toetran’ny vatatenan’i Jesosy sady ara-matiera 100% sy ara-panahy 100% io, izay tahaka ny maha-olombelona 100% sy maha-Andriamanitra 100% Azy, no anisan’ny mampiavaka an’i Jesosy amin’Andriamanitra Ray sy ny Fanahy Masina ary koa amin’ny Anjely, izay samy Fanahy tsy misy fangarony. Ny mahagaga koa anefa dia ny fananan’i Jesosy toetra ahafahany manerana izao rehetra izao (Omniprésent) na dia sady vatana no Fanahy aza Izy.

Ny zava-dehibe iray koa tamin’ny nisehoan’i Jesosy tamin’ny mpianatra dia ny nanehoany tamin’izy ireo fa ny holatra amin’ny tenany sy ny tongony, izay nanomboana Azy, no marika famantarana Azy manokana. Tsy hain’ny devoly halaina tahaka ireo sady mampandositra azy koa satria porofo tsy azo kosehina mandrakizay, izay manamarina fa vita an-tsakany sy an-davany ny famonjena ny mpanota, ka dia vita tombokase eo am-pelatànany amin’ny alalan’ireo holatra masina ireo ny mino rehetra. Marika lehibe famantarana an’i Jesosy koa ny holatry ny dian-defona eo amin’ny lanivoany.

Marihina fa ireo marika ireo no entin’i Jesosy mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra Ray ka tazany mandrakariva amin’ny fotoana rehetra ifonanan’i Jesosy ho antsika eo anatrehany amin’ny fitarainany tsy azo tononina. Ireo koa no andraisan’i Jesosy antsika amin’ny fitsarana farany ka hampandrosoany antsika ho amin’ny fifaliany handova ny fhasambarana mandrakizain’Andriamanitra miaraka aminy.

Ny nisehoan’i Jesosy tamin’i Tomasy (Jao 20:26-29)

Tantara maningana sady misy lesona lehibe azontsika tsoahina ity ka tsara ny iresahana azy mitokana. Afaka havaloana; izany hoe: ny herin’ny Alahady nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty no nisehoan’izany. Marihin’i Jaona fa notanan’i Jesosy ho fotoana na andro raikitra famangian’i Jesosy ny mpianatra ny alahady fa tsy ny Sabotsy velively, izay Sabata Jiosy. Dia izany no antony naharaikitra ny Alahady ho “andron’ny Tompo” (Die Domini). Nanomboka ny taonjato faharoa AD no tena naharaikitra azy fa tamin’ny taonjato fahadimy kosa no nanekena azy tamin’ny fomba ofisialy, noho ny tolo-kevitry Constantin lehibe, amperora Romana.

Ny tian’i Jesosy asongadina manokana amin’ity fisehoany eto ity àry dia ny mba ho fanamafisana orina ny finoan’i Tomasy sy ho fanitsiana azy tsy hiankina amin’ny hita maso fa kosa mba handeha amin’ny tena finoana marina sy madio ary mahatoky tsara. Mametraka hafatra ho atsika ankehitriny koa Jesosy amin’izany mba tsy anahafantsika an’i Tomasy, ka hoy Izy: “Sambatra izay tsy nahita kanefa mino”.

– TAPITRA –

(Nosoratan’i Raiamandreny Pastora RAZAFINDRAKOTO A. Georges, Dr, Filoha SPAnta)

 

*** Sary nandravahana : “L’incrédulité de Saint Thomas, Le Caravage, 1603, palais de Sans-souci à Postdam (Allemagne)”

*** Ireo Fizarana teo aloha :

Fizarana 1 : « Fanazavana ankapobeny sy ny nisamborana an’i Jesosy »

Fizarana 2 : « Ny Fitsarana an’i Jesosy : Ny nitsaran’i Mpisoronabe an’i Jesosy »

Fizarana 3 : « Ny Fitsarana an’i Jesosy : Ny nitsaran’i Pilato an’i Jesosy »

Fizarana 4 : « Ny nanomboana an’i Jesosy tamin’ny hazofijaliana »

Fizarana 5 : « Ny nandevenana an’i Jesosy »

Fizarana 6: « Ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty»

Leave a Comment