- Ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty (Jaona 20:1-31).
Somary mahavariana kely ihany ny fitantaran’i Jaona ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty satria tsy nisy nolazainy ireo toe-javatra mahagaga niseho tamin’izany, toy ny horohorontany, anjely, vatobe voakodia, miaramila torana sy nandositra avy teo etc… Ny azo heverina ho antony dia satria tsy tian’i Jaona afangaroharo amin’ny seho-njavatra ivelany ny herin’ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty fa ho Azy madiodio. Ny atahoran’i Jaona mantsy dia sao avadiky ny sasany ho nisy hery majika hafa niara-niasa (nanao “synergisme”) tamin’ny fitsanganan’ny Tompo ka hanjary tsy feno 100% intsony ny herin’io fitsanganany io izay hanamarinana maimaimpoana ny mino Azy. Tsy resahin’i Jaona ihany koa ny amin’ireo vehivavy vitsivitsy tonga maraina tany amn’ny fasan’i Jesosy. Ny antony dia satria nitady fomba hanokafana ny fasana mba ahazoana manosotra menaka manitra ny fatin’i Jesosy no aton-dian’izy ireo. Toa naneho fomban-drazana be loatra anefa izany ka tsy nifanaraka tamin’ny foto-pisainan’i Jaona. Ho setrin’izany rehetra izany kosa dia foto-javatra efatra no asongadin’i Jaona mikasika ny zava-niseho mba ho fanamarinany ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Ireto avy zany:
– Ny fasana foana (20:1-10).
– Ny nisehoan’i Jesosy tamin’i Maria Magdalena (Jao 20:14-18).
– Ny nisehoany tamin’ny mpianatra ( 20:19-23).
– Ny nisehoany tamin’i Tomasy (20:24-29).
NB: Ny Toko faha-20: 30-31 dia lazain’ny mpandinika fa tsy nosoratan’i Jaona fa tokony tenin’ny mpianany nanampy tamin’ny Filazantsarany taty aoriana.
Toy izao no azo anazavana ireo trangan-javatra 4 ireo:
Ny fasana foana
Maria Magdalena ihany no lazain’i Jaona fa lasa tany amin’ny fasan’i Jesosy vao maraina be. Azo tombanana toy izao ny antony na dia tsy ambaran’i Jaona mivantana aza: satria i Maria Magdalena no nahazo famindrampo manokana sy fahasoavana be indrindra tamin’i Jesosy. Tsy hafa izany fa ireto: famonjena azy tsy ho voatora-bato noho izy tratran’ny Jiosy nijangajanga; fanafahana azy tamin’ny demonia maro; famelana tantraka ny helony ary fanavaozana tanteraka izay nahatonga azy ho mpanara-dia an’i Jesosy. Noho izany dia tonga raiki-po mafy tamin’i Jesosy io vehivavy mpanota nahantra taloha io. Vokatr’izany koa anefa dia i Maria Magdalena no tena voan’ny fahoriam-panahy sy ara-tsina indrindra rehefa maty sy nalevina Jesosy. Olona efa naloan’ny fiaraha-monina (marginalisée) mantsy izy no noraisin’i Jesosy ka iza intsony no mba hangoraka sy hiahy azy rehefa maty Ilay Tompony hany niankinany?
Tsy nopizin-tory i Maria Magdalen ny alina tontolo taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy nandevenana Azy fa namisavisa izay mety hiafarany ka izany no nahatonga azy lasa vao nangiran-dratsy nankany amin’ny fasan’ny Tompo. Azo heverina fa ny hitomany sy hitaraina irery teo am-baravaram-pasan’i Jesosy, izay tsara hidy, no anton-diany tamin’izany. Kanjo dia fasana nisokatra no novantaniny. Sady gaga no taitra sy natahotra Maria Magdalena ka tsy sahy niditra tao am-pasana fa lasa niverina haingana nitantara tamin’ny apostoly. “Nalain’ olona tao am-pasana ny fatin’ny Tompo, hoy izy, ka tsy fantatray izay nametrahany azy.”
Manambara izany tenin’i Maria Magdalena izany fa toa nisy vehivavy hafa na olon-kafa niaraka taminy saingy tsy toninin’i Jaona anarana. Petera sy Jaona tenany no lasa nihazakazaka nankany amin’ny fasana mba hizaha izay zava-nitranga marina. Ambaran’i Jaona fa izy no tonga taloha fa i Petera kosa, izay efa zokinjokiny ihany, no tafara. Ny mpandinika anefa mihevitra fa tsy dia noho ny fahosan’i Petera loatra no nahatonga azy tara kely vao tonga teo amin’ny fasan’i Jesosy fa mety noho izy nahatsiro tampoka ny efa nandavany in-3 ny Tompo ka nanjary navesatra ny fony sy ny tongony rehefa nieritreritra izany teny am-pihazakazahana hankany amin’ny fasana izy.
Na dia tonga taloha teo amin’ny fasana sy nahita ny fisokafany aza i Jaona dia tsy niditra fa nitsirika avy teo ivelany fotsiny. Mety ho fanajana ny naha-zokiny an’i Petera izany ka niandry azy mba hiditra nialoha izy kanefa koa nety ho tahotra. Rehefa samy tafiditra izy roa lahy dia niara-nahita fa foana tokoa ny fasana ka tsy tao intsony ny fatin’i Jesosy. Ny lamba-paty nipetraka teo amin’ny farafara vato sy ny mosara namehezana ny lohan’i Jesosy voavalona tsara nitokana no hany hitan’izy ireo tao am-pasana. Hevitra roa no tian’ i Jaona hambara amin’izany:
(1) Fanamarinana ny nitsanganan’i Jesosy ny fahafoanan’ny fasana
Moramora sy tamim-pilaminana tsara no niarenan’i Jesosy sy nitsanganany ary nialany tao am-pasana. Ny amin’ny tsy fahitana ny teny momba ny anjely tamin’ity fitsanganana’i Jesosy ity dia toa ta-hanambara i Jaona fa nisokatra na nipoaka (exploser) ho azy ny varavaram-pasana mba hahazoan’ i Jesosy nivoaka avy tao.Tombatombana ihany anefa izany satria tsy ny varavaram-pasana mihidy velively tsy akory no hahasakana ny fialan’i Jesosy avy tao anatiny, tahaka ny tsy nahasakanan’ny trano mihidy azy fony Izy tonga namangy ny mpianany ny harivan’io nitsanganany io.Voalaza fa nino ilay mpianatra tian’i Jesosy (Jaona) rehefa nahita izany rehetra izany ka dia niverina nody izy sy Petera.
(2) Fanamarinana ny nitsanganan’i Jesosy ny nisehoany tamin’i Maria Magdalena
Marihina fa rehefa avy nilaza tamin’ny apostoly i Maria Magdalena dia nanjohy tao aorian’i Petera sy Jaona niverina tany amin’ny fasan’i Jesosy. Rehefa lasa niverina izy roalahy dia mbola nijanona teo amin’ny fasana ihany izy sady nitomany. Voalazan’i Jaona fa nitsirika tao amin’ny fasana izy ka nahita anjely roa tao. Mahagaga ihany izany satria hatrany am-boalohany i Jaona dia tsy niresaka anjely mihitsy, indrindra fa tamin’ilay nidiran’izy sy Petera tao am-pasana.
Noho izany dia ambaran’ny mpandinika fa anjely nirahina manokana hilaza vaovao tamin’i Maria ireo fa tsy misy ifandraisany mivantana tamin’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty sy ny nisokafan’ny fasana, tahaka izay hita amin’ny synoptika. Taorian’izay tokoa mantsy no nahitan’i Maria Magdalena an’i Jesosy saingy tsy fantany avy hatrany ho Jesosy Izy. Rehefa notononin’i Jesosy ny anarany vao nisokatra ny masom-panahiny ka nahalala ny Tompo izy. Fanontaniana lehibe sy manahiran-tsaina no apetraky ny maro, izay mahatonga ny sasany manota mihitsy amin’ny fisainan-dratsy, hoe: “Nahoana no tamin’i Maria Magdalena irery no nisehoan’i Jesosy voalohany kanefa mba tonga teo amin’ny fasana koa ilay mpianatra tiany indrindra sy i Petera, izay anisan’ny tena nitokisany fahavelony? Moa mihoatra noho ny fitiavany an’ireo azo lazaina ho lohany tamin’ny apostoly ireo ve ny fitiavany manokana an’i Maria Magdalena?”
Fanontaniana saro-baliana tokoa izany kanefa toy izao no azo hanazavana azy amin’ny fomba tsotsotra:
– Efa voalaza teo ny fahorian-tsaina sy adim-panahin’i Maria Magdalena noho ny nahafatesan’i Jesosy. Midika izany fa nila fampaherezana sy fampiononana manokana izy. Fantatry Jesosy tsara izany ka dia nomeny fahafam-po i Maria Magdalena.
– Araka izany dia tsy hoe niangaran’i Jesosy noho ny fiitiavany azy manokana sy niafina tsy akory i Maria Magdalena fa noho izy nanana faharetana tamin’ny fanantenana an’i Jesosy no nahazoany tombom-pahasoavana. Raha naharitra teo ry Jaona sy Petera dia azo heverina fa ho nahita an’i Jesosy niaraka tamin’i Maria Magdalena koa izy ireo. Efa niteny Jesosy fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena. Tsy vitan’ny hoe nomen’i Jesosy tombontsoa manokana tamin’ny fahitana Azy voalohany avy nitsangana tamin’ny maty fotsiny i Maria Magdalena fa nanankinany andraikitra lehibe ihany koa tamin’ny nanirahany azy hilaza ny vaovao mahafaly tamin’ny apostoly sy ny mpianatra niaraka taminy. Izany hoe: sady vavolombelona voalohany nahita maso an’i Jesosy avy nitsangana tamin’ny maty izy no iraka voalohany nanambara izany koa (apostolin’ny apostoly). Koa dia tamim-pifaliana tanteraka tokoa no nilazany tamin’ny apostoly sy ny mpianatra hafa hoe: “efa nahita ny Tompo aho!”
(HITOHY)
*** Ireo Fizarana teo aloha :
Fizarana 1 : « Fanazavana ankapobeny sy ny nisamborana an’i Jesosy »
Fizarana 2 : « Ny Fitsarana an’i Jesosy : Ny nitsaran’i Mpisoronabe an’i Jesosy »
Fizarana 3 : « Ny Fitsarana an’i Jesosy : Ny nitsaran’i Pilato an’i Jesosy »
Fizarana 4 : « Ny nanomboana an’i Jesosy tamin’ny hazofijaliana »
Fizarana 5 : « Ny nandevenana an’i Jesosy »
*** « Ny Ny nisehoan’i Jesosy tamin’ny mpianatra» no harahintsika @ Fizarana 7 sady farany.